Fihetsiky ny mpitondra ankehitriny mahalasa saina tokoa!!!

1. victime101 ( 13/06/2006 17:18)
Mampanontany tena tokoa ny zava-misy ankehitriny izay MAHAMENATRA ihany .Tany démocratique ve i MADAGASIKARA sa république bananiére toy ny any afrika?
Raràna ny fanehoana hevitra par téléphone @ radio .Miverina ny sivana @ ireo haino aman-jery sy gazety,tsy azo alefa à bord de AIR MADAGASCAR ny la gazette de la grande île.
Alefa tsy mandoa droit ny film MAHALEO ao @ MBS .
Variana @ mondial ny olona dia asondrotra ny lasantsy sns...
Efa tafahoatra loatra ny ataon'ny mpitondra ankehitriny raha dinihana @ saina tsy miangatra ,ny propagandy efa akaiky kanefa raha felahina ny tehamaina toy izao ny vahoaka Atra tsy andrinareo mbà andrinay ihany ry mpitondra !!!
répondu par Fiffi le 18/06/2006 15:19
2. riam ( 13/06/2006 18:08)
Mety marina ny anao fa maninona ianao no manavakan'i Afrika sy i Madagasikara. Madagasikara anie ka Afrika ihany e.
3. Fiffi ( 13/06/2006 19:00)
-nga ny mpitondra no mampiakatra ny vidin'ny lasantsy raha variana mijery mondial ny olona ?
-nga ny mpitondra no nandefa ny film ao @ MBS ?

-Mampalahelo n y zavatra mitranga nefa inona no azo hatao eh ? inona hono no mba hevitr'i victime101 tokony hatao ?
4. arson ( 14/06/2006 07:06)
marina mitsy zany ry fiffi nga avy aminy no mampiakatra ny solika fa efa hatrany amppotony ireny,mba manara-baovao ve e!otrinona kosa zao ny baril de isika indray ve no hivarotra mora @ izany tsy vao maika handavo ny firenentsika!
zao fotsiny e mahaiza mifidy de mety ahazo olona hafa eo indray e!fa tandremo sao fatrampifidy eo ko ahazo ny njola!
5. nahud ( 14/06/2006 07:09)
victime101:

Mampanontany tena tokoa ny zava-misy ankehitriny izay MAHAMENATRA ihany .Tany démocratique ve i MADAGASIKARA sa république bananiére toy ny any afrika?
Raràna ny fanehoana hevitra par téléphone @ radio .Miverina ny sivana @ ireo haino aman-jery sy gazety,tsy azo alefa à bord de AIR MADAGASCAR ny la gazette de la grande île.
Alefa tsy mandoa droit ny film MAHALEO ao @ MBS .
Variana @ mondial ny olona dia asondrotra ny lasantsy sns...
Efa tafahoatra loatra ny ataon'ny mpitondra ankehitriny raha dinihana @ saina tsy miangatra ,ny propagandy efa akaiky kanefa raha felahina ny tehamaina toy izao ny vahoaka Atra tsy andrinareo mbà andrinay ihany ry mpitondra !!!

Aody e!
Mihevitra fa ry zareo irery no mahay eto @ tanana. Fahadisoana ho antsika gasy ny 2002 olon'ny fo loatra isika ka mora tamin'izy ireo no mamadika ny nifanarahana.
NY mpanolotsain'ny filoha dia saika vazaha avokoa izany hoe ireo 75% ny manampahaizana tsy mahita asa any aminy. Ny zava-misy any an-dafy tsy zava-misy eto ary ny zavatra nahomby tany afrika mety tsy ahomby eto.
Tsy mahay ny gasy fa ny vazaha ihany no mety, izao no vokany, ireo deba ao à fitondrana koa saika ry be diplaoma avy an ampita dia manindry.
ZAY fa vemoa e

6. mandrindra ( 16/06/2006 14:27)
fiffi sy arson, raha mividy lasantsy aty ivelany mivoaka raffinerie (eto eoropa io) dia 0,065 € ny vidiny. dia ahoana no efa mahatratra 1€ ny vidiny ho an'ny mpanjifa?
raha oharina amin'ny vidiny aty frantsa dia mitovitovy fa tadidio anie fa raha 1€ ny litatra aty frantsa dia mihoatra kelin'ny 80 cents ny TIPP alain'ny fanjakana e. ka raha toy izay koa ny any madagasikara dia azon'ny fanjakana atao soa amantsara ny mampidina ny vidin'ny lasantsy amin'ny fanenana ny hetra.
7. Fiffi ( 18/06/2006 15:19)
mandrindra an! eny eh! manaiky an'izany aho fa saingy kosa hoe le filazany ny hoe variana @ mondial ny olona de hampekarina ny vidin'ny lasantsy. Ka io ange rehefa hiakatra de miakatra fa tsy hiandry hoe tonga ny mondial de hampekarina eh!
Raha izany zany de @ rehefa hifarana ity mondial ity de sur fa tsy ho hampekarin'ny fanjakana intsony ny vidin'ny lasanty jusqu'en 2010 ? satria dans 4 taona indray vao misy ny mondial.
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.3671