«Enjeho Ratsiraka !»

1. Fiffi ( 08/06/2006 07:09)

Nitondra fanampim-baovao Ingahy Ratsimba Georges Sylvain mikasika ny lahatsoratra nivoaka teto omaly. Mikasika ny famotsoran-keloka moa no nambarany ary nanipihany fa tsy tokony hisy na hatao izy io.

Nitondra teto ny Amiraly Ratsiraka, hoy izy, nampihariny ny lalàna ka nogadrainy ny manamboninahitra toa an-dry Rakoto Abel, Andriamaholison, ny mpandraharaha Gaston Ramaroson sy ny hafa. Torak’izany koa, hoy hatrany ity mpanao pôlitika ity, tokony hampiharina amin’ny rehetra ny lalàna. Isan’izany ny fanenjehana ny Amiraly Ratsiraka izay fantatra fa ati-doha nibaiko na tompon’antoka tamin’ny barazy ary nahatonga ny korontana teto amin’ny firenena tamin’ny raharaha 2002 ireny.
La Gazette de la Grande Ile
répondu par gaba le 17/08/2006 10:25
2. Fiffi ( 08/06/2006 07:12)
Fiffi:

Nitondra teto ny Amiraly Ratsiraka, hoy izy, nampihariny ny lalàna ka nogadrainy ny manamboninahitra toa an-dry Rakoto Abel, Andriamaholison, ny mpandraharaha Gaston Ramaroson sy ny hafa. Torak’izany koa, hoy hatrany ity mpanao pôlitika ity, tokony hampiharina amin’ny rehetra ny lalàna. Isan’izany ny fanenjehana ny Amiraly Ratsiraka izay fantatra fa ati-doha nibaiko na tompon’antoka tamin’ny barazy ary nahatonga ny korontana teto amin’ny firenena tamin’ny raharaha 2002 ireny.
Nga koa moa ireo fotsiny hiany no zavatra tsy nety nataony ? Mendrika ho an'ny mpanao ratsy rehetra ny lalàna......


3. Ragadona ( 08/06/2006 09:13)
Tsy hoe manohana ny ratsy nataony aho saingy aoka tsy harary fo fahatany amin izany isika fa hanenjika aloka raha hitady an dRatsiraka. Raha azo natao efa vitan dRa8 tao anatin ny 4taona fa matoa tsy misy engagement goavana atao momba an izany dia ao antony. Mba hankaherezana ny olona dia mba tenitenenina eny ihany le izy. Sady raha misy dia efa après 20 ans, izy nefa efa plus de 7o ans ...
4. Fiffi ( 08/06/2006 09:20)
Ragadona: raha ny taona aloha de tsy misy olana io an! jereo fotsiny ny nahazo an'i papin !
Fa asa raha fika daholo fotsiny koh zany . Fa na izany aza aloha marina hiany ireo voalaza ireo anaty gazety io an! hoe ny lalàna de tokony ho an'ny rehetra...
5. mandrindra ( 08/06/2006 09:42)
marina izany ragadona a. aleo manatrika izay mety hampandroso toa izay varina manenjika an'i lery eo fotsiny. alefaso tribonaly dia avoahy ny didimpitsarana na tsy any dago i lery dia basy. ny asa mampandroso no tokony atrehana.
6. Ragadona ( 08/06/2006 10:42)
Ny tiako holazaina amin ny resaka taona ange ry fiffi dia hoe raha afaka 20 na 30 taona vao hoafaka hitsara azy dia mba ampio an io isa io ny taonany amin izao dia tombatombano hoe mety ho aiza no misy azy amin izay amin ny maha olombelona azy ...
7. Fiffi ( 08/06/2006 14:10)
Ragadona: marina ny anao kah!
8. cazal ( 22/06/2006 07:11)
Tsy tokony homena izany famotsorakeloka izany mihitsy iny RATSIRAKA iny fa nanimba betsaka tany Dago, RAHA NANAO NY MARINA izy tsy nitsoaka tany fa niandry ny zavatra niseho sy niaro,
Efa fomba fanaony hatramin'ny 1991 ny mitsoaka ka rehefa mahafeno ny paosiny izy dia mihinana izany aty ivelina izy mianakavy.
Rehefa misy fifidianana dia mody miverina any indray hihinana ny volambahoaka. MODY MIADY IZAO IZY SY PIEROT RAJAONARIVELO fa izay angamba no tetika hitany NEFA TSY VOAFITAKANY AMIN IZANY NY OLONA.
9. Fiffi ( 22/06/2006 11:37)
tsy sahy hiverina any zany io ! sady efa hantitra be !
10. jajaf401 ( 23/06/2006 11:57)
Sady aty tsy misy zavatra ilàna azy intsony eh!
Fa hoe "ati-doha nikotrika ny fanimbana zavatra t@ 2002" , tsy izy irery fa samy nanao izay fantany ny olo jiaby t@ io;
ary raha hanenjika azy isika de tsy hisy zavatra vanona fa hanary fotoana fotsiny de tsy vitan'izay fa mbola hiitatra hatrany ny tantara, de hitady koa izay namono olo toy i Ratsimandrava; de mbola hitady koa vazaha izay najanaka gasy t@ fahiny; ehhhhh
Ho lany andro, fa tokony ho any @ fandrosoana no ianteherana, fa @ izay ny retraretra manao tsy rariny mipetraka eo an-dalana dia zay no enjehina fa tsy ny tany afara @ efa lasa akory; !!!!!!!!!!!
11. kally ( 23/06/2006 14:16)
Anontanio Ingahy Chirac fa izy no mpampialokaloka sy mpiaro azy any. Ireo mpanao didy jadona rehetra eto ambonin'ny tany akamany daholo.
12. Fiffi ( 24/06/2006 06:56)
ka ahazahoany tombontsoa koh!
13. dadabe ( 24/06/2006 10:26)
ary maninona ilay hafatra 2 ery ambony no Fiffi no mamaly nefa Fiffi inndray no mamaly de tsy azoko , sa ....misy Fiffi 2??8O
Mpandefa : Fiffi [ Valio ] 08-06-2006 12:12:56
Lohateny : Re : «Enjeho Ratsiraka !»
Hoy i Fiffi:

Nitondra teto ny Amiraly Ratsiraka, hoy izy, nampihariny ny lalàna ka nogadrainy ny manamboninahitra toa an-dry Rakoto Abel, Andriamaholison, ny mpandraharaha Gaston Ramaroson sy ny hafa. Torak’izany koa, hoy hatrany ity mpanao pôlitika ity, tokony hampiharina amin’ny rehetra ny lalàna. Isan’izany ny fanenjehana ny Amiraly Ratsiraka izay fantatra fa ati-doha nibaiko na tompon’antoka tamin’ny barazy ary nahatonga ny korontana teto amin’ny firenena tamin’ny raharaha 2002 ireny.
Nga koa moa ireo fotsiny hiany no zavatra tsy nety nataony ? Mendrika ho an'ny mpanao ratsy rehetra ny lalàna......
:roll:
14. Fiffi ( 24/06/2006 10:47)
:roll: heu....mety zah no nanao hadisoana ry dadabe an!
15. ninonati ( 13/07/2006 21:09)
Raha mbola teo aza izy mianakavy de tsy maintsy mandady rehefa mandalo ry zareo na manoloana anao izy soa ihany"poa" aza hitako any izany . Na tsy enjehina aza anie izy efa conard miongam-potsiny e ka iza no handany andro amin'izany . Tsy efa naniry tandroka izay i lery :-D
16. gaba ( 17/08/2006 10:25)
MM AVIS QUE RE.
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0716