JIRAMA TOKONY HASIANA CONCURANT PRIVEE

1. xxx ( 24/02/2006 11:13)
manao ahoana daholo!

Tena tsy rariny ny ataony JIRAMA fa isam-bolana izao ve de mampakatra jiro foana, ny jironay zao @ volana decmbre 152ariary ny unité
ny janvier 166 ariary ny unité
ny février 180 ariary ny unité

zany ve de rariny, vonoina mintsy ny vahoaka madinika, mba manao asa kely hivelomanao enao de asiana @ vidina jiro indray, tena tsy rariny e!
répondu par radanz le 08/03/2006 13:24
2. xxx ( 24/02/2006 11:51)
tena tokony asiana con-courant mihitsy!
3. xxx ( 24/02/2006 16:27)
Tena marina ny eritreritrao nefa efa misy ange zany e! fa saingy mbola tsy rariny nohon'ny jirama koa aza ,zazao noefa niaina izany tany Ilakaka 82500fmg par ampoule par mois ny hofany nefa 11h à13h no irehetany @ atoandro ary 18h à 24h kosa ny alina dia aiza no iainanao amin'izany anefa e!ny appareil simba manginy fotsiny amin'ny fiakaran'ny tension ny courant tampoka aleo ihany jirama fa vao maika maty ny vahoaka raha izany no ho tanterahina eto e!
4. Herimiafina ( 24/02/2006 18:53)
xxx:

manao ahoana daholo!

Tena tsy rariny ny ataony JIRAMA fa isam-bolana izao ve de mampakatra jiro foana, ny jironay zao @ volana decmbre 152ariary ny unité
ny janvier 166 ariary ny unité
ny février 180 ariary ny unité

zany ve de rariny, vonoina mintsy ny vahoaka madinika, mba manao asa kely hivelomanao enao de asiana @ vidina jiro indray, tena tsy rariny e!


Fanahy iniana ny krizy amin'izay afaka mi-jusytifier ny privatisation tsara mihintsy! hehehehe:-D:-D
5. xxx ( 24/02/2006 21:00)
Tsy possible mihitsy ny hisian'ny concurrent ho an'ny JIRAMA. Raha misy ny concurrent dia tsy ampidina velively ny vidin'ny jiro izany.

Ny fanazavana ara-ekaonomika an'io dia tsotra fotsiny: efa lasany daholo ny infrastructure de base rehetra amin'ny exploitation electrique ary efa récupéré ny investissement niditra tao.

Raha misy izany concurrent vao hiditra dia tsy maintsy mitrandraka infrastructure vaovao izy (quelques millions d'euro any) na manofa amin'ny JIRAMA amin'izay efa misy eo. Miakatra noho izany ny cout ho an'io entreprise vao miditra io, ary vao maika aza hiakatra ny vidin'ny jiro satria ho faillite izy raha tsy zay. (Mitovy tsy misy valaka amin'ny casn'ny telephone io: ny TELMA, ORANGE, MADACOM).

Ny vaha-olana dia tsy misy afa-tsy ny famerana ny vidin-jiro ary ny fanjakana irery ihany no mahavita sy afaka manao io.

6. lapino ( 27/02/2006 21:03)
Ary za efa naheno hoe JIRAFI. Mbola misy ve io am'zao?
7. xxx ( 28/02/2006 13:13)
Mety hoe mbola misy anie izy fa any amin'ny faritra désenclavé mihitsy e. Izany hoe rehefa tsy afaka midesservir intsony ny JIRAMA dia izay vao afaka mivelona ireny entreprise ireny.

Fa tant que mbola miaraka eo amin'ny marché ny JIRAMA sy izay soit disant hoe concurrent aminy dia efa levona daholo izao eo e. Izay ilay hoe:"Position de Monopole forcé" :lol: (Tahaka ilay poilitique d'adduction d'eau dans les zones enclavées ireny, izany hoe tsy rentable ho an'ny JIRAMA ny mi-investir any fa misy rique de non-retour d'investissement dia izay vao miditra ny entreprise kely)
8. radanz ( 08/03/2006 13:24)
de raha miditra aza ny entreprise kely, ny côut -ny koa tsy an-jaza, de zay le mahatonga ny entreprise madinika ho faty ho azy, hanao lafo rehefa avy eo , ny mponina tsy maharaka ny vidiny lafo, hanao mora mba hanasoa vahoaka, toa mamono tena ihany, de tsy hita izy ty fa izao le hoe ze tian-dry zalahy jirama ihany io sisa e !:lol:
de mande ny delestazy tsy delestazy delestazy tsy delestazy, de ianao mandoa vola ihany; mahagaga e?:?::?:
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.3057