prezidansy mada

1. ainaheri ( 23/04/2006 07:54)
ho avy ity ny fifidiana fa iza marina no hilatsaka ary oviana no atao??
répondu par fijo le 29/04/2006 21:09
2. Fiffi ( 23/04/2006 09:39)
ny hitako aloha dia ity:

Fifidianana ho filoha

Tombanana ho ny 5 novambra 2006

Taorian'ny fandalovan'ny SG-ny Firenena Mikambana Kofi Annan teto Madagasikara farany teo, dia mizotra amin'ny rivotry ny tsy ampoizina hatrany ny fiainam-pirenena eto amintsika, izay hita taratra amin'ny fifampiresahana eo amin'ny mpanohitra sy ny mpitondra.
Mihazakazaka ihany koa ny daty hanaovana ny fifidianana, ka na mbola tsy navoaka amin'ny fomba ofisialy aza dia tombanana ho ny faha 5 Novambra ho avy izao no hanaovana izany. Tsy dia fanapahan-kevitra avy eto amintsika izy io, fa toa misy fanerena avy any ivelany. Asa, mety handinika ny olom-panjakana ambony nandalo tamin'ireto firenena ireto farany teo toa an'i Congo isika izay noterena hanao ny fifidianana ho filohan'ny repoblika amin'ny volana jiona ho avy izao, ahitana kandidà 32. Ny an’ny « Côte d'Ivoire » terena hatao amin'ny volana oktobra, ary ny antsika io voalaza etsy aloha io.
Manana ny fahaleovan-tena madio mangarahara anefa i Madagasikara koa enga anie, raha mitombina io daty voalaza etsy ambony io, mba ho vokatry ny safidintsika malagasy fa tsy ho sanatria nisy fanerena avy any ivelany. Io datin'ny 5 novambra io dia andro alahady, kanefa ny FFKM dia nangataka mba tsy ny andro fibebahana alahady no hanaovana izany fifidianana izany fa atao andro alarobia ohatra toy ny efa natao tany aloha. Ny FFKM iarahantsika mahalala fa to teny eo amin'ny fanjakana ka mino ny rehetra fa handinika ny tena daty marina hampirindra ny fifidianana eto izy ireo. Ny CNE (filan-kevitra nasionaly momba ny fifidianana) dia efa nanombokanivory nandinika ny hanaraha-maso sy hampirindrana tsara ny fifidianana eto amintsika. Ny famoahana amin'ny fomba ofisialy ataon'ny tompon'andraikitra mifanandrify amin'izany ihany anefa no ahafahan’ny resaka miely isan-karazany ka ahitana ny tena marina momba ilay daty.
Naivo kely: Madagascar Tribune

3. dadabe ( 23/04/2006 13:07)
io ve tsy ho lasan-dravalo ihany e:°)
4. Fiffi ( 23/04/2006 13:50)
fa ho iza indray moa eh ?
5. Achia ( 23/04/2006 17:52)
I Rajonrinjato hasina pierrot ka :°)
6. rabaradaka ( 24/04/2006 06:02)
Lasan-dRavalo aloha ekeko fa mila mailo izy fa mandady ny trambo.
Rabaradaka
7. vetsoko ( 24/04/2006 09:14)
naivo kely a! ny fitondrana ankehitriny no maniry ny hirosoan'ny fifidianana aloha ,tombony ho azy raha novambra dia efa tairiny ny éléction.diniho
8. ainaheri ( 24/04/2006 09:53)
Saotra fa voavaly ny daty fa mpilatsaka fa mba iza eee??
9. soanja ( 24/04/2006 18:12)
Ny fanontaniako dia oviana isika aty an-dafin'ny ranomasina no mba afaka hifidy. Efa misy lalana mamolavola an'io ve sa mila miady ny zontsika isika vao ho tonga amin'io tanjona lafatra io?
10. ainaheri ( 25/04/2006 05:55)
Marina ny an'i soanja za ko mba mangetaeta an'zany,mety tsy afaka ngamba satria lay entimanana an'lay firenentsika no tsy ampy antantearahana an'zany!!
11. morsah ( 25/04/2006 21:01)
Tsy aleonareo ve izaho no fidiana @ izay reo gasy any an-dafy reo mihazakazaka mody daholo.

Mety hangalatra ihany aho fa kely. Tsy hameno paosy akory fa fefany ihany no alaiko d ampy ahy.

raha misy fameriny d omeko an'ile raika lahy taloha sa tsy izany!!!!
12. xxx ( 26/04/2006 00:49)
Tena efa anjaran'i Ndrema indray angamba izao na ny zanany lahy.
13. fijo ( 28/04/2006 18:54)
soanja,ilay vinavinan dalanam pifidianana vaovao novolavolain'ny CNOE,dia misy io andalana ahafahantsika aty ivelany mifidy io;ka asa na holany na ahoana?
14. avolenta ( 29/04/2006 11:15)
Za ko mitovy hevitra am morsah!! milatsaha ianao fa za no filohan'ny propagandy, tsy haka be ko a fa ataoko ze mety.
15. fijo ( 29/04/2006 21:09)
malalaka ny filatsahana e.
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0906