Ny mpanampy an-trano.

1. Fiffi ( 21/04/2006 16:04)
Nisy mpivady lasa tonga tany Dago ka raha nandeha namangy ity anabaviny ity lhl sy ny vadiny dia nohetin-hatezerana ity vadiny ka niteny hoe "tsy rariny kosa izao hataonao izao satria izao no hatao hoe "exploitation de l'homme par l'homme" satria nisy mpanampy an-trano mihisa 5 tao @ ity olona ity.
Lasa ady ny nihafaran'ny famangiana ny fianakaviana .
Lasa ny heritreritro hoe: ahoana moa izany ? inona ary no tokony nataon'io vhv io ?
-ireo olona noraisiny hanampy azy ao an-tranony dia tsy misy miasa , mivezivezy etsy sy eroa mba mitady izay sakafo ho hanina raha mahita satria tsy misy vola hividianana.
-ireo olona ireo dia sady nanana trano hihalofana , sady misakafo isan'andro no mandray karama.
-Inona zany no mba tokony hataon'io vhv io ? manam-bola izy ary afaka tsara manome ny karaman'ireo olona ireo.
-nalahelo mafy izy raha nahita ireo tovovavy mangataka .
-Tsy mety ve ny nataony mba tsy ahatonga ireo olona ireo (tsy fantatra fa nohon'ny maha-mafy ny fiainana mety hoe hangalatra sns.....) noho izany afaka tsara ry zareo hanangona ny karamany mba hanorenany ny fiainany aoriana .

Mety ve ny nataon'io vhv io sa diso izy noho izao nolazaina azy fa mpanao "exploitation de l'homme par l'homme" izao ?
répondu par xxx le 20/05/2008 13:07
2. piste ( 21/04/2006 18:18)
tsy mazava tsara ilay resaka.
3. kiali ( 21/04/2006 19:04)
te tsy mazava marina le izy! sa zah no tsy mahazo azy?
4. Herimiafina ( 21/04/2006 19:10)
Angaha tsy nisy contrat no tsy nisy karama?
Misy fifanarahana ao.

Ny mety ho olana dia ny hoe noterena hiasa ilay olona na nandevozina, na nohararaotina ny tsy fananany ka nahena ny karamany tsy arakaraky ny karama.

Loza marina fa zah koa izany no-exploiter-n'ila direkteranay tamin'izaho niasa raha io ramatoa nimenomenona io no henoina! hehehehe:-D
5. soanja ( 22/04/2006 02:16)
Fiffi:

Nisy mpivady lasa tonga tany Dago ka raha nandeha namangy ity anabaviny ity lhl sy ny vadiny dia nohetin-hatezerana ity vadiny ka niteny hoe "tsy rariny kosa izao hataonao izao satria izao no hatao hoe "exploitation de l'homme par l'homme" satria nisy mpanampy an-trano mihisa 5 tao @ ity olona ity.
Lasa ady ny nihafaran'ny famangiana ny fianakaviana .
Lasa ny heritreritro hoe: ahoana moa izany ? inona ary no tokony nataon'io vhv io ?
-ireo olona noraisiny hanampy azy ao an-tranony dia tsy misy miasa , mivezivezy etsy sy eroa mba mitady izay sakafo ho hanina raha mahita satria tsy misy vola hividianana.
-ireo olona ireo dia sady nanana trano hihalofana , sady misakafo isan'andro no mandray karama.
-Inona zany no mba tokony hataon'io vhv io ? manam-bola izy ary afaka tsara manome ny karaman'ireo olona ireo.
-nalahelo mafy izy raha nahita ireo tovovavy mangataka .
-Tsy mety ve ny nataony mba tsy ahatonga ireo olona ireo (tsy fantatra fa nohon'ny maha-mafy ny fiainana mety hoe hangalatra sns.....) noho izany afaka tsara ry zareo hanangona ny karamany mba hanorenany ny fiainany aoriana .

Mety ve ny nataon'io vhv io sa diso izy noho izao nolazaina azy fa mpanao "exploitation de l'homme par l'homme" izao ?

Amiko dia tsy mba misy asa ambany izany mihitsy na hoe ratsy raha afaka mampidi-bola ny olona iray ary afaka mamelona ny ankohonany amin'ny fomba tsara na ny nazahoana ny vola na ny ampiasaina azy saingy tsy ekeko kosa ny fampiasana zazakely ao an-trano. Mahazatra antsika any Dago io. Be ny tokatrano manao an'io indrindra fa zazavavy kely no betsaka mijaly amin'io. Zaza eo amin'ny 8 ka hatramin'ny 16 taona mbola tokony handeha hianatra dia ampiasaina ao an-trano. Amiko raha tianao hanampy anao ny zaza iray dia sady alefaso mianatra izy no manampy kelikely anao ao an-trano fa tsy izy no lasa manao ny tsy fanaon'ny ankizy rehetra io.


6. fijo ( 22/04/2006 03:19)
azo ihany le izy ry fiffi na dia somary misavoritaka kely aza le filaza azy.
za aloha mihevitra fa rehefa miasa ny olona iray dia efa dingana tsara iray izay.
saingy ,ilay fomba fampiasa olona any mada indraindray ,no mampanontany tena ahy.
7. Fiffi ( 22/04/2006 04:32)
tsy nahay nanazava tsara zah zany fa izao ary:
ireo ankizy vavy miasa ao @ io vhv io dia ankizy tsy nisy nianatra , mivezivezy etsy sy eroa , tsy mis miasa fa velona @ fangatahana , na mitady asa hiany ka manao izay hitany mba ahazahoany vola kely mba hivelomana ara-tsakafo.
Raha nahita ireo tovovavy ireo ity ramatoa dia ontsa ary naka azy ireo hiasa ao aminy , eny na dia 5 be zao aza satria voalohany aloha dia manambola izy ahafahany mampiasa ireo olona ireo no feno loatra ny halahelony nohon'ny fahantran'ireo tovovavy ireo.
Amin'izao fotoana izao dia sady miasa ireo tovovavy ireo , no misakafo isan'andro , no manan-kihalofana , no mandray karama.
-Nahavita nanampy ireo tovovavy ireo ary ity ramatoa ity nefa dia nolazaina hiany hoe "tsy rariny satria mampiasa olona ao aminy ka nataon'ity olona 1 ity hoe izao no hatao hoe exploitation de l'homme par l'homme"
Noho izany : mitombona ve ny filazana sy ny fitsarana ity ramatoa izay mampiasa ireo tovovavy ireo hoe mpanao exploitation de l'homme par l'homme izy ? sa mba azo deraina hiany izy fa mba nanavotra ireo tovovavy ireo ?
8. diamondra27 ( 22/04/2006 05:37)
azo deraina izy fa rehefa avy eo mifototra aminy io satria mety misy iray amin'ireo hamorona oe: zahay nataon'i madama an'izao sy zao etc.....

Tsy misy contrat izany io raha ny fahazoako azy ry HM a! fa mba hoe: fitsinjovana an'izy 5 vavy de nalaina nipetraka ao aminy de mba manampy le madama kosa no takalony.

Na de manampy olona izany ianao de tokony atao ihany ny taratasy fa tsy atao verbale fa voa eo foana ianao any aoriana any. Raha vao mano zavatra miaraka aman'olona mihitsy @izao fotoana de manao taratasy foana no mety e! FIAROVANA NY TENANAO IZANY
9. Fiffi ( 22/04/2006 06:57)
hoy soanja:
Amiko raha tianao hanampy anao ny zaza iray dia sady alefaso mianatra izy no manampy kelikely anao ao an-trano
misy mahavita an'izany ve ? @ izao fiainana efa tsy hita intsony izao izay hanaovana azy ?
Ireo olona mpanampy an-trano aloha dia ara-dalana avokoa ny taratasy an! ary tsy hoe mbola ankizy kely izy ireo , misy contrat koa ny fiasana satria ry zareo koa mahazo fotoana libra ny alahady afatsin'ny hoe raha manam-bahiny .
Ny tiako lazaina zany dia hoe mba tsara fanahy kosa io ramatoa io fa tsy misy idiran'ny hoe manao exploitation'ny olona ka nitsarana azy ary nahatonga ny fifamaliana ka nahalasa an'ireo olona nikarapoka varavarana!
10. zandrikely ( 23/04/2006 17:27)
fiffi : tena mety ny nataony nampiantrano ireo ankizy na olona ireo , fa ilay tonga avy aty andafy tsy malala akory ny tena dikany sy hevitrin'ny nandraisan'ilay tompontrano an'ireo olona ireo no mitsara nefa tsy malala ny antony , efa mety nanazava ihany angamlba ilay ramatoa tompontrano t@ ireto vahiny , fa ny vahiny no tsy malala na miseho milay , noroahako tao zany ra za no tongavana hamangy nefa hitsara izay ao antranoko no dia
11. Herimiafina ( 23/04/2006 19:28)
Marina ny an'i Zandrikely! Ny olana amiko dia tsy any amin'ilay asa antrano.
Fa raha hisy olana aza dia eo amin,ny resaka karama sy ny karazana asa hampanaovina ireto olona. manan safidy malalaka ve izy sa no-forcer-na, na ny RAR-ny na ny mpampiasa? Raha tsy misy izay na tsy matotra dai azo atao ny miteny fa misy exploitation na fanararaotana. :@
12. Fiffi ( 24/04/2006 04:08)
fa ilay tonga avy aty andafy tsy malala akory ny tena dikany sy hevitrin'ny nandraisan'ilay tompontrano an'ireo olona ireo no mitsara nefa tsy malala ny antony , efa mety nanazava ihany angamlba ilay ramatoa tompontrano t@ ireto vahiny
zandrikely: indrisy ! mba nanana fotoana ve hoy ianao io ramatoa io mba nahafahany nanazava hoe "inona no nahatonga azy haka ireo olona hiasa ao aminy ireo ?" tsy nisy azo nolazaina , tsy nisy fotoana nahazahoany nilaza na inona na inona fa tonga dia vava no azo. sady koa eo am-pisakafoahana no nitranga ny famaliana satria teo no nahitan'ny havana ireo mpanampy an-trano.
Fa raha hisy olana aza dia eo amin,ny resaka karama sy ny karazana asa hampanaovina ireto olona. manan safidy malalaka ve izy sa no-forcer-na, na ny RAR-ny na ny mpampiasa? Raha tsy misy izay na tsy matotra dai azo atao ny miteny fa misy exploitation na fanararaotana
Herimiafina: manana safidy ahoana hoy ianao ? ny tena tanjon'ny mpandray an'ireo olona ireo dia tsotra fotsiny: fanampiana , satria olona mangataka eny an-dalana , olona mitady sy mangataka @ mpandalo raha misy asa azon'izy ireo hatao , naha-hontsa ity ramatoa ity izany ka dia nandray azy ireo no nataony. Raha jerena kosa hoe inona no karazan'ny asa hampanaovina azy: tsy "entreprise" akory no hampiasaina ireo olona ireo fa fanampiana ao an-trano , raha jerena marina izany dia tokony hisy asa goavana be ahoana moa ny ao an-trano hampiasana olona 5 ? tsy dia misy firy izany satria ao an-trano hiany ny asa hatao.
13. xxx ( 20/05/2008 13:07)
Raha izaho no eo amin'ny toeran'ilay madama papiasa, dia ieo akiziko ireo no antaniko mazava tsara aloha ny heviny hoe an-tsitrapo sa tsia no anaovany ilay fanampiana.Raha ny fijeriko azy dia olona tsara fanahy ilay madama ka mino aho fa hainy tsara ny miresaka amin'ireto ankizivavy ireto,amin'izay sady tsy manan-tsiny amin'ireto panampy izy no madio saina amin'izay fanenjehan'ny olona ivelany any. Mino koa aho fa mihoatra ny 16 taona ireo ankizy ireo sinon, tsy azo atao ny mapiasa azy fa tena exploitation.
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.111