Barea # club M maorisy!
1. jentilisa
(
15/04/2006 12:32)
Diso fanantenana ny mpijery baolina androany araka ny fomba fitantaran'ny mpanentana ao ami'ny radio nasionaly. Ny Maorisiana indray no nahafaty baolina voalohany tamin'ny minitra faha-16 ka nitarihan'dry zareo tamin'ny isa. Tany amin'ny minitra faha-36 vao nahasahala ny isa ny Barea ary tamin'ny alalan'ny penalty izany baolina io. Io isa io no nentina tamin'ny fialan-tsasatra. Tsy nisy nitoko intsony ry zalahy tamin'ny fidirana faharoa. Ary dia nialaala aloha ny mpijery nandeha nody. Tsy toy ny nataony tamin'ny lalao natao farany teto Mahamasina ihany. Izaho dia tsy nahita ny baolina noho ny asa ka dia nihaino ny faraparan'ny baolina no hany nataoko. Voalaza ary fa mbola lesoka lehibe amin'ny malagasy ny famonoam-baolina hatramin'izao. Nanjaka tanteraka ny malagasy fa ny fampidiram-baolina no tsy misy. Hita moa izany satria penalty aza no mba nahafatesan'ny malagasy.
répondu par Achia le 24/04/2006 14:04
2. zandikely
(
15/04/2006 15:07)
Na izany aza tsy tokony ho mbola ho kivy fa resultat mbola hahafahana miakatra tsara io. Ny mpijery baolina gasy tena mbola tsy dia mahay manohana ekipa ny fahitako azy, izany indrindra no ilana ny fanohanan'ny mpijery fa tsy hoe efa mandresy ihany, aminy fotoana mahasahirana eo ambony kianja no ilana fanohanana mpijery.
Ary ny mpilalao malagasy dia tokony hanana esprit hoe miady hatraminy segondra farany,firifiry moa ireo ekipa mampiditra baolina aminy minitra na segondra farany.
FORZA BAREA .
Ary ny mpilalao malagasy dia tokony hanana esprit hoe miady hatraminy segondra farany,firifiry moa ireo ekipa mampiditra baolina aminy minitra na segondra farany.
FORZA BAREA .
3. jentilisa
(
18/04/2006 07:31)
Vitsy tsy araka ny nampoizina ihany koa ny tonga nijery raha ny sary hita no tarafina. Ny mpijery koa angaha no tsy mety zatra manohana ny boay kely!
4. onjah
(
19/04/2006 08:46)
Marina mihitsy ny voalazanao ry zandikely, tokony hanohana hatramin'ny farany na dia resy be aza,satria izay no antony andehanana eny anie e. Ny baolina anie ka 90 mn e, tsy fantatra izay hitranga amin'ny segondra farany. Toetra tokony ialana ilay mandeha alohan'ny fahavitan'ny lalao iny, tonga dia manakivy ny mpilalao avy hatrany, sady manome vahana ny mpifanandrina amin'ny ekipan'ny tena.
5. watafon
(
19/04/2006 09:56)
zandikely, onjah, d marina mihitsy zany e! za mantsy mbo nijery fa d mahavariana le fomba fanohanana e! tsy misy afatsy ny mimenomenona sy micritika ftsn no ataon'ireo mpijery fa tsy mbo manohana na mety natsy mety ny ataon'ny ekipany kou ! za milaza aminareo fa à l'aise kokoa ireny mpilalaontsika ireny any ivelany ary laniny malalaka ireny maorisiana ireny any e!
6. fabrice
(
22/04/2006 14:09)
NIjery tsara an'iny baoloina ahy, ary nahita tsara ny fahaizany barea kely, hita ho demi terrain maihitsy ry zareo vahiny. Eo @ famonona baolina no tokony hojery ny mpanazatra kely
Fa za mino fa raha zay ny jerena , ny teknika famonona baolina , dia horesentsika bdb reny any morisy
3 0 farafakeliny
Fa za mino fa raha zay ny jerena , ny teknika famonona baolina , dia horesentsika bdb reny any morisy
3 0 farafakeliny
7. Achia
(
24/04/2006 14:04)
io mitsy ny olana @ tsika gasy tsy mba manana mpamono baolina mitsy sika , mety ny mahatonga izany ko de ny olana ara- kianja satria tsy afaka manao travaille mitsy le boay kely @ le kianaja ratsy