VALIM-PANADINANA CEPE
1. naej
(
29/06/2006 12:14)
83%ny salam-pahafana t@ CEPE tamin'ity taona ity izay voalaza fa nisy fihenany raha mitahy @ tamin'ny taona lasa.Dia tao aoriana kely dia nivaly indray ny 6e izay teo @ 35% teo no afaka ary tena ambony ny moyenne takina satria dia 15% farany ambany vao tafiditra classe de 6e,noho ny toerana voafetra any @ CEG hono no anton'izany , dia tena mampalahelo zany ireo tsy afaka mandoa ecollage dia sanatria ve hijanona hatreo sahady? na voatery handoa ecollage ? raha mbola mahavita moa ny ray aman-dreniny haninona fa raha tsia kosa dia mampalahelo, tokony asiana fiheverana mihitsy ny hanitarana ireny sekoly ireny ,trano be hafa aza vitan'ny fanjakana , maika ve ny sekoly iankinan'ny ho avin'ny firenena ?
répondu par HESHA le 18/07/2006 05:39
2. lemenakely
(
29/06/2006 12:30)
eny tsara aloha ny manana ny CEPE satria diplaôma voalohany io @ santam-pianarana ambaratonga voalohany ao MADAGASIKARA ,fa ny mampalahelo dia ny diplaôma gasy tsy reconnu aty an-dafy na inona io na inona na ny BAC, na manana médecine aza dia tsy ekendry zareo raha tsy manao spécialisation na manao étude approfondie !
3. rhaingo
(
03/07/2006 16:40)
Naej : mampalahelo marina, izay angamba no mahatonga ny zanaky ny saranga antonony tsy ho tafita, satria vao 6eme dia efa tsy afaka mandoa ecolage.
Lemenakely : any dago ange noresahina, fa tsy an-dafy e, mety rehefa tafita eto izy ka afaka miasa suivant ny diplome mety tsy hieritreritra izay an-dafy akory
Lemenakely : any dago ange noresahina, fa tsy an-dafy e, mety rehefa tafita eto izy ka afaka miasa suivant ny diplome mety tsy hieritreritra izay an-dafy akory
4. nickie
(
04/07/2006 09:50)
Tena tsy tokony atao ambanin-javatra ny ohatr'izany fa mahakivy sahady ireo zaza vao hisondrotra ,mba jereo akaiky re izany ry ministeran'ny fanabeazana sy ny commune o! ny rova aza vita ny mandany amina miliara maro maika fa izay fanitarana sekoly mba ho avin'ny taranaka, ampirisiana ny ray aman-dreny ampiana-janaka kanefa hatraiza ny tanjona?
5. VIRGINIE
(
04/07/2006 10:13)
Sekoly iray 36 no isan'ny mpianatra @ kilasy 7e ,33 afaka CEPE fa 4ihany no afaka 6e izany hoe ny 29 izany dia voatery mamerin-taona na misy mijanona sahady rehefa tsy afaka mandoa saram-pianarana ny ray aman-dreniny.
Firy nefa ny sekoly fanabeazana fototra eto amintsika? tsy noho ny tsy fahaizana anefa io fa noho ny tsy fahampian'ny toerana, indrisy.
Firy nefa ny sekoly fanabeazana fototra eto amintsika? tsy noho ny tsy fahaizana anefa io fa noho ny tsy fahampian'ny toerana, indrisy.
6. HESHA
(
18/07/2006 05:39)
Marina mihitsy izany, ka iza ary no mety handefasana io fitarainana io e ? Ny chef de region sa ny commune sa ny ministera sa iza am bailleurs de fonds ?
Raha mba misy mahita hirika hilazana izany am manampahefana de mba hiangaviana antanan-droa re tompoko fa mijaly ny zaza malagasy.
Ny fiteny anefa de hoe adala ny toa andrainy, zao nefa efa misy maro aza no resin drainy, de hankaiza zany ?