Mampalahelo

1. Fiffi ( 13/03/2006 06:43)
Ambohimanambola
Zazalahikely sahabo 12 taona, antsoina hoe Rivo kely, no maty nihantona tamin'ny tady teny Ambohimanambola, ny alakamisy tolakandro teo. Izy irery no tao an-tranony tamin'io fotoana io, raha nirava avy nianatra Akory anefa ny hatairan'ireo olona nipetrahany raha tafaverina tany amin'ny nalehany izy nahita an'ity zazalahy nihantona teo am-povoan-trano. Tsy miara-mipetraka amin'ny ray aman-dreniny mantsy ity zaza fa mipetraka amin'ny havany. Tsy hay, araka izany, izy raha nidiran'olona an-keriny tao an-tranony ka novonoiny.
Nafatotra teny amin'ny vovonan'ny tafontrano ny tady nifatorany ary akalankely no hita teo ambany tongony.
Mbola nianatra maraina i Rivo kely tamin'io fotoana io. Dadatoany iray tsy mbola manambady no novantaniny tao an-tranony tamin'izay. Ireo olon-dehibe mitaiza azy mantsy voalaza fa mivarotra eny an-tsena ary tsy mody antoandro. Niara-nisakafo izy mianaka ireo. Rehefa vita anefa ny sakafo dia nilaozan'ity dadatoany niantso an-tariby tany ivelany izy. Ary tao anatin'izay no nisehoan'ny loza tao an-trano.
Voalaza anefa fa tsy nisy fifamaliana na fibedesana teo aminy sy tamin'ity dadatoany ity nialohan'ny nandehanan'ity farany nivoaka ny trano.
Efa mandeha ny famotorana mikasika an'ity raharaha ity ka ho hita eo ny tohiny.
Nirina Rakotoson pour l'Express de Madagascar
répondu par Fiffi le 02/04/2006 11:53
2. diamondra27 ( 13/03/2006 06:48)
:cry:
3. Fiffi ( 13/03/2006 07:03)
:( tena mampalahelo ny toe-dravatra tahak'izao :(
4. mamzelkely ( 13/03/2006 08:23)
ôka re marina :? :(
5. Fiffi ( 13/03/2006 08:54)
tena mahontsa marina :(:(
6. dadabe ( 13/03/2006 10:20)
:(:(kiii orera
7. Fiffi ( 13/03/2006 11:07)
sady tena mbola jeune be ! :(:(
8. pisopiso ( 13/03/2006 12:54)
tena mampalahelo e,ga anie ho hita ny tena marina....
9. akamatiana ( 13/03/2006 14:50)
10. Veloo ( 13/03/2006 16:43)
:(:(:(
11. Fiffi ( 13/03/2006 17:36)
tena maha kenda be mihintsy ny toe-javatra tahak'izao.:(:(:(
12. Veloo ( 15/03/2006 02:20)
13. Fiffi ( 15/03/2006 05:17)
Ambohidrapeto Itaosy : Zaza maty nisambotra angidina
Zazalahy kely tokony ho dimy taona, no maty nilatsaka tao anatin’ny dobo fiompiana trondro, ny zoma lasa teo, teny amin’ny fokontanin’i Sakanambazo, kaominin’i Fiombonana Itaosy, ny tolakandro iny.

Araka ny filazan’ireo manodidina dia toa hoe nisambotra angidina, nanamorona ny dobo ity zazalahy kely, no nety ho nibolisatra tampoka ka latsaka tao anaty rano. Mpaka trondro handeha hampiakatra ny vovony avy ao anaty rano no nahatsikaritra ambonin’akanjon’ankizy miloko maitso. Raha nosintoniny ilay lamba, dia gaga izy fa zazakely efa tsy misy aina intsony ity niankohoka tao.
Raha mbola nijery ity zanany anefa ny reniny, tamin’ny roa ora mahery kely tany ho any, dia mbola tazany nilalao teo ilay menaky ny ainy. Tsy lavitra ny trano fonenan-dry zareo rahateo no misy ilay toerana nitrangan’ny loza. Mampalahelo anefa izany fa dia vatana mangatsiaka no sisa noentiny nody nony avy eo.
Tokony ho mailo ihany ny ray aman-dreny rehefa miaraka amin-janany, indrindra eny amin’ny faritra manamorona ny rano eny, satria indray mipi-maso dia tonga ny loza. Raha zazakely vao dimy taona izany tsinona dia tsy mbola mahay rano mihitsy, ary araka ny fitenin’ny olona aza dia hoe ny mahay milomano ihany, hono, no maty an-drano, mainka fa ny tsy mahay mihitsy?
:(:(:(:(:(:(
14. TYNOS ( 28/03/2006 11:56)
:oops::oops::oops:hapetraka hoazy ray ny valyfaty fa tsy antsika velon'aina,koa de samia ary hijinja ny nafafiny:roll::roll::roll:
15. Fiffi ( 28/03/2006 14:44)
:roll::roll::roll:
16. Fiffi ( 01/04/2006 08:09)
Mahamasina
Tao anatin’io bozaka io no hita ilay zaza.

Mirongatra mihitsy ny famonoan-jaza rano (fanalan-jaza) tato ho ato. Teo Mahamasina, omaly maraina, toerana tsy lavitra akory ny hopitaly fiterahana etsy Befelatànana, fatin-jazarano iray no hitan'ny fokonolona teo amoron'arabe. Napetraka fotsiny tamin'izao ilay razana, tsy nofonosina. Nahohoka izy ary mbola hita teny aminy ny tadim-poitrany. Vao avy nalàna mihitsy ilay zaza, raha ny fitantaran'ireo nahita, dia nariana teny an-toerana satria mbola nihoson-drà ny vatany. Saingy noho ny fotoana ela nanariana azy teo dia efa maina ilay rà tamin'ny vatany.
Tsy hita moa noho ny izy nihohoka ny fitaovam-pananahany nanavahana ny maha lahy na mahavavy azy.
Efa tonga teny an-toerana naka ny razana ny tao amin'ny BMH.
Zava-nitranga nitovy tamin'izay ihany koa no hitan'ny fokonolona teny Antaninarenina, omaly antoandro. Teo amin'ny zaridaina fipetrapetrahan'ny olona teo ihany koa no nahitàna fatin-jazarano iray. Ireo olona nipetrapetraka teo an-toerana no nahita an'ilay razana ary niantso ny mpitandro ny filaminana.
Arakaraka ny handrosoana sy hiroboroboan'ny fahalalana amin'ireny fitaovana fanabeazana aizana sy hisorohana ny fitondrana vohoka ireny no mahabe ny fanalan-jaza ! Asa, ny fanentanana ve no tsy ampy sa ny finiavana tsy te hampiasa azy ireny no antony.
L'Express de Madagascar Nirina Rakotoson
17. Aino ( 02/04/2006 08:51)
dia mba iza koa aza ny olona naha sahy nanao any izany marina!! tsy matahotran'Andr/tra mihintsy!!
18. Fiffi ( 02/04/2006 11:53)
indrisy ! :(:(:(:(
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.5135