ahoana no ahafantarana fa tena tia anao ny namanao

1. bobone ( 08/08/2006 05:29)
8)8)fa hono oah! ry reto an!
ahoana no hahafantaranao fa tena tia anao ny namanao! na lehilahy na vehivavy!
eo @ fiteny ve ! sa eo @ fitsiky ve ! sa eo @ fiainany manontolo ve!
répondu par Fiffi le 19/08/2006 08:13
2. fasaly ( 08/08/2006 06:19)
raha hoe ny namana aloha no miteny anao hoe tiko be ianao na lahy io na vavy indrindra am-bava fotsiny dia tsy mino aho satria zà victime foana amin'io resaka namana io hoe tiko be njy otran'ny rahavaviko injy anefa tena manindrona antsy any andamosina ry zareo an! fa raha amin'ny fiainana andavan'andro, raha ny namana tena tia anao dia ny zavatra ataoano azy dia ataony aminao koa ohatra de hitako hoe mahafinaritra fitia mifamaly, ohatra manaja anao izy enao kou manaja azy de hitako hoe izay ilaui fitiavana entre namana:wink:
3. mamzelkely ( 08/08/2006 06:24)
ny anah njay ny namana tena tia de ny namana refa eo na am fotôna tsara na sarotra nefa ko misy an le fiteny vahiny hoe "on ne reconnait ses vrais amis que dans les moments difficiles":)
4. pissoa ( 08/08/2006 06:41)
Rehefa sahy miteny hoe diso ianao - na maharary aza!

Ny olona miombon-kevitra lava, na mahita hoe mety foana ny ataoko aloha dia siora aho fa tsy tia ahy mihitsy e :roll:
5. naritsimba ( 08/08/2006 06:43)
misy fiteny manao hoe: ampahafantaro ahy ny namanao dia fantatro ny toetranao.
Miankina @ namana izany ny toetranao.
Izay miaraka @ amboa lambo dia amboa lambo.Tsy misy ny voromanga hiteraka vovorondolo na vorondolo hitera-boromanga.
Isika no mieritreritra eh!
6. kally ( 08/08/2006 08:45)
Fantatro fa tia ahy ny namako rehefa mahafoy mivily lalana noho ny amiko na dia maika ohatry ny inona aza.Tsy voatery hifanerasera sy hifampitaritarika isan'andro,tsy voatery hifanolotolotra fanomezana, fa soroka azoko ianteherana raha misy mampitanondrika ahy,dia izaho koa ohatr'izay aminy,izaho no antsoiny voalohany raha sendra misy fahoriana izy na koa sendra hafaliana...(l)
7. fasaly ( 08/08/2006 08:56)
hummmm: mazava tsara mahitsy ny filazan'i kally azy ka! marina mitsy zany:wink:
8. boubounezy ( 08/08/2006 11:36)
ny fijeriko azy njay dé refa tiny @ maha zah anah izy dé zay ny tena ty @ko.
9. majesty ( 08/08/2006 12:34)
sarotra be ny ahalalana na tena tia anao ny namana iray na tsia satria ny fihetsika azo amboarina,ny vava afaka miteny teny mamy na tsy vokatry ny fo aza,fa ilay oul irery ihany no afaka ahalala izay ao ampony fa de minoa fotsiny ihany e,nefa aza miraiki-po be diso tafahoatra kou:)
10. Aino ( 08/08/2006 13:17)
raha ny ahitana ny namana hoe tena tia anao @fony manontolo aloha tsy de haiko tsara ny mandinika azy, fa rehefa tia mifanerasera sy mizara izay tonkony hifampizarana aminao namany izy na koa mifanaja sy tsy mifampia-nttsaravelatsia dia efa mety aminko.
11. dailynews ( 08/08/2006 13:19)
amiko dia rehefa manomboka tonga amin'ilay hoe ny problemanao dia problemany ihany koa ary miaraka mamaha olana azy ianareo, miara mitomany, miara miasa loha, manaiky hihaino izy rehefa mitaraina ianao sns...
12. fasaly ( 08/08/2006 14:50)
marina kou alou ny voalzan'i majesty io e!
misy mantsy mahay mihatsara ivelan'ny tsihy fotsiny .....mamitaka be ireny.
13. minoum ( 08/08/2006 18:45)
Salut!
Ny namana mora azo @ andro sarotra no atao hoe tena namana ; ka raha izay fa tsy mila tambiny de zay no atao hoe tena namana
14. Fiffi ( 09/08/2006 04:58)
amiko indray aloha de toa sarotra hiany no fahafantarana an'io an! mila fotoana ela mihintsy aloha zay vao azo lazaina hoe tena namana , nefa na izany aza miankina @ le fifandraisana sy fiseraserana hiany io !
15. majesty ( 09/08/2006 05:58)
fasaly:efa voafitaka tany ho any angah njy :D ntsôooo
16. Fiffi ( 09/08/2006 06:00)
ary majesty ? :-D:-D:-D
17. bobone ( 09/08/2006 06:05)
mankasitraka anareo rehetra nanome hevitra , tena marina daholo ny teninareo fa ny ahy dia izao!ny fahalalako azy de tena tia nynamana raha ohatra ka tsy manary anao @ sarotra, na soa na ratsy , tsy mijery harena , tsy mijery tarehy, fa tena maneho fitiavana , tsy miatsaravelatsihy fa tsom-po!
sns e!
mankasitraka anareo , ny hirina dia tokony hifankatia tanteraka isika rehetra ato @ serasera, mifanohana à lafiny rehetra... Mahereza daholo
18. boubounezy ( 09/08/2006 06:56)
ho fantatra eo iany ny setroka sy ny tomany fa tena ty mitovy mintry ny mpétsaravelatsy sy ny tena ty ny fihetsiny sy ny fiteniny ny any mpiatsara velatsy fa tsy ty akory tena teny mamy koukou no azonao @ no ny @ oull tena ty somary enjana nefa miditra tsara ao am(l) sy saina
19. diamondra27 ( 09/08/2006 10:38)
tsotra de tsotra no amantarana ny namana oe: tena tia anao.

Ra tonga foana @ ora fisakafoanana izy de tsy de mazava loatra zay

ra tonga any aminao izy ka mangataka service foana de tsy izy koa izay


de 'zao an alohan'ny hisian'ny grand problème eo @ fiainanao de tokony hanamboatra moral enao fa tsy manana an'iza na iza, raha misy namana tonga @iny de izy izay le namana tena tia anao, na koa miantso manontany vao² raha lavitra ny toerana

ohatra: raha voan'ny cancer enao ka manomboka mihintsana iny ny volonao, de manomboka mihatakataka aminao ny olona , aza kivy fa zay le olombelona, de ze olona miray amiano @ io fotoana io no tena namanao

ra sendra oe: à la rue enao , na ny havanao aza tsy mampiantrano anao fa hoe: sahirana izy, @izay fotoana izay , de ze manampy anao no tena namana fa tsy ireny olona resahanao de mihaino anao fotsiny ireny de aveo miresaka ny blème mahazo anao any ambadika




20. diamondra27 ( 09/08/2006 10:42)
tu sais dans la vie il faut savoir compter mais PAS AVEC LES AMIS







apetrao eo ambony lohako ny ratsatananao 5 de miangavy anao aho mba hanisa hatr@ 5, (iray, roa, telo, efatra , dimy)========================> maintenant tu sais que tu peux compter sur moi
:-D:-D
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 1.2622