Ho avy eto Madagasikara ny filoha Alemana

1. Fiffi ( 04/04/2006 06:29)
Hafa raha samy hafa ny firenena malagasy fa saika miaiky volana azy avokoa ny olo-manan-kaja avy any ivelany izay mandalo eto noho ny fahaizany mandray sy ny fanajany vahiny. rariny loatra izany, satria nampianarina fahalalam-pomba isika.
Andro vitsy sisa isaina dia higadona eto Magadasikara ny filoha Alemana izay fantatra fa hitety faritra vitsy eto amin'ny nosy amin'izao fandalovany eto amintsika izao ka anisan'izany ny any Marovoay. Faritra izay azo ambara fa tratra aoriana raha ny lafiny fampandrosoana no jerena kanefa dia toerana mahavokatra vary noho izy sompitra faharoa eto Madagasikara. an-taonany maro ny mponina tany an-toerana no nanao antso avo momba ny tokony hanamboarana ny làlana sy ny lakan-drano any amin'ity distrikan'i Marovoay ity kanefa nijanona hatreo amin'ny fampielezan-kevitra ihany aloha hatramin'izay.
Fantatra àry fa amin'izao fandalovan'ny olo-manan-kaja avy any ivelany izao dia ao anatin'ny fanamboarana tanteraka ny ao an-tampon-tanàna ary nasiam-panamboarana ihany koa ny toho-drano izay manondraka velaran-tany fambolem-bary amin'ny hekitara. Natao izao, tsy noho ny famaliana ny fangataham-bahoaka fa noho ny hena-maso ity filoha Alemana handalo sy hitsidika ny tanàna ity kosa. Izany hoe tsy hisy foto-drafitr'asa ho vita eny anivon'ny faritra raha tsy hisy vazaha handalo ? Iza no tsy nahalala nandritra ny fandalovan'ny filoha Frantsay teto an-toerana fa nihazakazahana fatratra ny famitana ireo asa goavana teto, ka anisan'ny nahafaly ny vahoaka izany satria vita sy milay ny tanàna, ary ny tena nahita olo-malaza eran-tany ? Taorian'io dia mbola nandray ireo ministra sy ben'ny tanàna mampiasa ny fiteny Frantsay isika, ka làlana mbola azo nampiasaina toy ny teny amin'ny digy no notovonana godirao mba ho hitan'ny vahiny fa miasa tsara sy mafy ny fanjakana, ary izao novitaina haingana izao indray ny any Marovoay.
Tsy misy milaza fa ratsy ireo asa natao ireo, fa aoka kosa izay ny fanafenan-kilema mahazatra hatramin'izay, ka raha tsy nandalo ve ny vahiny dia navela hihanjaka teo ny faritra hita fa iharan'ny fahapotehana ? Ny irariana dia ny mba ho maro ny olom-panjakana avy any ivelany handalo sy hitety faritra eto ka mba samy hahazo ny anjarany avokoa ny faritra isan'isany, ho to tsy ho ela ny tena fampandrosoana haingana sy maharitra izay efa nirian'ny maro eto amin'ny tanindrazana fa tsy ho sanatria ho matin-kena-maso amin'ny vahiny isika ka ny fiainam-bahoaka no lasa sorona tsy fidiny amin'ny « ebo imasom-bazaha ».
Madagascar Tribune : Naivo kely
répondu par Fiffi le 06/04/2006 11:50
2. Fiffi ( 04/04/2006 06:32)
mampiheritreritra lavitra indray izao fandalovan'ny filoha Alemana eny an-tanindrazana zao , mety hisy voka-dratsiny indray ve ho an'ny olona ? tahakan'ny nanaovana ny olona t@ fandalovan'ny Koffi Annan ?
3. ainaheri ( 04/04/2006 07:47)
Fiffi
4. Fiffi ( 04/04/2006 09:09)
tsy azoko! :roll::roll:
5. kabotal ( 04/04/2006 09:56)
Tena marina io voalazan'i Fiffi, tena mati-kena maso @ vahiny tokoa isika, asa na maharaka nareo fa na sty vahiny aza mati-kena maso isika asa raha renareo ireny tany Bira fanolorana tracteur ireny. Ho avy hoe ny President, dia natao madio daholo ny lalana izay andehanany fa ny aty @ ny manodidina fako sy fofona fotsiny. Ary ny President ary t@ nanapaka ruban de nomeny be'ny Tànana dia hoy izy hoe: 'ty ny anao de ataovy madio ny tànana. De mitovy @zay tsisy valaka ihany ange 'ty fahatongavan'ny Filoha Alemana 'ty e! Zany hoe tsika tonga mpifosa vao mamafa trano. Ka de asa re tandra vadikoditra @ tsika izy 'ty sa ahoana fa de tena mahamenatra na mahatsikaiky na mahatsikaiky indraindray.
Ho avy ny Filoha Alemana : hampihena ny vidin-jiro sy ny lasantsy ve ny fahatongany? Mba hampitombo ny vola miditra any @ Malagasy tsirairay ve io fahatongvany io? De ahoana koa ny mbola hafitsoky ny mpanao Politika? De hitombo vetivety ve ny harin-karen-pirenena? sns ...
De ho hita eo ndray e!
6. Fiffi ( 04/04/2006 10:22)
fa izany rehetra izany eo hiany fa ny mampalahelo dia ny fandroahana ireo olona tsy manan-trano izay matory sy mihaina etsy sy eroa , rohahina sahalan'ny biby nohon'ny fandalovan'olom-pirenena izao. Mbola niverina tato an-tsaiko avokoa ny zava-niseho t@ fandalovan'i Koffi Annan iny.
7. Fiffi ( 06/04/2006 11:50)
Mampidera maloto

Anio no higadona eto Madagasikara ny filoha Alemana taorian'ireo olo-manan-kaja maro avy any am-pita nandalo teto amintsika, izay heverin'ny maro fa hanana ny toerany koa ny fandraisana ity olona ambony ity.
Isan'ny reharehan'ny firenena iray ny fandalovan'ny vahiny ambony ao aminy, koa moa ve tsy toy ny any Frantsa sy Etazonia isika raha mahita ireo mpitondra ambony any an-tany hafa mifandimby miditra ao amin'ny taniny. Toa zary lasa fitaovana politika ho an'ny hafa anefa ny fidiran'ny vahiny eto, ka asa na heverina ho toy ny sekretera jeneralin'ny firenena mikambana avokoa izy rehetra ireny ka rehefa tsy tratra amin'ny fangataham-pihaonana dia hampiderana fihetsehana izay heverina fa mety hiteraka korontana eto amin'ny firenena.
Mandrahona ny hanao fihetsehana ny andiana mpianatra eny Ankatso izay heverina fa hitakiana ny tombon-tsoany. Tsy ny fitakiana tombontsoa no ratsy fa kosa aza faly mampidera maloto imasom-bahiny fa tsy azo atao ve ny mifampidinika mialohan'ny hetsika ? Ny mpitondra sy ny mpanohitra nifamely fantsy isan'andro aza anie ka efa an-dàlana ny famelarana ny latabatra boribory, mba hisorohana ny fifampisaraham-bazana eto. Sa kosa heverina fa ny fandalovan'ny vahiny toy izao no nahatonga ny fanjakana hiroso amin'ny fanokafam-baravarana ?
Samy manana ny fotoana ahafahany maneho ny heviny tokoa eto, koa angamba tsy dia niniana ho natao anio ity fiheveran'ny mpianatra hitokona ity fa mba ho fifanandrifian-javatra ihany, ary enga anie mba hijanona ho fitakiana fa tsy ho sanatria hitarihana rotaka hiafara amin'ny fanimban-javatra toy ny hita hatramin'izay
Madagascar Tribune . Naivo kely

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.074