Ho an'izay mipetraka Paris sy ny manodidina dia misy fampisehoana ataon'ny tarika Fenoamby etsy Bobigny, manomboka @20h30, eo anolohan'ny péniche @ sisin'ny Ourcq (ambadikin'ny Préfecture de la Seine Saint-Denis).
Io fampisehoana io dia natao ho fanokafana ny festival Bobigny sur Ourcq 2006 ary dia mahafaly tokoa ny mahare fa Fenoamby no notsongaina tao anatin'ny maro hanao izany!
Tongava maro fa tsy misy vidim-pidirana.