dinosaures pôlitiques mbà aoka izay!!!!

1. petsambava ( 04/04/2006 16:13)
MILA RIVOTRA VAOVAO MIHINTSY GASIKARA!!!...izay no fahitàko azy raha ny zavatra hita sy tsapa @ izao fotoana izao .Be loatra ny mpamadika palitao bodiarimanga ihany no mangaro...Tsy mitsinjo afatsy ny intêret personnel !Ny dinosaures koa ireto misy ny mbola ao @ fitondràna misy ny mitady seza hiverina .Aleo mbà ho an'ny tanora indray e !tsy efa ampy ve izay e?
répondu par xxx le 01/05/2006 15:22
2. Herimiafina ( 04/04/2006 16:30)
Ahummmm Ahummmm :-w:-w
Ka inona ary no azotsika aroso voalohany aloha hamahana izay olana izay? :-w:-w
3. Ragadona ( 04/04/2006 17:08)
Samy tsy lasa aloha na ny goaika antitra zatra mpitsentsitra na ny soavaly vao manao be fiavy ka manao rapa dango. Mety ho ireo zokin jokiny aza no efa tsy mahatelin kanina firy ntsony fa ny vaovao mbola matanjaka sy mafana fo dia mety mitrifana be. Ny tiko lazaina zany dia hoe tsy dia critères n ny hoe vao na tsy vao no tokony hitondrana azy fa maro ny lafin javatra tokony hojerena. Io fifantohana amin ny ampahan javatra io mantsy no heveriko fa mahavoa ny malagasy hatramin izay dia refa tafalatsaka vao tonga saina, tia vao dia mijanona eo fa tsy te hiditra lalina
4. Fiffi ( 04/04/2006 18:21)
tsy hita intsony izay ho lazaina fa efa be loatra ialy dinika firesahana an'ity olana be any dago ity, ary arak'io voalazan'i Herimiafina io inona no azo hatao ?
5. xxx ( 04/04/2006 22:57)
Mihetsika hoan-janany candidat indray i Drema, Dia rizareo mianakavy foana ve no mitady hitantana, Na ny olona tao @ fanavaozana aza niala tsikelikely dodoly (Manan'ignace sy Moks ohatra) nohon'io toetran-jareo io.
6. xxx ( 05/04/2006 03:15)
ry petsam-bava koa tsy hita ihany fa teo nametraka an-dRavalomanana t@ place sahala @ reny inona reny ka anio in-1 !!!!!!!
aza de tia pôlitika re fa ny hampalaza tsara eo @ resaka hira no atao fa any misy vola be mety tsy hanenjehanao mpanao pôlitikaintsony!!!!!!!!!!!!!!!!!!.:?:?:?
7. Fiffi ( 05/04/2006 08:59)
:roll:
8. rasah ( 05/04/2006 12:53)
tena mila olona vao2 ny tontolon'ny politika eto dago, ny olna anefa dia ny tanora mihitsy no tsy sahy mandray andraikitra fa mihazohazo
9. xxx ( 05/04/2006 16:46)
Ka le tanora variana @ revy sady venjana be doly ko
10. fijo ( 05/04/2006 18:24)
efa ela izany resaka izany no nandeha.fony zafy.
fa amiko tsy any ny olana,fa ny famaritana ny politika sy ny fomba fitantanana.tokony hiaraha midinika ny lalana mifehy ny fanaovana politika,sy ny famatsiana vola ny antoko.
ary tokony hiarahana midinika koa ny lalana mifehy ny fitantanana.ireo lalana ireo dia tokony hankatoavin'ny rehetra mba tsy hisian'ny mpitsivalana avy eo.ary rehefa izay dia samy tokony ahaleo tena amin'ny andraikiny ny andrim panjakana tsirairay avy.
raha misy any amintsika ny lalana toy ny any danemark sy suede hoe azon'ny rehetra jerena ny fandaniana ataon'ny mpitondra dia hilamina io fanararaotana sy fitadiavana tombotsoa manokana io.
11. Fiffi ( 06/04/2006 14:27)
Ka le tanora variana @ revy sady venjana be doly ko
:roll:
12. cutie ( 06/04/2006 14:30)
marina alou le variana,fa zany venjana zany daholo kosa tsy marina e :twisted:
13. fijo ( 06/04/2006 20:35)
taloha ngamba izany ry cutie,fa tsy izao intsony ô
14. cutie ( 07/04/2006 18:05)
fijo ie:wink:
15. fijo ( 07/04/2006 18:20)
misy mbola mihevitra foana fa bado ny vahoaka ka mitady hanararaotra.diso lalana nefa ka dia mipitsika aty frantsa sisa
16. xxx ( 01/05/2006 15:22)
Ka raha olona efa hita fa tsy nahomby tamin' ny fitantanana ; ny antokony , ny orinasany , ny fiainam-piankaviany , sns... no mbola misisika hiditra eo dia aoka ho faizintsika e.
Misy indray manao izany Dina izany amin'izao fotoana izao .Tena mampihomehy :olona avy amin' ireny antoko ireny ihany anie ireo manao ny tsy fanao eto amin' ny firenena ireo e.
Tsaroana etoana ilay raharaha C.O.N. teny Ivandry , tsy maintsy manasa tanana sns..... Dia niakatra fitsarana .... Sady mahamenatra e.
Ny ankamaroan' ireo dinausore ireo koa dia faly ery milaza fa efa nigadra noho ny tolona nataony ( tolona inona ???).Izany ve no toe-tsaina itaizàna ny vahoaka. Rehefa tena tonga eo tokoa ianao dia tsy misy zava-bita ho an' ny firenena akory.
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.0166