miaramila iray maty voiatifitra teny antsonjombe omaly

1. ravatorano ( 22/05/2006 08:51)
ANTSONJOMBE -Miaramila iray maty voatifitra
Maty voatifitra ilay miaramila tsy nanao fanamiana.

Miaramila iray, araka ny vaovao marim-pototra voaray teny anivon'ny etamazaoron'ny tafika malagasy, no maty voatifitry ny polisy teny Antsonjombe, omaly antoandro. Nandritra ilay lalao ara-panantanjahan-tena nanatanterahina ny savika teny an-toerana no nisehoan' izany fifanjevoana izany.
Araka ny fanazavan'ireo nanatri-maso, dia nanohitra ireo polisy nanao ny fandaminana teny an-toerana ity miaramila ity. Nanambana basy ny polisy ary rehefa tonga ireo hisambotra azy dia iny izy no lasa nilefa. Nanaovana tifi- danitra mba hijanona, nefa dia mbola nandositra ihany no sady nanapoaka ny basiny. Polisy iray nanao ny asany teny an-toerana
no voatifiny tamin'izay, ny brigadier Randrialahisoa
Simon, (polisy avy ao amin'ny FIP). Voa teo amin'ny tratrany havia izy ity polisy ity ary naratra mafy, tsaboina eny amin'ny hopitaly miaramila eny Soavinandriana amin'izao fotoana izao.
Voalaza fa nanao fanamiana sivily ity miaramila ity tamin'io fotoana io. Tsy nisy nahafantarana azy ho miaramila. Fantatra ihany koa teo amin'ny fisavana ny karany fa miaramila avy ao amin'ny fiadidiana ny filohan'ny repoblika izy.
Nihanika
Avy tamin'ny fihetsika nataon'ilay tovolahy mpijery, izay nosoritan'ireo nanatri-maso teny an-toerana, fa saika hiditra an-keriny tao amin'ny valan'ny savika, no nipoiran'ny raharaha. Niakaran' ity tovolahy ity mantsy ilay vala. Nifampisintonin'ny namany izy hidina. Ny mpijery tetsy andanin'izay, somary nisahotaka kely nentanin'ny lalao nandeha, nihananatona ny vala. Tonga ny polisy nandamina, nanakisaka ireo mpijery. Ireny "baton éléctrique" ireny no nampiasain'ireo polisy. "Tao anatin'ireo mpijery nalamina ireo ity miaramila ity, hoy ireo vavolombelona nanatri-maso, ka asa raha voakasik'ilay fitaovana izy na ahoana. Izay no nampisendoatra azy ka namoahany ny basy teny am-balahany, nanambanany an'ilay polisy". Taitra ihany koa anefa ny olona tetsy andanin'izay ka niantso ny polisy namany ary teo no nisehoan'ilay fifanjevoana. Bala telo no nahavoa an'ilay miaramila.
Nosamborin'ny polisy nanaovana fanadihadiana moa taorian'izay ireo olona efatra niaraka taminy : ny rahalahiny roa sy ny sakaizany ary namany iray.
Tsy nanakana ny lanonana tsy hitohy moa izany fisehoan-javatra izany.

Nirina Rakotoson
22/05/2006 l'express de madagascar
répondu par benito le 04/06/2006 23:19
2. Fiffi ( 22/05/2006 09:05)
mba gravy koh izany an! miaramila voatifitrin'ny polisy ?
3. caprio ( 22/05/2006 10:25)
mampalahelo ny zava-nitranga indrindra fa hoanireo sakaiza sy rahalahy niaraka t@ilay miaramila maty satria hiala voly no nivoahana dia faty no hita.ho an,ireo polisy sy ilay miaramila maty izay nifampitifitra indray dia hita fa samy tsy mahay ny asany izy ireo ary tokony ahazo sazy zany ireo polisy nitifitra satria tsy @ fisehoan-javatra tahaka izany mihintsy no ampiasainao ny basy ,amiko mantsy dia raha namoaka basy aza ny andaniny ka tsy nitifitra na nahafaty olona dia tsy tokony amoaka basy koa ny ankilany fa mino aho fa ireto polisy ireto koa dia nentin,ny fidedadedahana sy fisehosehoana ka avy antrany koa dia mba namoaka basy dia izao no vokany tsy hita ao anatin,ny bokin-dalànan,ny polisy mintsy io koa samia mandika daholo @ sisa e
4. zandikely ( 22/05/2006 12:38)
Tsy haiko raha zaho tsy mahazo io resaka io na ahoana fa araka io voalazan'ny gazety io dia ilay miaramila no tsy nanaradalana:
-Nanohitra ireo polisy - Nanambana basy izy
-Nandositra nampiasa izy nitifidanitra ny polisy mba ampijanona azy.
-Nitifitra polisy izy ary nandratra polisy
-Izay vao nitifitra ny polisy

Tsy hitako ny tokony hanomezana tsiny ny polisy amin'izany satria efa nanao ny fihetsika rehetra mba ialana amin'izany fifampitifirana izany ihany ny polisy, sady maro koa ange miaramila miseho ho tsy mpanaradalana. Amiko tsy misy fahadisoan'ny polisy izay.

Na izany na tsy izany mila fanadihadihana ihany izany rehetra izany.

5. Fiffi ( 22/05/2006 12:47)
mila fandinihana marina!
6. naej ( 22/05/2006 13:03)
Ny fo ranomafana fa mba tandremo ihany ry namana isany, raha mba nandefitra kely fotsiny zao ilay miaramila tsy niafara tamin'izao , ny tendri-po ange tsy mba namana e!
7. Fiffi ( 22/05/2006 13:43)
fa na izany kosa aza aloha de ny zavatra mahagaga ahy de ny polisy contre ny miaramila ? tsy tokony hiara miasa ve ry zareo eh ?
8. Herimiafina ( 22/05/2006 16:07)
Ary raha mangalatra sy mamono olona ny miaramila na ny polisy ry Fiffi dia mbola asiana fiaraha-miasa ihany ve? :@
9. xxx ( 23/05/2006 11:11)
Tena marina ny an'i herimiafina ,ilay fiaraha-miasa angamba mba jerena ihany hoe @ lafiny inona fa tsy handroso mihitsy isika amin'ity matikenamaso lava ity,rehefa vandana rangahy dia kary a! na samy tafika na samy mpiasam-panjakana na samy ...fa rehefa voadona moa dia mampalahelo foana amintsika gasy olon'ny(l)
10. Fiffi ( 24/05/2006 03:42)
ka inona anefa ny tanjon'ny polisy sy ny miaramila ? moa ve tsy ny fiarovana ny olona ? moa ve tsy ny fiaraha-miasa zany ? saingy ry zareo indray no mifampitifitra ! :roll:
11. benito ( 04/06/2006 23:19)
visage pal contre an dry geronimo ko zany film zany
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1581