Majunga ve ???????

1. mbolatsara ( 29/05/2006 13:14)
Bonsoir !!!

Mangataka tononkira azafady !!!!

Majunga ve ???

Hira kalon'ny fahiny io hira io,ilay misy hoe ,
inona no hiraino ô !!
iza no tanataraina

Avaratra andrefana
no misy azy izay ,
iza ra fantarao ,
zovy ka mba lazao ,
toerana manadaza, re roy


Misaotra indrindra tompoko!!

répondu par Andii le 05/06/2006 04:59
2. Fiffi ( 29/05/2006 13:18)
le misy hoe : Majunga aaaa !! Majunga aaaaaaa!! Majunga aaaaa....miandry anao hikorana....... ?
3. MTN ( 29/05/2006 13:46)
Vao notapeko teo ity dia tsy haiko raha misy diso tsipelina. Dia misy tsy azoko kely eo amin'ilay hoe Betsiboka ... dia ialana tsiny koa fa tsy misy accent ny clavier.
4. MTN ( 29/05/2006 13:47)
Ho any Mahajanaga vetivety

Inona no hiraina o
Iza no tantaraina
Tanana iray izay efa fantatra
no aoka andeha hatao ankamantatra
Avaratra-andrefana anie no misy azy izay
Iza raha fantatrao lazao
zovy ka mba lazao
Toerana manan-daza reroy eh
kely kanefa tena tsy fohy
Ny tokotany sarotra ialana
izay vahiny mora tamana

Iza raha fantatrao ambarao
zovy ka mba lazao
Izy no Majunga majunga ve fantatro fa katsaho

Inona no hiraina o
Iza no tantaraina
Tanana iray izay efa fantatra
no aoka andeha hatao ankamantatra
Avaratra-andrefana anie no misy azy izay
Iza raha fantatrao lazao
zovy ka mba lazao
Toerana manan-daza reroy eh
kely kanefa tena tsy fohy
Ny tokotany sarotra ialana
ireo vahiny mora tamana

Iza raha fantatrao ambarao
zovy ka mba lazao
Izy no Majunga majunga ve fantatro fa katsaho

Ny ranon'i Betsiboka
Misosa ka manotoaka
Ambadik'ialay kejepy
Miody manjepizepy
Mandrakotr'ilay tanana
ny herin'ny hafanana
Ny hatsika mamirifiry
Tsy mba fahita firy

Izany diavolana any re ry lahy eh
Mamohafoha saina sy fanahy
andefa vetsovetso miampita
Any Iarivo ilay tsy hita

Iza raha fantatrao ambarao
zovy ka mba lazao
Izy no Majunga majunga ve aoka fa fantatrao
5. Fiffi ( 29/05/2006 15:26)
fa iza kay no mihira an'io ?
6. MTN ( 29/05/2006 16:12)
Solika
7. Fiffi ( 29/05/2006 18:01)
8. Andii ( 05/06/2006 04:59)
RR Majunga no tompon'io hira io. Manana ny mp3-n'io aho, ilay version originale izay mila. Kanefa aty dago no misy ahy an!

@ faran'io hira io misy hoe:
"Izy no Majunga, majunga ve? aoka fa fantatrao"
dia somary ovaina kely hoe:
"Izy no Majunga, majunga ve? fantatro tuléar a!"
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0865