Mahamay...hira iray atolotro @ izao 13 mai izao

1. OLPolonaleopolitika ( 13/05/2006 14:14)
1-Misavorovoro tsy mety milamina ity GASIKARA!
marary tsy mety salàma ka manalasàla

Marasily,sivily,bôdega,prà te hitondra volant.
te hifaninana hitondra ny tany avokoa ry zalahy!

Izay voky dia lasa satria efa tafita elaela tsy hita
mihainohaino fifidianana ho avy izy dia mitsoriaka

Ataoko ny atsy ho vitaiko ny aroa tsy hita izay marina
ny atsy sy aroa mbola tsy misy vita ny aroa no takarina

Izahay raha miteny tsy hoe mitsikera na koa mankahàla
fa efa leon'ny fitaka lava sy fampanantenàna

Nataoko ihany ny hoe tsy hiteny kanefa efa milentika tsy tafavoaka
Ilay Gasikara tsy an'olon-drery fa ny fahefàna dia ho an'ny vahoaka

Ny olom-bitsy no manjakazàka
mandravarava sy mpaméla ratra
mpiray petsapetsa mpanao kom-beraka
mitehatehaka mitoto helaka
mimenomenona ny iray tanàna
tsy misy intsony ny fanantenana
fampanantenana tsy misy tanteraka
AMBATOBEVOKA tsy mety miteraka


MAHAMAY O.. MAHAMAY A...

2-Manakoako malàza any am-pita ilay fahantràna
ka nanararaotra nanangon-karena tokoa ny karàna

manangana trano manao orin'asa ary mahay mifandray
izy daholo no manjakazàka @ ireo magazay

Vahiny maro mifangaroaro dia miditra ety
maro @ izy ireny no mirôzirôzy tsy misy anton-dia

Fa angaha izy ireny raha misy olon-dratsy dia manana tandroka
mpitsoam-ponenana ,mpanao affaire ,mpanao vola sandoka

Nataoko ihany ny hoe ny tsy hiteny.....

MAHAMAY O.. MAHAMAY A....:idea:

répondu par prime le 26/05/2006 09:41
2. Fiffi ( 13/05/2006 14:36)
Raha ny ahy indray ny zavatra hatolotro @ izao 13 Mai zao dia ny mivavaka ho an'ireo namoy ny ainy t@ le 13 Mai io. Ary manaja koa!
3. Optik ( 13/05/2006 16:39)
Ekeko fa misy marina ny zavatra lazain'i OLPolonaleopolitika ; saingy tsy azoko hoe inona no vokatra kendreny @ reo zvt lazainy reo.
@ vanim-potoana toy izao,ezaka dia avy @ tsi1-1 no tadiavina mba hamelona aina an'i Madagasikara. Am'zay de mendrika antsika rehetra ny rà nalatsak'ireo ty tanindrazana!
Ny resaka manakivy sy mamono fanantenana toy izao tsy fanao.
4. Fiffi ( 13/05/2006 17:13)
Optik:
saingy tsy azoko hoe inona no vokatra kendreny @ reo zvt lazainy reo.
@ vanim-potoana toy izao,ezaka dia avy @ tsi1-1 no tadiavina mba hamelona aina an'i Madagasikara. Am'zay de mendrika antsika rehetra ny rà nalatsak'ireo ty tanindrazana!
Ny resaka manakivy sy mamono fanantenana toy izao tsy fanao.
=D=D=D=D=D=D=D=D^:^^:^^:^^:^


5. Vanilla ( 13/05/2006 19:20)
BRAVO be ry OLPolonaleopolitika tena mahay ianao na dia ilay "creativity" fotsiny aza. Zavatra marina daholo ireo noteneninao @ io tononkalo ireo.
6. lamie ( 13/05/2006 19:42)
marina fa tokony efa ela no naely e! io koa ry leo politika an, oh ny infidelité misy @ mpivady ka ny cocu na cocue ihany no tsy mahalala a!
7. fijo ( 13/05/2006 21:11)
aza voany
8. Fiffi ( 14/05/2006 04:22)
izay indrindra
9. lamie ( 14/05/2006 08:43)
nde isika hanao fifaninanana poezia e!
ilay toerana no manan-daza, nahita zavatra io toerana io ka!zao izy nomena ny sahaza azy: zaridaina mahafinaritra, fofombonikazo no mameno azy, elle n'est pas belle la vie???
10. marozevo ( 14/05/2006 22:18)
Inona marina moa ilay fitaka nahazo ny Malagasy tamin'ny 13 mai 1972 ? 13 mai tena daty io.

Inona marina moa ilay fitaka nahazo ny Malagasy tamin'ny 13 mai 1991 ? Tsy daty io fa fotoana lava sy toerana.

Inona marina moa ilay fitaka mahazo ny malagasy amin'izao fotoana izao vokatry ny 13 mai 2002 ? Tsy daty koa io fa fotoana lava be sy toerana.

Iza no tena Mpamitaka ? Ratsiraka(nanongana an-dRamanantsoa sy Ratsimandrava) sa Zafy (nanongana an-dRatsiraka) sa Ravalomanana nofidian'ny vahoaka ?

11. Fiffi ( 15/05/2006 06:57)
marozevo:

Iza no tena Mpamitaka ? Ratsiraka(nanongana an-dRamanantsoa sy Ratsimandrava) sa Zafy (nanongana an-dRatsiraka) sa Ravalomanana nofidian'ny vahoaka ?
INONA NO TSY MARINA AMIN'IZANY ?
12. marozevo ( 18/05/2006 20:56)
Noheveriko fa i Sareraka aza io mamaly eo ambony io, ka taiytra be aho, kay i Fiffi ihany ! salama oh !
13. fijo ( 25/05/2006 20:45)
tsara le resaka ka
14. prime ( 26/05/2006 09:41)
Izaho kosa aloha mahamarika fa somary "négativiste" ihany no fahitako an'i OLP an!!! :lol:
Kanefa hevitra samy manana ny azy io.:?
Izaho indray dia mbola mino foana fa mbola tsy maintsy hisy ny fotoana hananan'ny malagasy ny anjara masoandrony @ izany fandrosoana izany ka hahatafarina antsika mandresy ny fahantrana.:P:P
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.0106