rova: grue zesta fotsiny!
1. jentilisa
(
01/03/2006 12:57)
Faly ery ny maro mahita ilay fitaovana ngezangeza mijoro eo amin'ny Rova eo. Tena hiasa, tena hanomboka ny asa hoy ny eritreritry ny maro. Saingy ny mampihomehy dia izao. Tsy mihetsika mihitsy ilay grue. Natao hakana vola any amin'ny olona rehetra fotsiny ilay resaka. Sa asa anefa...
répondu par Fiffi le 05/03/2006 07:07
2. agoago
(
01/03/2006 14:10)
Marina ve izany ry jentilisa, izahay moa na eto Tana aza tsy mba miakatra eny @ haute ville eny firy ka tsy mahatsikaritra izany.toa oahtran'ny hoe mandinika ireo vato anie ry zareo, numeriser azy ireo tsirairay,numéroterna tsirairay koa, hoe jerena eo izay tsara, esorina na soloina izay ratsy, izay no fantatray farany.Kay izany ve ny fahitanao azy?
3. Fiffi
(
01/03/2006 15:13)
Nandray anjara amin'ny fanarenana ny Rovan'i Manjakamiadana ny vondron'ny menavazana tia tanindrazana tamin'ny 1947 ( VMTTM 47 ) Nanolotra lelavola voaangon'ny fikambanana izy ireo , homeny ny komitim-pirenena ho amin'ny fanarenana indray io vako-pirenena io.Mpikambana miisa 150 eo ao amin'ity VMTTM 47 ity no nanao latsakemboka , fitia tsy ma hetra tamin'izao adidy masina izao.Fitaratra ho an'ny sokajin'olona hafa eo amin'ny firenena ihany no nataon'ireto zokiolona mivondrona amin'ity fikambanana ity izao.Iaraha-mahalala eto amintsika fa anisan'ny sokajin'olona anjorom-bala ihany , na ao anatin'ny sokajin'olona sahirana amin'ny ankapobeny ny ankamaroann'ny zokiolona.Na azo lazaina ho nahavita be teto amin'ny firenena aza izy ireo , amin'ny andron'ny 29 marsa , fitsingerenan'ny tolom-panafahana , 59 taona lasa izay , no mba tsaroan'ny rehetra.Mikasika ny asa eny an-dRovan'i Manjakamiadana , efa amperinasa tanteraka izany dia ny Colas , miaraka amin'ireo fitaovana vaventy sy isan-karazany ampiasainy.Raha ny hoenti-manana dia mbola mila ny fahalalan-tanan'ny rehetra ihany.Tonga amin'ilay fitenenan'Ny Ombalahibemaso hoe "tsy adidiko izaho samirery , fa adidiko izaho sy ianareo" izany hoe adidin'ny rehetra rst ankanavaka manerana ny Nosy mihintsy.
jentilisa: nefa dia nahita an'ity aho t@ gazety dia mbola tsy nisy fihetsehiny mihintsy ve hatramin'izao ?
jentilisa: nefa dia nahita an'ity aho t@ gazety dia mbola tsy nisy fihetsehiny mihintsy ve hatramin'izao ?
5. naritsimba
(
02/03/2006 04:10)
raha izaho manokana aloha dia tsy handoa na ariary zany fa aleo mba ho hitan'ny taranaka fara aman-dimby ny faharavany.
Raha ny hevitro tadivina aloha ny nandoro ny rova izay vao miezaka manangana fa raha tsy izany dia tsy ho hita intsony koa izay nandoro an'io.
Amiko dia fitaovana entina hanaovana propagandy fotsiny ny filazana fa ho voatsangana io dia rehefa tsy Ra8 no lany dia tsy voatsangana ny rova.
Asakasakareo io fa zà tsy hanome na iraimbilanja aza fa aleoko omena ny mahantra toy izay hamokisana ny efa voky ny volam-bahoaka.
Am-bava homana am-po mierotra..! Atsipy ny tady an-tandroky ny omby atsipy ny teny am-pon'ny mahalala.
Misaotra Tompoko!

6. Fiffi
(
05/03/2006 07:07)
raha izaho manokana aloha dia tsy handoa na ariary zany fa aleo mba ho hitan'ny taranaka fara aman-dimby ny faharavany.dia inona no tanjona @ izany ?