HO AVY INDRAY MANTSY ITY NY FIFIDIANANA!!!!!

1. xxx ( 30/03/2006 13:41)
Ho avy indray ity ny fifidianana !
Ny zavatra tena mahalàsa saina dia MAHANTRA ny firenena nefa ny candidats milatsaka minimum 10.Ny fanontaniana mipetraka dia AVY TAIZA no ahitàn'ny candidat vola be hanaovana propagandy ,misy ny manofa hélicoptéres mihintsy , ny cautions moa dia tafakatra ho 125.000.000 millions ,àry sao tsy fantatrareo fa izay mahazo ny 5% ny mihoatra ihany no remboursé io cautions io.
Ny candidats mihatrika ny 2é tour dia 2 ihany raha misy io 2é tour io ny ambiny maahaka very ny sôsy be.

Maninona raha mbà anampiana ny mahantra raha misy vola ihany e efa fantatra fa tsy ho lany na manao investissement mbà mahita asa ny tanora ohatra,SA DIA ilay fitiavan-tena mihintsy no tonga aloha sa ity ilay hoe horirik'Ambohimanambola aleo lo toy izay an-kavana!:?::evil:
répondu par xxx le 17/04/2006 22:51
2. Fiffi ( 30/03/2006 15:01)
Ny fanontaniana mipetraka dia AVY TAIZA no ahitàn'ny candidat vola be hanaovana propagandy ,misy ny manofa hélicoptéres mihintsy , ny cautions moa dia tafakatra ho 125.000.000 millions ,àry sao tsy fantatrareo fa izay mahazo ny 5% ny mihoatra ihany no remboursé io cautions io.
misy aloha firenena izay manome fanampiana ireo olona milatsaka ireo , asa na efa henonao fa nisy tantara be mihintsy io t@ fifidianana farany iny.
Maninona raha mbà anampiana ny mahantra raha misy vola ihany e efa fantatra fa tsy ho lany na manao investissement mbà mahita asa ny tanora ohatra,SA DIA ilay fitiavan-tena mihintsy no tonga aloha
politika daholo izany , hatraiza na hatraiza misy ny firenena raha vao misy resaka fifidianana dia tahak'izao daholo ny fandehan-javatra. SA DIA fitiavantena hoy ianao ? iza no hafaka hamaly an'io ?
3. xxx ( 30/03/2006 15:57)
I Ra8 ihany izao no azo lazaina angamba fa efa nanao io hevitrao io ry XXX voalohany, nanao investissements izy ary mampiasa olona aman'arivony @ alalan'ny orinasa Tiko.
4. fijo ( 30/03/2006 20:44)
ze te hanary vola ve moa atao ahoana e,ny andratsiraka aza anie 3000 000€ no nanakaramany ilay mersa tsy tonga tany mada akory e."izy ihany no nanome io tarehy marika io"
5. victoraz ( 31/03/2006 03:16)
avy @ DEBA ILAY IRAIKA LAHY TALOHA ALOU NY SASANY FA NY SASANY NO TSAIKO
6. sonwin ( 31/03/2006 16:39)
xxx ilay nampiditra sizé > ka raha 10 no milatsaka hofidiana dia tsara zany e, maro ny manana fikasana hitondra ny firenena any amin'ny tsara koakoa. Mirotsaha amin'ny sehatra lalin-dalina dia ho hitanao hoe avy aiza ny vola :°)
Dia iza zany no mba hitondra ny firenena raha sahala amin'ny hevitrao io daholo?sa tonga dia tendrena izay ho filoha? ts koi ange raha atao filoha à vie Ra8 amizay tsy misy vola be lany amin'ny fifidianana e ha ha ha....
Aleo hirotsaka daholo izay mahasahy fa mariky ny demokrasia daholo izany e
7. fijo ( 31/03/2006 19:44)
avelao hanao wa,fa mandrotsabola koa anie ireo e
8. Fiffi ( 01/04/2006 12:02)
ka zay mihintsy fa tsy hoe volam-bahoaka avokoa no lany @ io anie eh!
9. fijo ( 05/04/2006 19:09)
raha manana moa izy maninona e
10. legoman ( 17/04/2006 19:22)
Isaky ny ho tonga ny fifidianana dia mody mody mana o fanambarana lehibe ny sasany fa hiverina hanao polifitaka indray ;rehefa tsilany indrrai dia milaza fa tsy hanao polifitaka intsony :izany foana nyan'i H R :;Ny sasany aza efa teo foana mbola tsy nahazo fitodrana nefa tsy kivy :aleo hon'ny panao politika ny politika fa tsy ho salovan'ny izao rehetrza izao Mety hisy sinema eto raha tsy misy sahy mirotsaka ny mpanohitra :saritsarim_pifidianana nohitranga
11. xxx ( 17/04/2006 22:51)
Aza miheritreritra pierrot aloha fa izy dia tsy afaka milatsaka @ity
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.466