Mahafaly foana na ny "mahasosotra" aza. hahaha!

1. LazaRandri ( 10/02/2006 01:04)
Tsy natao hanimba ny fiaraha-monin'ny avy any an-dafy sy ny eto an-toerana akory fa entina hitsikiana fotsiny ihany. Noho izany aoka tsy hisy ahatsiaro tena ho cible e!

Bandy avy any an-dafy sy bady eto Dago:

Mahatsikaiky sy mahalasa saina
Fa izy mantsy hono mpanefoefo be
Ny fijeriny anao: tsy kitay tsy vary maina
Tsy fantany akory eny an-dalam-be

Tsy hainao angaha fa izy tany an-dafy
Sady sefo deba r'efa eto an-tanana
Tsisy sahy mikozy r'efa izy no migafy
Ny polisy aza ataony mianahana

Asa ahoana loatra izao an-dafy izao
Any angamba zany 'lay paradisa an-tany
No mahatonga azy manambany anao
Satria ianao tsy taiza fa teto foana ihany

Ra ianao no hitany mitondra vitara
Dia lazainy fa mpamili'ny mpandraharaha =))
Fa mampihomehy koa ny mandeha chevrolet
Ianao 'ngah hono mpiasa an-tranon-dramose? =))

Sambatra hono izy fa efa tany ivelany
Miteny vazaha be hatramin'izato lelany
Soa fa nisy azy mba atao fihomehezana :-)
Manome fifaliana sy fankaherezana

Dokafy kely izy dia ho hitanao
Fa tsy ilaina akory ny mividy kilalao
Izy dia ampy atao fanalana andro
Na maraina na hariva...mandritry ny herinandro =))

hahaha!
LR

répondu par tslem le 01/07/2007 06:50
2. Lejim ( 10/02/2006 02:58)
Ny ahy kosa aloha tsy hoe fanambaniana
Tsy fanalam-baraka tsy fananinaniana
Fa matetika ireo bandy mizesta an-tanana
No tena tsy alehany sy be hanahana

Tsy fananiako akory indray andro izay
Ny nihaona tamim-bazaha, ka niteny Anglais
Nijery ahy doly no nataon-dry zalah
Fa izaho hono no tena rajakom-bazah

Lasa ihany ny eritreritro nandinika izany
Tsy nandry ny saiko fa hoe nahoana ihany
F'angaha izy ity rehefa avy aty am-pita
Dia hialonanareo hoe: Ireny no tafita?

Tsy tezitra akory zah no manoratra an'ity
Tsy mirehareha, tsy be hambom-po sanatria
Mpinamana isika fa tsy mpifahavalo
Hihirahira, hiserasera ary hikalolokalo

(Noforonina tanteraka ny tononkalo ka tsy misy ifandraisany amin'ny zava-misy an)
Peace doly antsika jiaby.
3. Fiffi ( 10/02/2006 05:46)
Izaho angà taim-bazaha
No lazainao fa tsy saha
Ny hilaza izay ato am-poko
Ka manahirana ny foko

Tsy mihanahana aho
Tonga dia avoakako
Ireo manelingelina ahy
Mba hampitombona ahy

Fa nahoana no rajakom-bazah ?
Manana ny zohako aho
Ka tsy hanaiky hanaovana ahy
Toy ny tsy manam-panahy

Raha ireo vahiny no sahy hilaza
Fa isika gasy fitsetsenana
Nefa isika manan-daza
Fa tia fanorenana

Andramo ange dia ho hitanao
Fa mahay miraisan-kina izahay
Ka ho torana eo ianao
Izay vao hoe manenina izahay

(tena vao noforonona teo koa io an! mba nahazo haigam-panahy dia mba lasa koa e!) :):)
4. Herimiafina ( 10/02/2006 15:44)
Tena manantalenta daholo ianareo izany! Misaoatra nampitsikitsiky ry zareo an!
Fa izao, ianareo dia olombelona mahafinaritsa daholo fa tsy misy rajako izany, izay fotsiny. :-*
5. Veloo ( 12/02/2006 00:37)
6. xxx ( 12/02/2006 09:01)
Tsy very tsy ho Gasy izany,
Na teto foana ianao na tany.
Ka aza dia mifanatsafa,
Tsy aleo ovaina ve ny tafa?

Nahoana raha mifampizara
Irony traikefa tsara?
Ny Firaisan-kina hono hery,
K'aza ilaozana mifampijery.

Atambaro ny herin-tsaina,
Ndeha i Gasikara no hatsaraina.
Atambaro ny herin-tsandry,
Fa i Gasikara sasa-miandry.

Pissoa
:-*:-* doly nareo rehetra!
7. LazaRandri ( 13/02/2006 02:16)
Pissoa:

Kay ndry kou mikalo? :)
Ndao ampiana ravalo
Hanenjika dahalo

Marina tkou aki
'reo voalazan-dri
Miandry 'ti nosy 'ti

Mitady firaisan-kina
Tsy misy mpanakiana
Tsy mila be kiriana

hahaha!
8. xxx ( 13/02/2006 03:16)
Fomban\'ny bandy efa hatramin\'izay ela izay
Ny miseho, manindry, mizesta
Fa tsisy mah\'ratsy azy akory ny miseho milay,
Ny manambany sy mandainga no pesta

Ny bandy tafakatra avy any amin\'ny toerana sarotra
No bandy azo atao hoe mahery
Izay asa, mamboly, manefy, saofera, mivarotra
Tsy mikaonty fa ny vokatra irery

Ka ny zesta hatao
Dia ny lentanao sandao

Tsy paradisa koa ny an-dafy
Na i Dago no mampihafy

Tô manao xxx ilay efa Pro fa aleo mba hianarana kle! :)
9. pissoa ( 13/02/2006 10:48)
xxx: Aiza indray ity Pro ity e! Sady izaho ary nilaza anarana koooo - Hihihi! Fa i xxx anefa otsan'ny kooo, sao maneso io raha tsy diso ny eritreritro :)

Fa na izany aza dia izao e:
xxx:
Fomban'ny bandy efa hatramin'izay ela izay
Ny miseho, manindry, mizesta
Fa tsisy mah'ratsy azy akory ny miseho milay,
Ny manambany sy mandainga no pesta


Ekeko tokoa ireo voalazanao,
Fa ny ho voka-dratsiny, indrisy;
Toa hivoy mangingina ilay fomba fanao:
Mihevitra ny hafa ho tsy misy!

Tsy aleo ve mizara, tsy miseho milay,
Dia siora fa ho foana ilay "Pesta"?
Mety hiara-tafarina isika amin'izay,
Ka Gasy rehetra no hizesta :wink:
10. lapino ( 13/02/2006 14:44)
http://serasera.org/vetso/index.php?rub=vetso/vetso&poeta=Pissoa dia izao ve tsy Pro e? Sady reveko ny tononkalonao an! :wink:
11. pissoa ( 13/02/2006 18:14)
:oops::oops: Hihihi - toa raikitra ny ampamoaka kle! :-D:-D

Misaotra e! :-*

LR: tsy mikalo kah, manala azy e!
12. vale ( 28/02/2006 12:35)
Na bandy na sipa
rehefa mizesta de tsy mahavita
tsy vitan'izany fa mahamenatr'olona
hany ka maty fosa sy tondron'olomolotra
(hihih)
Na avy aty an-dafy na avy aiza koa
ny tany nimpoirana tsy maintsy gasikara ihany
ka tandremo manao kitoatoa
fa manjary toetra mifanambany

Raha dinihana dia alahelo no betsaka aty
satria lavitra ireo havana, olon-ty
ka tsy hitako izay hizahozahoana @zany
sao dia lasa be vinany :{

hà,hà,hà,hà,hà,;-)
13. Fiffi ( 03/03/2006 05:11)
aiza ny manaraka ô !
14. vale ( 03/03/2006 17:33)
Fiffi: miandry andry koa aky à:wink::-*
15. vale ( 03/03/2006 17:56)
Fiffi: ay efa misy an-dry io ambony io:oops: :-D
16. Fiffi ( 04/03/2006 13:54)
:-D:-D:-D:-D
17. naughtyboy ( 24/04/2006 07:53)
samy ho faly raha samy tafita
na avy eto dago na any ampita
tsy ny ambompo akory no mibahana
Ireo fo tsy hiadana
raha mahazo ilay katsahana
ho an'i i Dago ilay toerana ifaranana
Samy hamiratra @tsika daolo ny kintan'i dago eee
18. tslem ( 01/07/2007 06:50)
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.5742