Nahoana ary moa ny gasy no tsy maintsy mangalatra?

1. lemenakely ( 23/06/2006 12:26)
Hoy ny didy 10 hoe :AZA MANGALATRA!...
Raha ara-môraly sy ara-pinoana izany dia ratsy ny mangalatra!
Nefa @ izao fotoana dia :maro ireo vahiny no tsy mahatoky gasy fa lazainy fa MPANGALATRA!
Firifiry ireo mpiasan'ny ZONE tsy maintsy savaina hatreny antampin-doha ka hatreny ampaladia alohan'ny mody na ny lahy na ny vavy!

325.000fmg eo ho eo ny SMIG fomba ahoana moa no ahafahana ho tafavoaka raha io monja no raisina?

Sanatria tsy miaro ireo mpangalatra sao lazain'ny sasany ho izany in1 ,fa mampalahelo tokoa ny mahazo ny mpiray tanindrazana!

Ny tena mahavariana raha vahiny no manao ilay asa dia avo 10 heny be izao no raisiny nefa asa mitovy izao ihany no atao!!!

Sa dia taranak'olona efa hijàly lava izao ve ny gasy?
répondu par prime le 19/07/2006 13:13
2. prime ( 23/06/2006 13:00)
Lalànan'ny vola io raha ny fahitako azy, rehefa mahantra dia izany no izy... Ny ahatongavan'ireo mpandraharaha eto anie hitady vola e! "main d'oeuvre à très bon marché" ka nôrma izy raha mihazakazaka aty...
3. Fiffi ( 23/06/2006 13:01)

Nahoana ary moa ny gasy no tsy maintsy mangalatra?

heu...tsy azoko hoe inona no tena tianao lazaina an! satria ianao milaza hoe "Nahoana ary moa ny gasy no tsy maintsy mangalatra" nefa toa resaka différence entre gasy sy vazaha eo @ asa hoe asa mitovy zao nefa dia ny vazaha no mahazo karama avo dia avo mihoatra ny gasy ?
Ary koa toa resaka tsy fampantokisana nohon'ny fisavana ?
Raha mba hoe hoy ianao hoe "Fa nahoana ary moa ny gasy no tsy maintsy RAISINA na HATAO HOE MPANGALATRA
4. dadabe ( 23/06/2006 13:02)
yee marina izany satria mety tsy sahy miteny ny vahiny ny mpitondra, matahotra sa...saribakoly sa...
5. prime ( 23/06/2006 13:05)
Fiffi> misaotra @ ilay fanamarihana... :wink:
lemenakely> tohizo ny dinika fa mety ho lasa lavitra izy ity raha izao...8)
6. Fanja1 ( 23/06/2006 13:11)
tsy ny gasy rery no mangalatra
7. lemenakely ( 23/06/2006 13:14)
Sous-payés na ratsy karàma ny gasy ka normal raha mangalatra: IZA NO HANOME TSINY?

Firifiry ireo comptable gasy voaroaka aleon'ny karàna sy ny vazaha mampiàsa vahiny 2.000 euros /mois toy izay hampiàsa gasy 1.500.000fmg nefa VOATERY tsy maintsy mangalatra!
TSY TAFAVOAKA tsinona ka!

Asa mazàva ho an'i Fiffi angamba ny tiako ho lazaina?
8. prime ( 23/06/2006 13:30)
lemenakely> tompom-bola izy dia zony ny hampiasa izay tiany... Eo @ lafiny karama indray dia ny lalàna malagasy mihitsy no mahatonga an'io... Efa nahita aho, fa gasy "même compétence" mba nangataka "équivalence" t@ ilay coopérant afrikana, fa tsotra no navalin'ilay responsable... ny grille salariale omen'ny textes'nareo gasy anie no arahinay e! izahay aza efa manome mihoatra betsaka noho ny tokony ho izy... (groupe io orinasa io izany hoe misy tale jeneraly isaky ny orinasa, fa tsy mitovy ny karaman'ireo satria ny lalàna gasy no mamela an'izany) ka tsy mahagaga izany...
9. lemenakely ( 23/06/2006 13:53)
ka raha karamaina 1.500.000 ary ilay chef comptable gasy nefa mangalatra sy mi détourner 20.000.0000 tsy voa mafy kokoa ve ilay vazaha na ilay karàna?
10. JOCH ( 23/06/2006 16:16)
Ny ahy indray ny fahitako azy de tsotra ihany.
Samy mangalatra daholo ny ankabeazan'ny olombelona rehetra na gasy io na vazaha na be karama io na kely karama na président république io na mpamafa lalana fa izany hoe samy manana ny fomba entiny hangalana io vola tsy marina io.
Ny an'ny sasany mety mivantana ny an'ny sasany mety ho ankolaka fa matetika moa ny mpiasa aty amin'ny firenena madinika sy mahantra no tratra matetika de ohatran'ny hoe
ny gasy ihany no tena mpangalatra
Amiko ny hoe mangalatra de ny maka izay tsy mifanaraka amin'ny hatsembohan'ny tena, ka na maka tombony be loatra ianao na manakarama olona tsy araka ny tokony ho izy na de efa hifanarahana izao aza ny karama d'efa tsy rariny izany ka raha vao tsy rariny ami'ny ara-bola d'efa halatra.
Ny gasy moa efa zatra tsy manana lava ka raha vao misy fakampanahy na kely io na lehibe de miroboka ary matetika tsy tonga saina mihitsy fa ny haka ihany no ao an-doha na de efa hita miharihary be tsy misy azo ialana izao aza.Ny vazaha rehefa hangalatra d'efa mi-étude mialoha izy hoe ho tratra aho ve amin'ity ary tsy mi-risque izy raha vao tery ny lalana, ny an'ny gasy indray de mifanohitra amin'izay,
efa hita izao fa tsy afa miala ianao raha vao manao ilay mission fa tsy maintsy ho tratra de miroboka ihany, de zay le izy aloha amiko
11. fijo ( 23/06/2006 19:23)
io efa nolazain'i prime io no marina,io lalana mametra ny karaman'ny mpiasa io,dia lalana efa tamin'ny andron'i dadabe tsiranana.
tamin'izany andro izany ny vahiny"Sté MARSEILLEISE sy Sté LYONNAISE" dia naika hanakarama ny gasy tamin'ny atsasakaraman'ny vazaha,mitovy asa sy andraikitra taminy,taty frantsa.
oh:comptable vazaha aty frantsa 1000ff,ny comptable gasy any mada 500ff.
nety izay taloha raha jerena tamin'ny sandan'ny fiainana nisy tany sy taty.fa i dadabe no tsy nanaiky fa lasa sarotra fehezina ny vahoaka,raha miaina loatra."anontanio ny ray amandreni taloha,fa maharaka tsara io resaka io.
dia nanomboka teo ary ny vazaha no nangataka hoe ,ataovy lalana izany,fa tsy hafaka hanao izany izahay,dia lasa tokoa rapisodia fa namoaka "reglement" momba izay,ka dia io mbola hiainana io izy ankehitrio.
12. rabaradaka ( 25/06/2006 05:19)
Mba hidramiko dadatoa JOCH ity teninao ity, asa na ohatrinona no omeko anao avy eo : "Ny ahy indray ny fahitako azy de tsotra ihany.
Samy mangalatra daholo ny ankabeazan'ny olombelona rehetra na gasy io na vazaha na be karama io na kely karama na président république io na mpamafa lalana fa izany hoe samy manana ny fomba entiny hangalana io vola tsy marina io".
13. prime ( 28/06/2006 09:31)
lemenakely> rehefa kely karama dia mandeha ho azy ny hangalatra... izay "reflexe" hangalatra izay no tsy dia mazava amiko... na ilay hoe kely karama aza, kely par rapport amin'ny inona satria an! na samy comptable araka ny resahinao aza tsy hitovy mihitsy ny any US, japon, australie, zimbabwe, maurice, dago... :°)
14. rhaingo ( 02/07/2006 09:58)
rabaradaka : marina ny anao, mety gasy lemenakely dia gasy no hitany, fa misy an'io daholo rehefa firenena rehetra
15. prime ( 04/07/2006 11:17)
ka ny halatra izany tsy miankina @ hoe kely karama... raha fehezina...:wink:
16. arson ( 12/07/2006 12:35)
NAHOANA ARY MOA NY GASY NO TSY MAINTSY MANGALATRA:
farito mazava tsara kosa alo oe ny GASY SASANY E!.
Eo aloa ny hakelin'ny karama raisiny ilay mpiasa ohatra ka mahatonga azy hanaonao foana.Nefa ao koa ireo olona izay efa manana saina ratsy ka na be na kely ny vola de ny hangalatra ihany no ao andoha:izay ilay fitiavankely tafahotra.
lemenakely< firy2 hoy ianao ireo comptable voaroka fa ahona no comptable ihany no tsongainao ao anatiny?.Lazaiko anao fa matetika ny mahavoroka ireny de ny tsy fitandremana eo anivon'ny asa oh:ny fandisoana tarehimarika...nefa io de zava-daza tokoa.
Matetika anefa ny mpampiasa tsy te-ahalala izay fanazavana sy izay tokony hataony fa ny handroka ihany no ao andohany,fa oe nangalatra.
Zay fotsiny no mahavoa kely ilay izy e!satria tokony mba ho afaka hifampiresaka ny mpampiasa sy ny mpiasa ao aminy.Ary tokony mba ho motivé fona le mppiasa e!
17. Herimiafina ( 12/07/2006 17:28)
Ny resaka smig anie misy etude de glissement economiuqe foana e, raha 325.000fmg izy dia tahatahaka izay ihany koa ny vidin,ny fiainana ambany indrindra ziany.

raha asondrotra 1.000.000fmg izy dia hisondrotra ihany koa ny zavatra rehetra, principe ekonomika io.

ary izy io ambany be io aza no mboloa mitazona ny vidin,entana mba ho mbola abordable ihany.
18. prime ( 18/07/2006 12:58)
Izaho dia mbola mamerina ihany fa raha mieritreritra hoe kely ilay karama dia aza mandray sy manaiky ny ho ampiasaina @ izany... fa tsy hoe rehefa ekena dia avy eo nefa hangalatra...
Ny lazain'i Herimiafina koa mbola antony amboniny hanazavàna ny fahefa-mividy...
Fa raha ny hevitro dia rehefa mahantra ny firenena dia tantanan'ny manan-karena ny fiainany ka tsy mahagaga ny toy izao...
19. Herimiafina ( 18/07/2006 13:05)
Ka izay hoa, ilay olona mihintsy no efa tia mangalatra, iza moa no tahafiny e!
Justifier-ny be amin'ny karama kely sns iny fitiavany mangalatra iny avy eo e! :wink:
20. prime ( 19/07/2006 13:13)
Mampalahelo!!!:lol:
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 1.7316