Tsolotra , écolage,...inona re no tena teny mety e?
1. OLPolonaleopolitika
(
30/05/2006 13:34)
Tsolotra,écolage,hasintanana,piston,tsolotra,pitika,...teny daholo izany momba ny corruption izay mambotry ny firenena mandrak'izao
répondu par Fiffi le 04/06/2006 04:03
2. Fiffi
(
30/05/2006 13:48)
De mivavaha mba hisian'ny fahamarinana , mba hitsahatra ireny rehetra ireny .
3. Fiffi
(
30/05/2006 13:49)
Marina fa mafy ny fiainana fa tsy hatao mahakivy zany fa mbola hisy farany avokoa izao zavatra rehetra izao.
5. Fiffi
(
31/05/2006 03:47)
cutie: ka inona ary akia no azo hatao ? tsy misy olona mihetsika fa samy be menomenona daholo fotsiny , raha mba nisy manko ny firaisankina hoe andao hanaitra kely fa tafahoatra loatra izao zavatra tsy rariny rehetra izao .
Ny olana koh manko de ny olona no manaiky hanome tsolotra zany eh!

8. johnny
(
01/06/2006 08:27)
zany eo ihany fa mbola misy goavana noho ireo, dia ireto :
1) ny findramam-bola any ivelany hamelomana olona vitsy an'isa ao tsimbazaza, ao anosy, ao mahazoarivo sy ny ondry manodidina azy, ao imavoloha sy ambotsirohitra, ao ambohidahy, any amin'ny masoivoho rehetra maneran-tany. ary ireo olona ireo dia miaina tsara lavitra noho ny olom-boafidy sasany aty ivelany. azo lazaina hoe migalabona ao anaty vola mirara-kopana sy harena tsy nisasarana ary manao izay danin'ny kibo.
2) ny findrama-bola isaky ny hakatokin'ny fifidianana mba hamafazana lainga sy habobo mba hanapenana hatrany hatrany ny mason'ny malagasy efa jamban'ny fahantrana sy ny tsy fisiana. ka tsy manam-potoana hieritreretana izay hatao intsony ka mitsambiki-mikipy sisa no azo atao na hady mangitsokitsoka aza no maindry ao ambany.
3) ny firaviravin'ny mpitondra tànana manoloana ny tantsaha mpamokatra izay mitady tosika fatratra mba hanome hery azy hamokatra bebe kokoa hifanaraka amin'ny hery mivoaka ilain'ny asa atao. fa aleony manafatra vahiny izay lazaina hoe mpampiasa vola hanambaka sy hitsetsitra ny hatsembohan'ny mpiray tanindrazana aminy hampitsoaka azy ireo any an-tsahany izay vao maika mampitombo ny fahasahiranana noho ny fidinan'ny famokarana eto an-toerana ka mahatonga fanafarana entana avy any ivelany hampivoaka ny vola vahiny kely teo am-pelatànana.
4) ny fanafarana vahiny hampiandraketana toerana sasany ao amin'ny orin'asam-panjakana (toy ny jirama) izay karamaina lafo dia lafo tokoa mihoatra ny matihanina vahiny miasa any an-taniny...
izany hoa ny tena mampahantra an'i madagasikara sy ny gasy dia ny fifian'ireo jiolahy mihaja ambony latabatra izay manao an'i madagasikara ho loharano fanovozan-karena sy manao ny fanananam-panjakana toy ny mpaiso an-kady ka izay mandalo samy mameno ny paosiny sy ny harony!

10. prime
(
02/06/2006 11:12)
Mahery ianao ry Fiffi a!:-D:-D:-D:-D
Aretina mikiky sarotra sitranina...
Ny tena efa noana tsy mahita hohanina...
Ndao ampiana ny ady amin'ny kolikoly...
Dia ajanony hatreo ny mifanangoly...
:-P