FA TANY MIADY VE I MADAGASIKARA?

1. petsambava ( 11/06/2006 18:39)
Raha ny zava-misy hita ankehitriny aloha dia toy ny tany avy niady ny gasy ara-ékonomia ,tsy nisy bomba na fifampitifirana fa dia nopotehina t@ ambo-po pôlitika ny toe-karena malagasy.
EFA HITA IZAO FA MAHANTRA dia MBOLA BE NY MAFY LOHA SY MANAO POLEMIQUE !!!
TSY MIPITRAPITRA MAMPALAHELO FA MIVANDRAVANDRA MAMPITAHOTRA!! manoloana ny mpamatsy vola, ka aiza moa no ho tafita firifiry ireo firenena avy nivoaka t@ ady antrano sy ny hanoanana no mbola ao alohatsika :ETHIOPIE, NIGER, SALVADOR ,TCHAD...tadidio fa @ izao fotoana dia avy 4 heny ny SMIG raisin'ny afrikanina 1 par rapport @ gasy.

RAHA TOA KA DISO NY TENIKO ARIO ...amin'ny anaran'ny ray sy ny zanaka ary ny fanahy masina AMPIO ry ZANAHARY AO AMBONY NY MALAGASY FA MIJALY DIA MIJALY TOKOA NA ARA-BATANA NA ARA-TSAINA!! AMEN
répondu par prime le 17/08/2006 12:28
2. Herimiafina ( 11/06/2006 18:45)
Inona ary no sosokevitr'i petsambava raha izany e!
tokony ho any izao isika no handinika izao fa efa fantatra daholo ireo fijaliana rehetra ireo!
3. Fiffi ( 11/06/2006 18:56)
ka zay indrindra manko , efa ia no tsy mahafantatra an'ireo ? saingy inona ary no azo hatao ?
4. soanja ( 12/06/2006 12:42)
Mafy noho ny baomba nipoaka na nalatsaka tamin'ny firenena iray ny Fanjanahan-tany. Ireo fijaliana dia vokatry ny fanjanahan-tany daholo ny ankamaroany.
Tsy hiraviravy tanana anefa isika fa ataovy izay mba ezaka vitanao ho an'ny firenenao dia ho hitanao fa hisy masoandro hihiratra kely rehefa afaka .... (20 taona ve?)
5. toovs ( 12/06/2006 15:48)
[quote=soanja]
Mafy noho ny baomba nipoaka na nalatsaka tamin'ny firenena iray ny Fanjanahan-tany. Ireo fijaliana dia vokatry ny fanjanahan-tany daholo ny ankamaroany.
Tsy hiraviravy tanana anefa isika fa ataovy izay mba ezaka vitanao ho an'ny firenenao dia ho hitanao fa hisy masoandro hihiratra kely rehefa afaka .... (20 taona ve?)
[/quote=toovs]

mila ny mpitondra hahay hametraka politique économique favorable amin'ny zava-misy izay vao ho tafavoaka io. Fa matetika ny mpitondra eo de manao be marenina satria mety manana complexe hoe izy ve no mitondra de olon-kafa no hiseho milay hahavita zavatra eo. Ny zavatra ataon'ny tsirairay ange eo ihany fa ny tena izy de ilay mésure macro avy any amin'ny fanjakana e. Na hiasa sy hitady vola hoatra ny omby ary enao refa ny macroéconomie no tsy mandeha de 30 euro foana ny SMIG an'izay mpiasa eo.
6. toovs ( 12/06/2006 16:07)
de avy eo koa raha mikasika ny production primaire indray de tsy dia ny fanampiana ny tantsaha intsony no tokony hojerena fa izay azo anampiana ny olona izay afaka na koa te hanao exploitation agricole lehibe izay farafahakeliny mba 50 ha raha vao manomboka. izany rehetra izany dia mila fiarahamiasan'ny banky sy ny fanjakana vao tafa satria afaka manana matériel matanjaka sy bobaka ny mpamokatra amin'izay de afaka ho azy mampitombo ny chiffre d'affaire-ny izy.
raha tanimbary sy tanimboly kely hoatra ny zaridaina foana no itadiavam-bola sy ivelomana de na de haniry nify aza ny akoho de na mahita bénéfice 30% amin'ny asa famokarana ataonyt ary ny mpamokatra de tsy ho volabe hampivoatra ny fari-piainany mihitsy izany tombony izany.

izay indray aloha fa ampiadio ny resaka raha mazoto ianareo e. de mifamalivaly resaka eto isika ka ny farany ve tsy mba hisokatra daholo ny sain'ny rehetra

7. soanja ( 14/06/2006 15:35)
[/quote=toovs]

mila ny mpitondra hahay hametraka politique économique favorable amin'ny zava-misy izay vao ho tafavoaka io. Fa matetika ny mpitondra eo de manao be marenina satria mety manana complexe hoe izy ve no mitondra de olon-kafa no hiseho milay hahavita zavatra eo. Ny zavatra ataon'ny tsirairay ange eo ihany fa ny tena izy de ilay mésure macro avy any amin'ny fanjakana e. Na hiasa sy hitady vola hoatra ny omby ary enao refa ny macroéconomie no tsy mandeha de 30 euro foana ny SMIG an'izay mpiasa eo.

[/quote]
Marina dia tena marina izany resahinao izany saingy miankina aminao ny mifidy ilay mpitondra hitondra ilay firenena.
Amiko miantomboka amin'ny tsi-1-1 ny fanavaozana. Azonao atao tsara manome hevitra ny olona hoe iza izany ilay mpitondra mety hitondra antsika amin'ireo torohevitra nomenao ireo ary inona action ho ataonao manoloana an'izany mba hahatafita ilay tanjona izany hoe fanentanana ny olona hifidy ilay tianao ho eo.
Ankoatr'izay dia ny fanatsarana ny eny ambanivohitra no ataoko satria hitako mila education ny any mba tsy ho voambaka.


8. prime ( 17/08/2006 12:28)
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.9914