Vaovao azo farany.

1. Fiffi ( 19/02/2006 08:19)
Communiqué de presse de la Présidence de la République de Madagascar.
Tiako-i-Madagasikara

Efa hatramin'ny Alarobia faha-15 febroary no efa nanomboka nitodi-doha nihazo an'i Madagasikara ny fiaramanidina nitondra ny Filoham-pirenena Marc RAVALOMANANA sy Ramatoa vadiny. Ny zoma faha 17 febroary 2006 tamin'ny valo ora sy fahefany alina no nigadona teny amin'ny seranam-piaramanidina iraisam-pirenena eny Ivato ny fiaramanidina nitondra azy ireo rehefa avy niala sasatra roa herinandro tany ivelany. Tsy nijanona ho fialan-tsasatra fotsiny anefa ny fitsidihana fa nisy ny adidy tsy maintsy natrehana ka ny tena lehibe tamin'izany dia :
- Ny fandevenana an-dRamatoa Coretta KING, nodimandry ny talata 31 Janoary 2006, vady navelan'ny Pasteur MARTIN LUTHER KING. Nanohy ny tolona nataon'ny vadiny izy tamin'ny fitakiana ny zon'ny mainty hoditra. Prezida amerikana, nahitana an'Andriamatoa isany President Bush mivady, Bill Clinton sy Ramatoa Senatera Hillary Clinton, George Bush rainy sy ramatoa vadiny, ary ny filoha Jimmy Carter, no tonga nanome voninahitra azy farany, izay samy niteny sy nankasitraka ny zava-bitany. Nanome voninahitra ihany koa délégasiona afrikana. Naharitra ora 6 ny fotoam-pivavahana fanaovam-beloma, izay nalefa mivantana tamin'ny televiziona maro.

Rehefa izany dia nitsidika faritra maro izy mivady, tao ny toerana notsidihina ho fialam-boly fotsiny, tao ihany koa anefa ireo toerana nijerena soritra izay azo iaraha-miasa amin'ny fampandrosoana. Tao Nevada no tena naharitra ela ny dia ka nitsidihany faritra malaza amin'ny fizahantany :
¢ LAS VEGAS, nanatrika ny fampisehoana nataon'i Elton John ny filoha mivady.
¢ HOOVER DAM
o Anisan'ny tohodrano avo indrindra eran'izao tontolo izao.
o Rano avy amin'ny LAC MEAD sy ny COLORADO RIVER no mampiodina ireo milina mpamokatra herinaratra mamatsy an'i Nevada sy Arizona hatrany California.
- RED ROCK CANYON - toerana nokilasian'ny Filoha Bush ho arovana noho ny hakantony. Mahasarika mpizahantany maro amerikana sy vahiny mahatratra iray tapitrisa isan-taona. Kanto dia kanto ity toerana ity ka tsy mianona amin'ny fizahan-tany fotsiny ny olona fa mihanika tendrombohitra mihitsy na lehibe na ankizy.
- Fihaonana tamin'ny orinasa parteneran'ny IDB - io orinasa io dia misahana ny fanajariana ny tanana sy ny fanaovan-trano.

Le Secrétariat à la Communication de la Présidence de la République de Madagascar.
répondu par fijo le 02/03/2006 20:53
2. Ragadona ( 19/02/2006 09:17)
Maninona no izao vao afaka manao an izany fa nangina be teo . . .
3. fiaritiana ( 19/02/2006 10:00)
efa nintaintaina ny vahoaka...
4. Fiffi ( 19/02/2006 10:41)
ka izay vao nivoaka ilay resaka ko!
5. yonikafopl ( 19/02/2006 13:53)
de tsy we narary njay zany izy??????
6. diamondra27 ( 19/02/2006 14:35)
ny tsaho sy fanaratsiana tsy maintsy misy

politika doly zany

tahaka ny mpihira ihany io, raha couple de hhoe: toa tsy mifankatia tsony hono ry zareo , de @zay vao maika malaza
7. ainaheri ( 19/02/2006 14:51)
Tsy hanareo marina nga ny mampalaza tena aminy,ra ohatra za zao te halaza d mody amoronako zvtr ny mpanao gazety d itanao mo ny mpanao gazety manisy tongony zay mba hisintonana ny mpividy!! d zay à la une lery
8. xxx ( 19/02/2006 15:30)
Inona ary ity fa maninona fa maninona ity?
9. Fiffi ( 19/02/2006 16:30)
xxx: fa inona no inona ? "Inona ary ity fa maninona fa maninona ity?"
ainaheri: ka izay manko eh! tsy maintsy misy "commerce" kely koa manko eh! fa ny mampalahelo fotsiny dia mampitaintaina ny vahoaka fotsiny ny mpanao gazety
10. Fiffi ( 19/02/2006 16:34)
hoy ny gazety Midi Madagascar:
« Pourquoi on m‘avait tant maudit ? Ayez quand même honte ! Ne maudissez pas les gens, ils vivront plus longtemps ». Souriant et serein, visiblement pimpant de santé, le Président Ravalomanana a regagné, hier soir, le pays." Dia hita fa ny mpanao gazety mihintsy no mpamely tsaho !
11. Veloo ( 20/02/2006 01:59)
o ry reto a plus ny olona maniry azy ho faty plus izy ho ela velona mba fantatrareo zany?
Ny jiro any Dago toa efa nilamina ? hita mihtsy fa miezaka izy..=D=D
12. Fiffi ( 21/02/2006 20:42)
marina mihintsy izany ry Veloo an! olona maniry azy ho faty plus izy ho ela velona
13. Herimiafina ( 21/02/2006 21:04)
:roll::roll::roll::roll:
14. fijo ( 23/02/2006 22:09)
tsy mahita hevitra intsony ireo mpanohitra,dia izay hikorontanana'ny vahoaka indray no atany.ka hoy aho hoe:"aza mba mora rebirebena re ry zareo fa sao hitondra lavitra an"
15. pitchou ( 26/02/2006 04:45)
nararin'ny harerahana sy ny tsaho re izy d lasa naka rivotra kou nareo kou!sady mety nisy nalahelo mafy le mpanao gazety fa tsy nentin'i lery hijery ny concert n'le PD iny:roll:
16. fijo ( 28/02/2006 22:06)
izay koa aloha tsy hay e
17. Fiffi ( 01/03/2006 16:17)
nalahelo mafy le mpanao gazety fa tsy nentin'i lery hijery ny concert n'le PD iny
8O
18. fijo ( 01/03/2006 19:43)
mety marina io ka
19. yonikafopl ( 02/03/2006 16:11)
zay ngambany :roll:
20. fijo ( 02/03/2006 20:53)
mila mahita tany ko
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.084