DIA MANGATAKA RE TOMPOKO O!...
1. sareraka
(
05/05/2006 17:16)
DIA MANGATAKA RE TOMPOKO O!
Nangataka tany Amerika
ka ny gasy rehetra voafika
dia lazaina fa hoe makaolioka
kanefa dia varin'aliaka
Nangataka tany @ CHIRAC
kanjo sendra ny akoho fantàka
ka ny ambava-fo dia voadàka
Nangataka tany Maurice
tonga hatrany SWISS
ka ny valin-teny dia hoe tsy misy
DIA MANGATAKA RE TOMPOKO O!
Nangataka tany Angleterre
tsy nahazo fa hoe be afera
Nangataka tany MAYOTTE
Tsy nahazo afatsy capôte
Nangataka tetsy sy teroa
nahazo ny je m'en fou!
Farany nanontany tena kosa
hay moa ity firenena ka bokan'ny trosa
1.500.000 fmg isam-bahoaka no tsy maintsy ilaina
na ny antitra efa andrasana hiala aina
na ilay zaza vao teraka androany androany maraina
Inona ary no tsy maintsy ho atao
ny fifidianana ity efa hitatao
aleo dia tsy maintsy hanao bodongerona
tsy maintsy arahina trerotrerona
dia mody manao androrosy
tsy maintsy handoa hatramin'ny mpitari-posy
Mangataha fotsiny ihany e!
KA INONA NO TSY MARINA AMIN IZANY!
Nangataka tany Amerika
ka ny gasy rehetra voafika
dia lazaina fa hoe makaolioka
kanefa dia varin'aliaka
Nangataka tany @ CHIRAC
kanjo sendra ny akoho fantàka
ka ny ambava-fo dia voadàka
Nangataka tany Maurice
tonga hatrany SWISS
ka ny valin-teny dia hoe tsy misy
DIA MANGATAKA RE TOMPOKO O!
Nangataka tany Angleterre
tsy nahazo fa hoe be afera
Nangataka tany MAYOTTE
Tsy nahazo afatsy capôte
Nangataka tetsy sy teroa
nahazo ny je m'en fou!
Farany nanontany tena kosa
hay moa ity firenena ka bokan'ny trosa
1.500.000 fmg isam-bahoaka no tsy maintsy ilaina
na ny antitra efa andrasana hiala aina
na ilay zaza vao teraka androany androany maraina
Inona ary no tsy maintsy ho atao
ny fifidianana ity efa hitatao
aleo dia tsy maintsy hanao bodongerona
tsy maintsy arahina trerotrerona
dia mody manao androrosy
tsy maintsy handoa hatramin'ny mpitari-posy
Mangataha fotsiny ihany e!
KA INONA NO TSY MARINA AMIN IZANY!
répondu par naej le 06/06/2006 07:42
2. Fiffi
(
05/05/2006 18:37)
KA INONA NO TSY MARINA AMIN IZANY!fa maninona kay no haverimberina foana ireo ? ka inona anefa no azo hatao ? hira koa anie io eh!
3. Lejim
(
05/05/2006 19:02)
Sareraka> Kely finoana loatra enao izany. Zah tsy milaza hoe: minoa fotsiny ihany an, fa juste hoe, tokony ho plus optimist kokoa isika amin'ny ho avin'ny Tanindrazantsika, mba misy espoir sy fanantenana fa tsy taraina sy tahotra lava ity ihany!
5. VIRGINIE
(
02/06/2006 09:11)
Atao ahoana e!efa izay no anjara-tsika Malagasy ,efa ratsy fototra hatrany am-piandohana .ka na iza hitondra eo ry "cutie" dia tsy hisy muracle io mon ami
6. prime
(
02/06/2006 12:05)
Izaho koa aloha mino fa mbola azo harenina tsara ny firenentsika e! maro ny firenena efa nandalo fahantràna toa antsika tao afrika, rotiky ny ady an-trano mihitsy aza fa mbola tafarina e! Raha tsy hiteny ireo firenena aziatika rotiky ny amerikana sy ny sovietika t@ fotoan'androny fotsiny aza... Izao lasa "petit dragon" daholo r'ilay kary...:lol:
7. naej
(
06/06/2006 07:42)
dia tsy hanantena ny hiarina mihitsy ve zany isika fa dia hionona @ atao ahoana fa izao ny anjara ? aza kivy ianao na mangataka aza aloha hatramin'izao satria aleo joko miha solanga toa izay solanga mihajoko.