tsaho! tsaho! tsaho!

1. jentilisa ( 24/02/2006 14:07)
Dia manahirana mihitsy ny mitranga amin'izao fotoana izao. Ary tsy fantatra na ahoana fa dia misy ny kinga amin'ny fanaovana azy io eto MAdagasikara. Efa fahita ihany moa izany any amin'ny sehatra sasany amin'ny aterineto mikasika an'i Madagasikara. Ankehitriny dia amin'ny alalan'ny feon'ny mpihaino amin'ny radiô tsy miankina indray ry zareo no mampiely azy fatratra.

Ny nokendrena voalohany tamin'izany dia ny vokatra tiko amin'ny alalan'ny yoghurt. Nisy nanely azy aloha tamin'ny radiô ny alatsinainy, nilaza fa tamina mpivarotra roa samihafa no nividianany ka narary daholo ny olona tao an-tranony. Nandeha amin'izay ny adi-hevitra ary nisy ny tsy nanaiky ny fisian'izany fa heveriny ho fanosoram-potaka fotsiny. Nitohy io ny andro faharoa ary teo no tsikaritro avy hatrany fa ilay ramatoa nitarika ny resaka ny alatsinainy dia niverina indray tany an-tenantenany ary nilaza ho mpivarotra indray izy teo...nanaitra ahy avy hatrany ny fiteniny satria somary badalela io ramatoa io. Tonga dia nihevitra avy hatrany aho fa hampiely tsaho sy hanasarita-bahoaka no tanjon'ity ramatoa ity sy izay niaro azy moa izany...
Avy eo indray dia nisy ramatoa hafa indray nilaza androany fa nisy mpandraharaha vahiny vao tratran'ny tazo tao Toamasina ka nankany an-dafy hitsabo tena. "tany izy no sitrana" ary rehefa nojerena ny analizy hoy izy dia fantatra fa tsikongonia ilay izy. Nangidihidy avy harany ny sofiko. Sitrana sahady ve ilay mpandraharaha nefa vao haingana izy no tratra? tsy voalaza ve fa amam-bolana vao sitrana io aretina io? heveriko avy hatrany fa tsaho hafa amelezana ny fanjakana indray ity resaka ity!

rehefa nojereko izany dia ny Prezidà Ravalomanana mihitsy no kendrena amin'ireo tsaho niseho tamin'ity herinandro ity ireo. Iza no mahazo tombotsoa amin'ny fampielezana ny tsaho eto Madagasikara? Sao mba misy sazy sahaza ireny olona mpanely tsaho ireny satria fanakorontanana mihitsy no kendreny?
répondu par jentilisa le 27/02/2006 05:20
2. jentilisa ( 24/02/2006 14:10)
dia adino ny hoe ny nolazaina ho marary moa manginy fotsiny!
3. Rainimaharavo ( 24/02/2006 20:32)
DIA INONA INDRAY HONO NY FANAMPINY?
angony daholo aloha ny tsaho henonao dia resahantsika miadana izy aoriana.
Rainimaharavo
4. LazaRandri ( 24/02/2006 23:06)
- mba ahoana marina ny yaourt any am reny faritra mbola misy delestazy reny? normalement tsy azo hanina reny refa tapaka "chaine de froid" fa mankarary! sa mou ny gasy efa vita vakisiny e? hahaha

- ary mbola misy hotely misokatra ve ao Jangil ao amzao?
5. lapino ( 24/02/2006 23:23)
Raha ny fitsaboana tazo ve tsy ny dokotera gasy aza no tena mahay azy noho ny dokotera vazaha e?
6. LazaRandri ( 24/02/2006 23:27)
hahaha! bitrono angaha efa tratranile oe mihinana comprime nivaquine 1? hahaha
7. Herimiafina ( 25/02/2006 00:50)
:roll::roll::roll::roll:
8. lapino ( 25/02/2006 00:51)
Hihihi, mahery vaika be le fanafodin'ny dokotera vazaha kay?! =))=))
9. dadabe ( 25/02/2006 06:03)
zah tsy kopy le 8)
10. jentilisa ( 25/02/2006 07:32)
Tsy maninona fa hangoniko eto ny tsaho miely isan-karazany raha izay fotsiny!
11. watafon ( 26/02/2006 07:13)
LazaRandri, tena marina io voalazanao io e! aty Morondava zao ny yaourt ze vidina mibotsiny daholo ny ankamaroany, ny antony d tsotra ihany: le delestage izay manapaka ny chaine de froid d tsy mety intsony ilay fitahirizana ireo sakafo !!
Lapino, raha tazo tsotra d isika malagasy no mahay mitsabo kokoa, fa raha tsikongonia kosa d mbola tsy hananantsika traikefa mihitsy !!!
12. Achia ( 26/02/2006 09:17)
Tena tsaho marina zany fa ny ol voan'ny tsik de eo @ herin'andro aloha raha haingana indrinadra marary da holo ny vanintaolana rehettra fa rehefa ho sitrana izy vao mamoaka le bouton mena mangidihidy fa ny fika raha voany de manao tsemboka iazny hoe manao evoka mba hampiala le poizina fady ny manao sport fa midina ny tosidra mety mila antibiotika io fa ny dokotera vaza tsy manome anle olmarary fa parasetamoly fona de aza vony ihany e
13. Veloo ( 26/02/2006 18:58)
loza ndray zany:roll:
14. jentilisa ( 27/02/2006 05:20)
Dia isaorana ny RDB naka ny anaran'ny olona izay niteny tamin'ny telefôna satrai mampihena be dia be ny tsaho aely amin'ny radiô izany. Aleo mba tompon'andraikitra amin'ny teniny tsirairay avy e!
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.4445