Mba torohy hevitra ry zareo fa tena tsy haiko intsony.
1. Manafo
(
18/04/2006 13:10)
Zao ry zareo a! Misy olona iray nitoriko fitiavana ary de nanaiky ahy izy efa nolazainy tamiko anefa fa misy olona miaraka aminy, lazainy fa efa vita soratra hono ry zareo. Tsy nino aho satria nilaza tamiko ihany koa izy hoe \"tiako ianao fa saingy efa misy olona miaraka amiko\", manarak\'izany nefa taty haoriana dia nanaiky niaraka tamiko izy fa tiany hono ny toetrako maniry mafy hono izy ny hivadinay roa.Telo volana izay no niharahanay mety azo lazaina izany fa niafina noarahanaiy satria io teny hoe efa misy olona miaraka aminy io foana no asesisesiny ka efa izy tsy mahafoy ahy. Tsy mahita ahy indray andro izy anefa dia mitady, miantso, mi phone ahy fa te hahita ahy mafy izy. Zava mahagaga ahy dia ny filazany amiko fa misy olana foana eo aminy sy ilay olona miaraka aminy, ady lava hono sady ra tena nodiniany hono dia tsy mahafapo azy hono ny fiarahany amin\'io olona io, Na ny fianakavian\' ireo lolona ireo aza hono misalasala aminy daholo.
Ny tena tsy azoko anefa dia mieritreritra izy hanomana tokatrano miarka amiko kanefa , ilay olona tsy sahiny hisarahana fa tsy te hanao ratsy mialoha amin\'io olona io izy. Mampiandry ahy izy fa na hoela na hoaingana dia hisaraka amin\'io olona io izy fa hiaraka amiko. Miantso ahy izy an-téléphone rehefa hirava ao ampiasany fa te hiaraka amiko foana. Izaho koa moa dia tonga manatitra azy hatrany an-tranony aty ivelan\'ny hipetrahany. Marihina aloha fa mbola tsy mitokatrano izy sy ilay olona miaraka aminy io.Tsy mbla nisy koa teo amin\'ny fiarahanay ny resa- bola na fitadiavanjavatra rendrarendra tamiko.
Ka inona ry zareo ny hevitra fa izy aloha tiko tsy sako ny handao azy fa efa ao aminy loatra ny foko.
Izy ko miteny amiko fa tiany ary tsy hafoy ahy hono izy.
Miasa loha aho amin\'ny izay tokony hataoko
Anjarako ve izy sa tsia ?
Mataotra koa aho ho lany fotoana aminy.
Mba tory hevitra ry zareo an !
Misaotra mialoha ho an\'izay mahafoy torohevitra ho ahy .Hiadapinaritra anie izy eo amin\'ny fitiavany.

répondu par Fiffi le 19/04/2006 16:01
2. texe
(
18/04/2006 13:24)
ny azo atao angamba dia miankina @ fanapahakevitrao iany satria le sipa efa misy miarakaminy sao enao lany andro miandry azy eo foana nefa nyfotoana mandeha tonga dia raiso ny desision fa aza miandriandry fa io no mahav oa
4. Herimiafina
(
18/04/2006 14:02)
Akory aby lahaly!
Tadidio fa mandalo ihany ny fiainana ary ny tantara toy izao dia anisan'ny manataraiky anao.
Avelao izy ho any fa any amin'ny 6 miliara ambiny ianao mitsikaraka hafa!
Ary atomboy dieny ziao izany fitrandrahana izany sao ianao dia ilaozan'ny volana sy taona eo ka efa ho reraka ny vatana vao tonga saina! Tena marina io fa mahereza e! :@

5. Manafo
(
18/04/2006 14:04)
Marina milaza vita soratra izy kanefa tsy sahy maneho ny Livrée de Famille amiko ra tena marina izany.
Tsy haiko na fitsapana ahy ihany koa ilay izy anie.

6. Manafo
(
18/04/2006 14:10)
Tsara be avao rô Herimiafina !
Misaotra amin'ny torohevitra fa izay nolazain'ny namana hatrizao dia misy azoko alaina mihintsy.

7. Fiffi
(
18/04/2006 14:11)
Manafo: ny zavatra voalohany hataonao angamba dia
-miresaka aminy aloha ary lazao azy daholo ny zavatra mampiheritreritra anao , aza hasiana mihintsy takona izany firesahana izany satria miankina @ io ny ho avinao.
-Carte sur table : manadihady , manontany azy izay tena zavatra tadiaviny , mora anie ny milaza hoe "tiako ianao" nefa sy misy fitiavana zany raha mbola misy hiany ny fifampirefesana. Tsy tokony hisy an'io mihintsy raha sahy milaza izy fa tia anao.
-Efa vita soratra izy hoy ianao , mba nanontanianao ve izy aloha hoe "aoka angamba hatreo satria olona efa vita soratra ianao" ? dia mba ahoana hono ny fisainany @ zany ? toa mampijaly olona fotsiny izany an! mamy ny eroa , fy ny etsy ! tsy mety io aloha an!
-Raha izaho aloha no eo @ toeranao dia raha efa misoratra izany izy dia aleoko havela satria inona anefa ny azonao andrasana azy eo ?
-Matoa koa izy tsy mety hisaraka @ io olona io dia fantaro fa tsy misy an'izany hoe tena tia anao izany satria tsy azo zarazaraina izany ny fitiavana indrindra fa raha hitokatrano na hivady. Mety tsy mahazo fahafaham-po any @ ilay iray izy dia any @ nao no mihantsampy .
-Mba efa nodinihanao koa ve aloha hoe hisy farany daholo ny zavatra rehetra ? na ho ela na ho aingana dia tsy maintsy ho tratra miaraka ianareo ka tsy aleo ve dien'izao dia heritreretina lalina dia lalina izao zavatra izao ?
-Anjarako ve izy sa tsia tsy misy afaka mamaly anao raha ny fahitako azy satria sady efa misy tompony izy sady efa vita soratra ka ho anjaranao ahoana ?
Mataotra koa aho ho lany fotoana aminy. tsy hitako ny mbola hiarahana aminy raha toa ka matahotra ianao , sady efa fantatrao tsara fa efa olona vita soratra izy ka ny tsara angamba dia tsy aleo ve miala ? izay hiany an! ny fahendrena angamba dia aleo misaraka satria olona efa vita soratra izy , izy aza tsy sahy manapa-k'hevitra akory fa dia aleo misaraka fa izay no fahendrena an! dia mazotoa , ary mahereza hatrany eh!

8. ollie
(
18/04/2006 17:25)
Manao ahoana,ny hevotro dia ny miala satria marina fa rehefa tia hono adala, hitako tsara ny mahazo anao satria tia be azy ary tsy te hiala nefa ny solution dia ny hialanao satria raha tena tia anao izy dia misaraka amin'io olona io satria ianao tiany.Tia tena be izy raha mitia olon-droa tokony hanao ny choix-ny izy na ianao koa aza, mba hahitanao zay tokony hataonao satria mety ho lany andro eo ampiandrasana azy eo ianao,fa ny azy ny fiainanay mitohy foana fa ny anao stopé eoampiandrasana azy eo.Ka anao ny safidy? hiandry zay hisarany @io olona io nefa tsy fantatra hoe rahoviana sa hiala aminy dia mitady hafa."Mbola ho ela vao farandro e!" ka mahaiza mifdy sy mieritreritra ny ho avinao.Bon courage!!!!!!!!
9. madera2
(
18/04/2006 17:29)
mitovy hevitra amin' ny fiffi aho ka io no torolalana tokony harahinao . fanampiny kely fotsiny dia ity: matoa izy manana toetra karaha io dia mety mbola ataony amin' olonkafa koa ka eo anao sahirana , zaho aloha tsy matoky vehivavy toy izany na inona filazany na inona ambarany fa mety.......
10. Herimiafina
(
18/04/2006 17:58)
Tandremo kao fa io miresaka io matetika vao maika mandetika, aleo manjavona tsotra izao de manorina zavatra hafa.
Matetika mantsy misy karazana olona refa sahy milaza aminy ianao ohatra fa tena te-hisaraka vao miezaka manambitamby1 teo ianao tsy raharahiany fa ny ataony no nataony!

11. bandykell
(
18/04/2006 19:29)
enao ve de hanaiko hiaraka @ olona mampirafy anao?mba mahagaga kosa zany, ra vitany ny mampirafy anao zao sady teneniny mivantana @ nao, na inona na inona lazainy anao HAMPIRAFY be anao izy refa mivady nareo...tsy fitiavana zany an'azy zany fa bandy mahay miresaka ny anao...saraho any ankia fa kmaloto ny fiarahanareo ka tsy hety hadio intsony an...
12. Fiffi
(
19/04/2006 03:36)
mety tokoa aloha io nolazain'i Herimiafina io hoe "aleo manjavona tsotra izao de manorina zavatra hafa. saingy na ho aingana na ho ela tsy maintsy hisy tohiny hiany io fa dia hifampitady etsy sy ero . Fa ny tena tsara dia ny miala dien'ny mbola tsy misy maratra dia manorona vao2 , aza miandry azy ao fa ny fotoana lany , sady zao koa an: dien'ny mbola tsy misy n'inoninona ny @ nareo sady efa vita soratra izy , mahavita zavatra tahak'izao , mbola ho lavitra ny fiainana fa toa olona tsy azo hitokisana zany fa dia aleo miala eh!
13. Manafo
(
19/04/2006 06:09)
Tena tsapako ankehitriny fa tena misy lafiny tsara daholo ny torohevitrareo. Matoky aho satria matoa ianareo manoro hevitra @ handaozako azy na dia hitako somary ho mafimafy ho ahy aza izany dia hiezaka aho hiova tanteraka, haka décision malaky.
Ary dia isaorako indrindra amin'ny toro hevitra rehetra ary eo koa moa izay manakambara sy ny ankohatr'izay dia vonona hatrany ny tenako handray azy ireo antanandroa.
Misaotra bedibe fa raha tsy nisy ny toy izao dia mety nanaonao foana aho ary tsy fantako izay niafarako. Soa ihany fa mbola nisy ny namana rehetra eto amin'ny serasera nampahery mifapizara ny soa haterany.
Andriamanitra ny fiadanana anie homba antsika rehetra
Misaotra.

14. Fiffi
(
19/04/2006 06:15)
Manafo: de korazy foana an! namana daholo ny ato anie an! dia aza misalasala fa raha mbola misy zavatra mba tianao hanampiana anao sy ny hevitra dia eto foana hiany koa izahay :) dia mahereza hatrany .
Ny Tompo anie Homba sy Hitsinjo anao hatrany koa. :)

15. texe
(
19/04/2006 08:00)
manafo a! tonga dia mandraisa desision enao sao adino eo a!aza mitraine izay ny afa ary nefa tsy fidiny
17. Herimiafina
(
19/04/2006 13:07)
Fiffi:
mety tokoa aloha io nolazain'i Herimiafina io hoe "aleo manjavona tsotra izao de manorina zavatra hafa. saingy na ho aingana na ho ela tsy maintsy hisy tohiny hiany io fa dia hifampitady etsy sy ero . Fa ny tena tsara dia ny miala dien'ny mbola tsy misy maratra dia manorona vao2 , aza miandry azy ao fa ny fotoana lany , sady zao koa an: dien'ny mbola tsy misy n'inoninona ny @ nareo sady efa vita soratra izy , mahavita zavatra tahak'izao , mbola ho lavitra ny fiainana fa toa olona tsy azo hitokisana zany fa dia aleo miala eh!
Mbola hanaraka avy ao afara kah! Marina ziany saingy efa adinon'ny fotoana dia lasa sangisangy sy ihomehezana sisa aty aoriana! hehehehe:-D
18. bandykell
(
19/04/2006 13:20)
soa lany daty eo re reo hevitra reo fa tonga de ataovy 27 de boka :D:D:D:D:D ze ho atao