AHOANA IHANY NY FANANTENANA MOMBA NY HO AVINTSIKA E!

1. xxx ( 31/03/2006 10:31)
Marina fa tsy mety ny mitaraina lava fa tena tsy mbola hita taratra mihintsy aloha pour le moment ny atao hoe FANDROSOANA raha ny eto MADAGASIKARA no resahina e

-ny sandam-bola mihen-danja toy ny fen'antitra.
-ny vidin-javatra tsy mitsaha-miakatra.
-ny vokatra eto an-toerana tsy ampy.
-ny mahantra miteraka foana.
-ny ala miharitra tsikelikely jereo ohatra ny ataon'ny karàna 1 ao maévantanàna cf TRIBUNE androany 31 mars.
-ny cyclone mamély isan-taona.
-ny kolikoly dia mbola misy ary vao maika mirongatra mbà mankanesa anie ao @ contribution ao FARAVOHITRA fotsiny ohatra e .
-ny sipa lasan'ny vazaha daholo ao koa ny mitady làlana hivoaka , àry ny kofa raha vao tsy misy saosy dia lasa ny sipa!!!
-ny aretina tsy voafehin'ny mpitondra sy ny ministéra mpiandraikitra .

Iza àry no manana-kevitra fa ho tafita ihany ny gasy in1 andro any fa raha izaho aloha dia tena kivy e:?:
répondu par vahatra22 le 08/05/2006 14:15
2. Fiffi ( 31/03/2006 11:19)
manana finoana fotsiny fa mbola hihiratra ny masoandro mbola tsy niseho hatramin'izao .
ny cyclone mamély isan-taona.
io aloha dia tsy hitako izay hoe zavatra azo hatao hanakanana an'io , afatsiny ny hoe tokony nampianarina ny olona ny tsy hanapahana ireo hazo ireny nefa moa mafy dia mafy tokoa ny fiainana dia samy mitady izay mba ahazahoan'ny tsirairay hihaina.
ny sipa lasan'ny vazaha daholo ao koa ny mitady làlana hivoaka , àry ny kofa raha vao tsy misy saosy dia lasa ny sipa!!!
fiainana daholo izany eh! hatao ahoana moa fa mba mafy dia mafy tokoa ny fiainana ka ny fitadihavana izay hanavotany ny tenany no hany sisa hazony hatao .
ny aretina tsy voafehin'ny mpitondra sy ny ministéra mpiandraikitra .
ny mpitondra sy ny ministeran'ny fahasalamana anga hoy ianao mba afaka hanao an'izany ? indrisy fa rehefa tonga marina ny haretina tena mampalahelo fa be ny voa , ny fanafody tsy takatrin'ny aina , tena mampalahelo eh! fa dia mazotoa mivavaka .
3. kally ( 31/03/2006 12:55)
Izao e! ovay ny famindra aza mitaraina loatra ary aza miandry fitondrana hanao zavatra ho anao , ny fanontaniana tokony hosaintsaininn'y tanora dia ny hoe : "Inona no azoko atao ho an'ny fireneko? " fa tsy ny hoe inona no azon'ny fireneko atao ho ahy.
Eo am-pelatananao ny ho avinao fa raha hitaraina sy handà izany ihany ianao dia eo ianao no raisina.
4. 4mimananelatra ( 31/03/2006 13:08)
Izahay moa tompokolahy sy tompokovavy dia olona tonga @ ny teny hoe aza manody !ny ankabeazanareo angamba mahitahita daholo àry nanam-bitana ,ny anay ny androany tadiavina ny ho hanina ny ampitso tadiavina .
Isaorana manokana i Pére Pedro toy izany koa itompokolahy pére Jean Couture izay anisan'ny olon'Andriamanitra tokoa manampy anay @ herimpony,àry nahita sy nahatsapa fa tena MIJALY tokoa ny ankabéazan'ny malagasy .
Maro ny mbola mihinam-pako !maro ny tsy mbola mahita trano idirana .
Manoloana an'izany izay mpitondra tonga eo @ fitondràna mandrak'izao dia manao ny mahantra ankilabao.
Izay ataonareo aminay mahantra dia hitan'Atra daholo ...samy manana ny vintany ny olona fa dia atao ahoana moa ny vokatra mbà ambolenay ary any ambanivohitra raha tsy potiky ny cyclone dia misy mangalatra toy izany koa ny biby fiompy.

TSY ANY AMINAREO TOKOA NY LELO KA AISINO !!fa ny aza manody aloha.
MAZOTOA DAHOLO E homba anareo ANDRIAMANITRA!
5. vancleef ( 31/03/2006 17:07)
kally> "Inona no azoko atao ho an'ny fireneko? " fa tsy ny hoe inona no azon'ny fireneko atao ho ahy.
Marina mihintsy ny nolazainao io fa tokony mba lazaina izy no niteny an'io voalohany : John Fitzgerald Kennedy Ask not what can America do for you but what you can do for America. dia soloina fotsiny ny hoe America ami'ny hoe Madagascar
6. kally ( 31/03/2006 17:40)
Vancleef> Misaotra nameno ny banga:wink:

Toa lasa miandry fanampiana lava sy miandry atosika foana manko ny tanora fa tsy mba mahalala mihoitra sy misintona,ary tezitra be nefa rehefa tenenina an'izany.
7. Veloo ( 02/04/2006 03:23)
zany an:?:
8. Fiffi ( 02/04/2006 06:04)
homba anareo ANDRIAMANITRA!
antsika rehetra ka!
9. LazaRandri ( 03/04/2006 00:24)
xxx:
àry ny kofa raha vao tsy misy saosy dia lasa ny sipa!!!
Diso kosa io kle! hahaha. Tena faly mihitsy ny vehivavy rehefa be karama noho ny bandy sady mampihanta. hahaha. Ny namana tsotra aloha no resahiko fa ny sipa indray mbola tsy mbola sendra tranga toy io aho! hahaha.


10. LazaRandri ( 03/04/2006 03:37)
4mimananelatra> Tsy olana izany fa mitadiava lesy sipa afaka mamelona an'ialahy rehefa kamo hiasa ialahy a. hahaha!

xxx:
ny sipa lasan'ny vazaha daholo
Tandremo mamoy fo an! hahaha. Ny bandy koa ange mba misy lasan'ny vahiny e. hahaha!

xxx:
ao koa ny mitady làlana hivoaka

Dia misy koa ny mitady lalana hampiditra. hahaha!


11. fijo ( 30/04/2006 19:17)
ka ny tena olana dia isika mora kivy.tsy vonona ny hiady fa mitady vahaolana entin'olona fotsiny
12. naughtyboy ( 01/05/2006 09:48)
tsy zavabaobao zany reo rehetra reo fa tonta mivadibadika eo ihany,ny tsikaritro fotsiny de tsy ampy ny fitiavana hanasoa ny tanindrazana isika na de hoan\'ireo taranaka ao arina aza tsy we ao afrika nge tsika ka 2/3 ny tany ngazana tsy ahafamamokatra fa manana tany azo afaka mamokatra sy mamatsy aradalana nefa manjary simba2 ny dorotanety,tolokevitra ampihenana ny tsy fisian\'asa io
fahefa-mividy nihena be, tsy mahagaga raha tsy volanjalanja tsara ny fitantanana ,ohatra:aleo atao we orinasa,Raha miodina tsara ny toebolan\'orinasairay na misy banga aza de tsy maninona loatra iny satria mbola afaka miasa reo madinika ary tsy ampanatenaina lava satria ireo no ozatra manodina le orinasa
De elana ko le kolikoly mahataraiky ny fampandrosona ny orinasantsika ohatra
samy tompony(manana petrabola ao daolo ny rehetra )fa ny toerana no samy manana ny andraikiny de samy manefa ny adidiny
ny lalana tsy azo ela fa mifehy,volavolankevitra azo ovaina io ary ny sokajin\'oul mampihatra azy io no tokony modely voloany
miady tsara daolo sika mba ho tsara aloha rafitry tanana sy ny mponina de ho avy ao daolo sipa vaza ze ifandrombaka an\'ireo ze matsiaro voa mafy ... fomba hanatsarana ny devizintsika ko zany resaka fitsidihantany
elantsiny raha lava2 fa hevitra terabary iny an
13. vahatra22 ( 08/05/2006 14:15)
tokony samy miezaka ny tsirairay fa tsy mifampiandry na mifanilaka andraikitra! tsy ny eo @ fitondrana ihany akory no andrasana fa ny isam-batan'olona mintsy!
mahereza daoly e!:roll::roll::roll:
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.544