Diniky ny mpitondra sy ny mpanohitra !
1. ravatorano
(
05/04/2006 10:01)
Diniky ny roa tonta
Mifanipy baolina
Omaly no nitondra ny heviny indray ry zareo eo anivon'ny 3FN teny amin’ny «Villa La Franchise » Ivandry, izay nitondrany ny fanazavana momba ny mety ho fitohizan'ny dinika amin'ny fanjakana.
« Vonona izahay aty amin'ny fanoherana ary efa nalefanay tany ny fehin-kevitra nivoaka nandritra ny kaonferansa nasionaly natao teny Andoharanofotsy ka miandry izay heverin'ny fanjakana ny fotoana mety aminy sisa izahay hanaovana ny savaranonando », hoy ny Pasitera Andriamanjato Richard.
Io savaranonando io ihany koa no hamaritra ny mety ho isan'ny olona handray anjara amin'ny dinika mba tsy handany andro be loatra mandritra ny fihaonana. Ao anatin'ny fitsipika henjana ny 3FN mialoha ny dinika sao misy avy eo anivon'izy ireo indray haingam-bava milaza izay tsy tapaka teo anivon'ny mpanohitra ka miteraka savorovoro eo anivon'ny mpiara-belona. Mety ho sivy ny isan-dry zareo hanao ny fihaonana voalohany, izay heverina ho telo isaky ny fikambanana. Raha ny hita aloha hatreto dia samy tsy te ho gisitra amin'ny mety hampitarazoka ny fihaonana ny roa tonta ka ny mifanipy baolina aloha hatreto no hita satria ingahy Rajemison ny alatsinainy lasa teo dia nilaza fa avy any amin'ny mpanohitra no mahatonga ny fihaonana mbola tsy tanteraka noho izy ireo mbola mandinika ny olona halefa hiatrika ny fivoriana. Ary dia io nilaza io koa ny Pasitera fa tsy avy aminy no mahatonga ny tsy mbola hisian'ny fihaonana fa avy amin'ny ankilany.
.: madagascar tribune
05/04/06 - Naivo kely

répondu par Fiffi le 08/04/2006 14:34
3. mandrindra
(
05/04/2006 12:59)
ny marimarina kokoa angamba dia samy tapa tongotra ireo ka ho dakany amin'nu inona moa io baolina io
6. Fiffi
(
06/04/2006 04:38)
ny tena olana anie dia tsy misy mandray an-tanany ny andraikitriny fa dia samy miala bala foana koa eh! nefa be resaka ery!
7. andry44
(
06/04/2006 08:34)
fiady politika daholo izany ry zareo a!
Iza no ho hitanareo hilaza hoe:izaho no tomponandraikitra@izao na@izatsy?

9. ravatorano
(
07/04/2006 07:47)
zalah reo d manahirana miitsy ny mpanohitr d tsy mikatsaka afa tsy ny hitady ny sezany very hatramin ny nialany teo amin ny fitondrana satrai tokony tsy hadino fa efa teo avokoa ireo
ny mpitondra indray tsy tena mazva ny heviny amin ity fifanatonana ity
tsy hay é