Mitady mpitendry zava-maneno
1. mpitedry
(
07/03/2006 23:16)
Malagasy monina eto Parisy ny tenako. I Andry no fanampinarako. Miangaly ny mozika Pop Rock aho. Mitady mpitendry zava-maneno aho hahafahako mivelatra ara-kolontsaina : mpitendry clavier, gitara "solo", gitara beso, "choristes",... Mieritreritra ny hamoaka raki-kira aho any aoriana. Raha mifanojo ny tadiavintsika dia anoraty aho eto amin'ny serasera.org na amin'ny mpitendry@yahoo.fr
répondu par nosta le 18/04/2006 04:45
4. Fiffi
(
11/03/2006 07:51)
izany hoe mba manoratra aho ka! tantara , tononkira , poésie , fa raha mitendry aloha dia tsy mahay na kely aza indriny :-D fa sao dia ianao ily hitako , nisy emission tao @ M6 indray mandeha ary Paris sy Andry koa ny anarany ka izay no nahatonga ahy nametraka ny fanontaniana :)
5. bida
(
11/03/2006 22:18)
Ka ny akama ve tsy tokony mba hahay instrument ihany sao dia vizaniny musiciens raha tena miankina be aminy surtout ny soliste @ guitare. De efa manana hira zany ny akama zao? Mahereza fa za, mitsoka siflé no haiko
7. mpitedry
(
12/03/2006 22:45)
Fiffi:
:-D:-D:-D fa angaha moa misy maharatsy an'io ?:-D:-D
Tsy misy resaka hoe tsara na ratsy ny zava-kanto. Ny marina dia misy olona akaiky azy mihoatra ny hafa, ary samy mampiasa azy araka ny tiany hampitainy ny mpanakanto tsirairay. Izaho rehefa mamoron-kira miaraka ny gitarako dia toa mandeha ho azy ilay "feeling". Ny sasany mety any amin'ny zavatra hafa no ahazoany "feeling"! Raha mpamorona tonokalo ianao dia mba halefaso aty, raha mazoto, sao dia mba mety hahitako mozika...
(Tsy izaho ilay Andry tamin'ny M6).
9. xxx
(
14/03/2006 06:59)
Ahoana ny fahitanareo ny mpihira R&B gasy eto amintsika ?
Mety hatao R&B marina ve ny teny gasy, fomba fanonona, tononkira, ... ?
Ahoana ny fahitanareo an'i Mrion iny, toa sady mamorona hono nedala no manao ny composition,
Mety ho tsara ve ny hoavin'n'y R&B gasy?
Ka tsy hiramarama ho ao daholo ndray ny ankizy ?
10. Fiffi
(
14/03/2006 08:10)
Mety hatao R&B marina ve ny teny gasy, fomba fanonona, tononkira, ... ?tsy ny teny gasy kosa angamba io an! fa ho an'ireo mpihiran'io hiany .
11. nosta
(
18/04/2006 04:45)
salut!
manana namana maromaro mahay mitendry ireo rehetra ireo aho nefa ny pb de zay aty mada. Zay ko manko mba miezaka ihany ny anandratra avo ny mozika indrindra fa ny blues sy ny jazz ary ny pop rock, ka asa ra azo atao ny mifandray na de par mail fotsiny aza :wink: (sady manana basiste zay no manan mpitendry clavs sy gitara solo no manana mpively batterie, zany oe complet ny avant :)
manana namana maromaro mahay mitendry ireo rehetra ireo aho nefa ny pb de zay aty mada. Zay ko manko mba miezaka ihany ny anandratra avo ny mozika indrindra fa ny blues sy ny jazz ary ny pop rock, ka asa ra azo atao ny mifandray na de par mail fotsiny aza :wink: (sady manana basiste zay no manan mpitendry clavs sy gitara solo no manana mpively batterie, zany oe complet ny avant :)