NY AKO - TSY HO ELA INTSONY - TOURNEE EUROPE 2006

1. beza ( 24/03/2006 07:03)
Miarahaba antsika rehetra indray e!

Faly manolotra antsika ny fandalovan'ny tarika Ny ako mandalo eto europe mandritran'ny 3 mois.
Raha hijery ny fandahrampotoana rehetra ianao dia ity ny rohy
http://www.ny-ako.net

Na koa mandehana ao amin'ny FANILORADIO, izay mpira miasa akaiky ny tarika
http://www.faniloradio.com
répondu par Zina le 02/05/2006 18:07
2. diamondra27 ( 24/03/2006 07:24)
hummm merci beza a! hoavy zahay hijery e!
3. diamondra27 ( 24/03/2006 07:25)
de bonne anniversaire ko aloha e! enga anie ka ho tahian'i Tompo lalandava enao ary ho feno fifaliana lalandava sy ho vaavolombelona hatrany @ faran'ny tany:-*:-*:-*:-*
4. beza ( 24/03/2006 07:34)
Misaotra be dia be nahatsiaro:D
Na dia tsy hisy fotoana be aza androany hifaliana miaraka amin'ny fianakaviana dia hisaorana ianareo namana mahatsiaro.
Dia tanterakao toa ilay teny hoe "miaraha mifaly amin'izay mifaly..."

Ho tanteraka tokoa anie io firarianao soa io.

Misotra betsaka
5. Achia ( 25/03/2006 04:54)
tena mila ho adinoko mitsy ny dikan'ny ako ty leaza za zo nihevitra ho akoho io tiany lazaina io:-D
6. dadabe ( 25/03/2006 08:41)
beza> mety e.fa mba hirariana ny hahatongavany aty chine :(
7. marozevo ( 26/03/2006 01:18)
Zay mihitsy leitsy dadabe ilay saika holazaiko kay voalazan'ialahy.
8. Veloo ( 26/03/2006 01:56)
dadabe a mivavaha dia tonga
9. marozevo ( 26/03/2006 23:14)
Nango laingan'i veloo leity izany ry dadabe ah... manao fangatahana ialahy vao tonga izy. zany akory anefa tsy mahasakana an'ialahy tsy hivavaka. Mivavaha ihany tokoa, fa manaova demande hahatongavany any.
10. Fiffi ( 27/03/2006 05:52)
raha mahavita tournée en europe ve tsy ho vitany ny fahatongavany any raha toa ka misy fika ?
11. beza ( 27/03/2006 10:17)
Azo hifampidinihina izany rehetra izany e!
marina fa lavitra ny any Chine fa raha misy afaka mi-organiser dia tsy misy olana, efa nanana projet Etats Unis sy Canada ry zareo fa tsy raikitra tamin'ity taoana ity, amin'ny roa taona manaraka dia toa hisy ny any KENYA, mba hilazako hoe afaka dinihina daholo izany rehetra izany, fa arha te hiresaka an'izany faniriana izany dadabe dia hanoraty ry zareo ao @ www.ny-ako.com ao amin'ny contact.
Omaly hariva no niresaka mivantana avy any Madagasikara tao amin'ny FANILORADIO ry zareo.
12. Fiffi ( 27/03/2006 10:29)
fa tsy nisy tarika ny AKO ve taloha fa mpihira fotsiny ? sa ry zareo hiany fa lasa nanao dihy tahak'izao ?
13. beza ( 28/03/2006 19:42)
Miarahaba an'i Fiffi!

Mbola tsy nahita ny tarika Ny ako izany i Fiffi, fa hatramin'ny niforonanay dia samy misy hira no misy dihy, misy mime sy ny sisa, sady mahafinaritra be fa hafa foana ny zavatra hataondry zareo rehefa tonga aty Europe, fampisehoana moa dia tena mahafinaritra.
Ny zavtra mety sty fantatry ny maro dia matetika ry zareo no manao fampisehoana TSY MISY VIDIMPIDIRANA, fa malalaka ny fandraisana anjra, izay tsy mbola mahalala andry zareo dia mihevitra hoe rehetra tsy misy vidimpidirana dia ratsy, fa izaho milza amianao fa na ny misy vidimpidirana lafo be aza mbola mifampitana amindry zareo, Mnandrama mijery dia lazao ahy, fa izay nijery sty mba nanenina.
Nampahatsiaro ahy izay bandy izay tany Nice izy no mipetraka dia sendra nandalo tao Aix en provence, dia nolzain'ny namany hoe misy tarika ny ako dia hoe sty misy vidimpidirana dia saika tsy nandeha izy, fa vao nijery izy dia nampihomehy fa saika ny fampisehoana taorian'izay dia nenjhiny daholo, misy an'izany efa 600km mila azy izany dia mbola lasa izy nanenjika fa fampiseoana faraparany.

Ka dia tongava e! misy programma ao azo arahina. http://www.ny-ako.net

14. Fiffi ( 02/04/2006 12:29)
beza: misaotra anao aloha. Fa hono hoa : ianareo ve zany mba niaraka nanao ireny danse folklorika ireny niaraka t@ ry "Ginette" mpirahavavy ? i Tompokovavy Bako tao @ la rotonde ao besarety ? ry mamy Rakotoarimalala ? toa tena ohatran'ny nahatadidy ny Ako aho , ka izay no nahatonga ahy nanontany.
15. beza ( 03/04/2006 05:41)
Fiffi: sali, tsy haiko na mitovy ilay Ny ako resahintsika, satria ity ny ako resahiko ity dia tarika iray avy ao amin'ny fikambanan'ny mpiara mamaky ny baiboly, izay mihira kristianina, marina fa manao dihy malagasy ry zareo ary manao fampisehoana an'i madagasikara sy ny culture gasy, nefa mijanona foana amin'ny hoe hira kristianina.

Mba ahazoanao azy tsara dia raha misy concert hataondry zareo any akaikinaoa dia mandehana mijery dioa azonao ilay tiako tenenina satria raha hiteny aho hoe, hira kristianina fotsiny dia tsy izay raha hiteny indray aho hoe vakodrazana fotsiny dia tsy izay koa satria ry zareo manana hira isakarazany sy gadona isankarazany, Bagasy, Gospel, jazz, sud af, tsapiky, raggae. amin'ny teny isankarazany koa teny gasy, frantsay Anglais, allemand etc. Etc hoy aho satria misy hira iray hataondry zareo izay izao dia misy fiteny maro be, espagnol, Russe sns.
Ka mandehana dia hitanao, sady tsy hanenina ianao, tsy manao dokambarotra za fa manontania izay efa nandeha nijery dia hitanao eo e!
16. Fiffi ( 03/04/2006 06:10)
tsy misy maharatsy ny fanaovana dokambarotra koa anie eh! @ fomba ahoana moa no ahafantarana ny tarika iray raha tsy misy an'io ? ka dia voaray soamantsara ny hafatra zany ka dia misaotra anao indrindra eh! :)
17. Zina ( 02/05/2006 18:07)
efa nandalo ka tsara dia tsara
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.3817