11 febroary 1975 : Iniana adinoina ve ?
1. Fiffi
(
11/02/2006 06:28)
mitsingerina anio ny faha-31 taona namonoan'ny sasany ny jeneraly Richard Ratsimandrava, Filohampanjakana Malagasy tetsy Ambohijatovo ambony ny alin'ny 11 febroary 1975.
31 taona aty aoriana, mbola mijanona ho misitery hatrany ny nahafaty ny jeneraly Richard Ratsimandrava. Tsy fantatra ny antony sy ireo namono na naniraka ireo mpamono, na dia efa nisy ihany aza ny fitsarana natsangana hitsara ireo noheverina fa voarohirohy tamin'ity resaka ity.
Etsy andaniny, toa misy ny maniry ny hanadinoina iny tantara iny, koa zary lasa raha misy hetsika atao ho fahatsiarovana ny 11 febroary 1975. Tantara lehibe tsy ho voafafa na inona atao na inona hamafana azy anefa io daty io satria Filohampanjakana no maty nisy namono, koa fomba ahoana no tsy hahatsiarovan'ny Malagasy izany.
Tsetsatsetsa tsy aritra no ilazana fa ny fikambana "Manaovasoa" irery ihany no hanao hetsika ho fahatsiarovana ny datin'ny 11 febroary 1975, izay namonoan'ny sasany ny "rain'ny Fokonolona", fototra mbola tsy azo hialan'ny tetikasam- panarenana ara toe-karena sy sosialy raha eto Madagasikara.
Nalaina avy amin'ny gazety Madagascar Tribune
Mpanoratra: Andrr R

répondu par fijo le 14/02/2006 21:20
2. vancleef
(
11/02/2006 07:41)
Hommage de l'Ecole Spéciale Militaire Interarmes (promotion 1954-1956)
http://www.promos5456.com/naviginmemoratsimandrava.html

4. Fiffi
(
11/02/2006 11:50)
dadabe: hapetrao @ ireo olona nitondra taloha io fanontaniana io dia ho afa-po ianao !!
5. ravatorano
(
13/02/2006 04:41)
mba jereo kaly ary ty fa hoy ry zalah mantsy.....
http://www.lagazette-dgi.info/index.php?option=com_content&task=view&id=4124&Itemid=9
Mazotoa eh
:wink:

6. fijo
(
14/02/2006 21:20)
isika ry ravato ngamba no mba efa tonga saina tamin'izany andro izany,fa ny sasany eto dia mbola kely,tamin'ny fotoanany.
za dia nanaraka tsara iny fitsarana "clown" iny.
"clown" satria,be tsaka ny zavatra tsy nitombona voalaza tao.toa ilay comanda nilaza fa naheno naheno ny resaka rehetra,ary nony nanontaniana izy hoe :"fa taiza enao no naheno ireo?"
ny valiny:"niafina tao ambany latabatra nivoriana aho tompoko".sic
ny colonely brechar indray moa,raha hanontaniana amin'ny teny gasy,dia mamaly amin'ny teny frantsay,ary rehefa anontaniana amin'ny teny frantsay,dia mamaly amin'ny teny antechaka.
fa ny zavatra niombonana'izy rehetra voatsara tao,dia ny filazana :"fa tsy eto amin'ity fitsarana ity ny tena namono azy"
ary ny filazan'izy rehetra koa raha nanontaniana hoe "vola taiza no azonareo?":
valiny :"tany amin'i ratsiraka"
izy rehetra dia saiky nilaza fa nahazo vola avy any amin'i ratsiraka.
ary araka io voalaza io,dia efa nomena an dratsiraka io fahefana io,fa hoy izy tamin'izany:"tsy hafaka handray fahefana aho,raha mbola eo ratsimandrava"
ny antony,dia nizara roa ny hevitra tao amin'ny governemanta ramanantsoa tao.ny mpomba andratsiraka,sy ny mpomba an dratsimandrava.ka nanahy mafy ry zareo mbomba iry voalohany,fa raha mbola eo ratsimandrava,izay toan'ny vahoaka,dia tsy hafaka hitondra milamina izy ireo.
ary nony taty aoriana moa dia mbola nitohy ny famonoana ny mpomba andratsimandrava rehetra.