Ny fivavahana fialokalofan'ny jiolahy pôlitika!

1. victime101 ( 16/06/2006 05:56)
Isan'ny fahotàna mahafaty ataon'ireo mpanao pôlitika eto MADAGASIKARA nefa eken'ny vahoaka ny fiefenan'ireo jiolahy pôlitika ao anaty fivavahana ,firifiry ireo mpamono olona na t@ raharaha 1972 ,1991 na 2002 no mbola ao foana ?
ny hangezan'ny molotra sy ny hasavonin'ny vava no mampiovaova ny marina eto MADAGASIKARA.:twisted::twisted:
Matoa nefa ry zareo manohy izao fomba izao dia isika mihintsy no manaiky izany e !
répondu par marozevo le 20/06/2006 21:48
2. diamondra27 ( 16/06/2006 06:16)
de inona no solution @izany
3. Fiffi ( 16/06/2006 07:00)
de inona hono ny solution hitan'i victime101 tokony hatao ?
4. hery ( 16/06/2006 07:04)
diamondra27, Fiffi> Ngah io manana solution....

Milelalela etsy sy eroa amin'ny ps maro fotsiny de izay fa tsisy apoaka tsinona.
5. Fiffi ( 16/06/2006 07:24)
de rehefa tsy misy hapoaka de mangina! ny mangiana hono volamena!!
6. miaina ( 16/06/2006 07:47)
larina r reto zany a!
ny zavatra tokony hataontsika tanora dia ny manome solution fa tsy faly mitsikera fotsiny; @ zay koa hita misongadina hoe, zany ny tanora ni dago fa tsy manaiky an reo be antitra reo fotsiny!
hatrizay ny olona dia nataony fanafenantoetra ny fivavahana, nefa sika rehetra mahafantatra fa efa nanana ny fahendrena ny Malagasy fahiny (ntaolo), anjaran tsi1/1 ny manova ny toetsaintsika sy ny taranaka any afara mba hifandrindra @ tena toetsaindy razantsika fahiny!! (@ lafiny tsara io an)
7. Fiffi ( 16/06/2006 08:36)
ka omeo ary ny solution eh!
8. cristal ( 16/06/2006 10:17)
:roll::roll:de lazao koa hoe ianao no masina fa maninona raha mivavaka hoazy isika mba hanovan'ANDRIAMANITRA ny totran'izy ireny fangaha azontsika atao ny mitsara,matoa misy olona mamo napandalovin'ANDRIAMANINTRAeo anoloanao dia ny mba hivavahanao ho azy de zay!:roll::roll::roll::roll::roll::roll::roll::roll::roll::roll::roll::roll::roll::roll:
9. prime ( 16/06/2006 10:31)
hoy victime101:
fiefenan'ireo jiolahy pôlitika ao anaty fivavahana


Tsy azoko tsara ny hoe miafina ao anaty fivavahana ô???? manana fanontaniana dia mba manangan-tanana!!!:-P

Miafina ahoana? Ka toa tsy miafina ry zareo anie e?!!! :?
10. Fiffi ( 16/06/2006 11:16)
prime: ka ny azy hafangarony daholo na ny fivavahana na ny politika na ny ....ka aiza moa no tsy mazava ?
11. prime ( 16/06/2006 11:34)
Fiffi> izany hoe "miafina" izany ve midika hoe mampifangaro???? satria mantsy hoy aho teo hoe toa tsy miafina anie ry zareo e!!! mitsotra mihitsy ary ry zareo hoe, "amin'ny mahampanao politika ahy dia..", "amin'ny maha mpivavaka ahy dia...".
Mbola tsy tena mazava amiko foana ilay tian'i victime101 fa tokony hazavainy kely mihitsy...

Arakaraka ny asa fivelomana koa mantsy io raha ny fahitako azy, fa ho an'ny mpitondra fivavahana, io no fivelomany ka tsy hitako hoe inona no mahadiso azy @ izany??? rehefa misy fotoana indray izy miteny @ maha-olom-pirenena azy toa tsy mifanipaka izany kanoohhh!!!! Ny sasany mpandraraharaha, ny sasany mpitsara, ny sasany tantsaha, ny sasany mpitandro filaminana... dia samy manana ny mahaizy azy io... ary izay no tsy azoko amin'ilay hoe "ao anaty fivavahana"... Fiangonana ve sa finoana sa inona??? fa raha ny hevitro toa samy manana ny heviny ny mpivavaka na samy fianakaviana iray izao aza. Tsy azon'iza n'iza baikoana intsony hoe iry no izy na iroa fa samy malalaka...:-P
12. soanja ( 16/06/2006 13:07)
victime101:

Isan'ny fahotàna mahafaty ataon'ireo mpanao pôlitika eto MADAGASIKARA nefa eken'ny vahoaka ny fiefenan'ireo jiolahy pôlitika ao anaty fivavahana ,firifiry ireo mpamono olona na t@ raharaha 1972 ,1991 na 2002 no mbola ao foana ?
ny hangezan'ny molotra sy ny hasavonin'ny vava no mampiovaova ny marina eto MADAGASIKARA.:twisted::twisted:
Matoa nefa ry zareo manohy izao fomba izao dia isika mihintsy no manaiky izany e !


Alefaso daholo eto indray ary ny taratasy mirakitra ireo famonoana ireo hojerenay dia hitantsika eo hoe inona no atao manaraka.


13. xxx ( 16/06/2006 13:20)
andron\'ny fahalalahana kosa izao e:roll: aleo izy hamoka ny heviny , fa tsy hoe rehefa tsy mitovy @ hevitrao dia abatibatina be tahaka izany
14. mandrindra ( 16/06/2006 13:29)
andron'ny fahalalahana dia miafina ao ambadiky ny xxx :-D:-D:-D
15. Fiffi ( 16/06/2006 14:48)
grave indray zany an! sa ve fahalalahana miafina @ xxx ? :-D:-D:-D
16. marozevo ( 16/06/2006 20:24)
Afaka miteny ka... Fa mba zava-marina kosa lazaina eh...

Iza ireo lazain'i Victimme fa miafina ao ambadiky ny fivavahana. Raha tena milaza ny marina ianao dia lazao ny anaran'ilay olona sy ny nataony.
Efa tsy andron-dRatsiraka intsony izao ka hoe sao dia migadra raha miteny ny anarany eto...

Mety ho marina manko ny lazainao, fa lasa generalisé le izy nefa mety olona roa sy telo no manao izany.
17. Fiffi ( 18/06/2006 18:01)
ka tena misy olona manao an'izany marina ve aloha ?
18. marozevo ( 18/06/2006 22:50)
Misy hono eh... Dia ho hita eo raha manana hazon-damosina hilaza sy hanome porofo i victime101...
Raha tsy sahy milaza izy dia mazava fa fanaratsiana fotsiny no mahamaika azy.
19. Fiffi ( 19/06/2006 04:57)
ka @ fomba ahoana moa no hanomezany porofo satria fantany fa tsy mariny zany ?
20. arson ( 20/06/2006 07:05)
fa ny antony ivavahany anie mety hitany sy tsapany fa efa mpanota be izy de zay mahatonga azy hialokaloka any e!fa tsy hoe hanao ratsy ihany.zay hoa le mba teneniko hoe mba mijere ihany havia sy havanana
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.0522