Volley ball COI

1. Ralay ( 25/01/2006 17:37)
Ho an'izay manaraka ny rencontres Volley ball ao palais de sport @ zao fotoana izao.Ahoana ny fijerinao ny ekipa malagasy mandray anjara @ lafiny rehetra (Teknika,fizika sns..) mihoatra @ ireo ekipa avy any ivelany mandray anjara? Misokatra indray nyady hevitra.
répondu par jhoy le 01/02/2006 12:33
2. Veloo ( 25/01/2006 19:20)
tssssss zay ranga tsy mahita...:°):twisted:
3. ericgael ( 26/01/2006 04:27)
tokony hifandanja tsara @ ekipa vahiny rehetra alou ny malagasy é (cosfa sy tiko ndrindra²).
ny teknika kou misy atokona mihints, fa eo @ fahadisoana madinidinika no mila harenina.
4. mamybe ( 26/01/2006 04:52)
Le omaly nampalahelo fa tsy dia nifandanja loatra ny haben'i AFA sy PTT (La Réunion). Somary kelikely ara-batana ny ekipan-tsika. Na izany aza hita hoe mora mi-panique ihany. Nanjary resy set 3-0. Na izany aza mbola tsy ampy amin-tsika ilay hoe manohana hatramin'ny farany. Ilay mpiasan'ny MBS nanao commentaire aza dia nanao hoe "Avelao hataon'ny olona rehefa tsy hanao". Izany ve dia mba mety? Rehefa hoe an-tsika dia ampaherezo aloha na ahoana na ahoana.
5. jentilisa ( 26/01/2006 07:03)
ny an'ny lehilahy tsy dia maninona loatra, fa rehefa mandresy dia iay ihany hoy ny fiteny tsotsotra izay.
Ny an'ny vehivavy koas dia be loatra ny tsy fifankahazoana eo amin'ny mpilalao iray tarika hany ka simba ny fiarahana sy ny lalao, ny an'ny AFA indrindra indrindra. Soa ihany fa mba nisy nety ihany ny nataon'ny stef'auto...
6. jentilisa ( 27/01/2006 07:30)
izao ny fandaharam-potoana anio izay atsasa-dalam-pamaranana.

(V) Vallijee Citizens / Azur Sport Club
(L) Beauvallon / Vbc St Leu
(V) Asptt / Stef'Auto
(L) Cosfa / Tiko Sc
7. mamybe ( 27/01/2006 10:01)
Misaotra an'i jentilisa nanome ny prog e! Indrisy anefa fa nandritry ny ora fiasana ny ankabeazany ka sarotra be ny hanatrika any foana. Dia @ télé sisa manamafy e! Le @ week-end izao no hitadiavana hevitra ny mba hanatrehana azy.:roll:
8. Ralay ( 27/01/2006 17:53)
Mety ho tafakatra hanao finale ve ny gasy na lahy na vavy?
9. jentilisa ( 28/01/2006 07:25)
Ny gasy anie tsy maintsy misy tafakatra amin'ny lehilahy izany e! izany hoe efa Cosfa moa no hiady ny amboara amin'ny famaranana! 3 noho 0 no nandreseny ny tiko, fa niady ny baolina na dia izany aza an!
ny vehivavy indray tsy reko mihitsy satria tsy nahitan anontaniana aho. moa ny ekipa vahiny tahaka ny tsy miraharaha izany na ny mpanao gazety na ny olona hihaino ny vokatra, mila ezaka isika amin'io

Manaraka izany dia saiky feno ihany hoe ny palais de sport tamin'io demi-final io an
10. Ralay ( 28/01/2006 19:51)
Toa tsy tafakatra ny gasy vehivavy fa ny COSFA no hanao finale zany ka dia minadry ny valiny isika e :lol:
11. jentilisa ( 29/01/2006 12:30)
Dia ny Cosfa izany nonibata ny amboara teto amin'ny oseana indiana e! okay!
12. Ralay ( 30/01/2006 09:59)
Milay zany fa ny vehivavy no mbola mila mikotrana mafy² mba hiverina @niveau-ny taloha satria ny gasy no ni-domine t@iny faritra ocean inden iny taloha sady tokony hisy koa ny detection des jeunes.
13. ravatorano ( 30/01/2006 10:54)
nisy namana teto amin ny serasera nifanao fotoana nijery ny lalao famaranana ary efa jnisy ihany koa talohan izany ary d nasehon ny mbs miitsy moa ry zareo we ireo ry namana serasera mijery volley hahahha
lasan i cosfa ny amboara ary tena niady ny lalao fa na izany aza za mahita fa raha mbola eto amin ny nosy manodidina antsika aloha mbola varatra tsika eh b morale no mahay ùmanafaingana lalao ary nety miitsy ny defense basse tamin iny fa ny releve no mety hanahiran atsy ho atsy .Ny rejko aloha avy tamin ny namana iray ato dia efa misy ny releve ary ny tiko no manana izany amizao fa ny ekipa sasany efa somary goaika ihany.
Vita aloaha iny nahafinaritra ny vokatra teo amin ny lhl tsara ny fandraisana sy ny fikarakarana araky ny tatitra angazety ireny fa d ny manara&ka indray inzany andrasana ary enfa anie ka ho voatanan ny ekipa malagasy ihany nyamboara.=D=D=D=D=D
14. jentilisa ( 30/01/2006 14:05)
ô ravatorano a! enao anie no mahafantatra izany namana serasera izany fa zahay aloha tsy naheno izany mihitsy e!
Ary ny mbs koa izany mahalala anareo betsaka an!
15. jhoy ( 01/02/2006 12:33)
Eny ekene fa tena raitra tokoa ny cosfa raha ireny zava_bita ireny aloha ,fa voatana ve ireny mandra_mpahatongan'ny jeux de l'ocean indien ho avy io?.
Mba efa misy miheritreritra ve ireny club ireny ny hanomana taninketsa vaovao dia ny izao?
Isika eto mantsy tsy misy miheritreritra mihintsy ny hampianatra sy hampilalao ny zaza va miakatra ,fa miantehatra @ efa lazaina hoe zadraraha nefa ireny anie tsy ho eo foana ,mialehibe ,mihareraka ireny olona ireny,ka rehefa tsy mahavita intsony izy ireny izay vao mitady olona indray dia depart zero indray isika ,izay mihintsy mantsy ny mahatonga ny fanatanjahantena eto amin_tsika tsy mandroso .
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1668