tsy maintsy ny any ivelany ve?
1. jentilisa
(
21/01/2006 06:59)
Amin'izao fotoana izao dia tadiavin'ny mpitondra fanjakana fatratra ny hisian'ny mpandraharaha vahiny mba hampiasa ny volany eto. Gaga ihany aho hoe tsy maintsy izay ve no lalana? Maninona raha mitodika amin'ireo mpandraharaha eto an-toerana aloha? Sao dia diso paika ny fanjakana?
Raha jerena ny angovo izay mbola olana aloha eto: tsy tsara ve raha miainga amin'ny zavatra kelikely tsaratsara antonona ny sarambaben'ny vahoaka manerana an'i Madagasikara (fa tsy Antananarivo fotsiny). Angamba kosa tonga ny fotoana mba mitodika amin'ny angovo azo avy amin'ny rivotra na ny masoandro isika fa tsy hionona amin'ny solika izay tsy maintsy afarana avy any ivelany hatrany.
Eo koa ny famokarana fary azo anaovana ethanol mba hahasolo ny lasantsy eo ampelatanan'ny any ivelany isika. Eo ihany koa ny famokarana menaka mahabibo izay mahasolo ny gazoaly ihany koa.
Sao mba misy amintsika ato no mahay ny momba ireo iaraha-manao fa mey vonona koa izahay...

répondu par botity le 14/04/2006 12:52
2. vancleef
(
21/01/2006 08:46)
Tsy hoe tsy maintsy avy any ivelany faha jereo ireo tany mandroso sy ny pays émergents rehetra dia mila investissements étrangers sy transfert de technologie handrosoanay bebe kokoa.
Jereo ny sinoa nividy Airbus dia tsy ekeny raha tsy misy usine de montage any aminy.
Manana teknolojia sy macine-outil ve anefa intsika hanaovan\'io en quantité industrielle ? Tsy vita fotsiny hoe gasy ka manja.
Tsy rehefa hoe avy any ivelany dia mpanjanatana daholo faha mila mivelatra amin\'ny any ivelany intsika dia hianaranan\'ny teny ny hafa hifanakalozana fahaizana sy tsy ho badoan\'ny sasany. Intsika manko indraidray dia tia kely laotra dia rehefa mba misy manao na gasy na vazaha na karana dia hialonana (ohatra Tiko) faha tsy mba miehatra manao tsara kokoa no izay manao

Eo ihany koa ny famokarana menaka mahabibo izay mahasolo ny gazoaly ihany koa.
Manana teknolojia sy macine-outil ve anefa intsika hanaovan\'io en quantité industrielle ? Tsy vita fotsiny hoe gasy ka manja.
Tsy rehefa hoe avy any ivelany dia mpanjanatana daholo faha mila mivelatra amin\'ny any ivelany intsika dia hianaranan\'ny teny ny hafa hifanakalozana fahaizana sy tsy ho badoan\'ny sasany. Intsika manko indraidray dia tia kely laotra dia rehefa mba misy manao na gasy na vazaha na karana dia hialonana (ohatra Tiko) faha tsy mba miehatra manao tsara kokoa no izay manao
3. kally
(
21/01/2006 08:50)
Dia eo koa angamba ny hoe ny any ivelany no mila antsoina fa isika ato anatiny tokony ho tonga sy hanangana ho azy.Ary io fiantsoana ny vahiny hampiasa ny volany ao @ firenena iray io anie tsy isika ihany fa rehefa firenena dia manao an'io daholo satria be dia be ny tombony azo na ara-toe-karena na ara-piarahamonina ka tsy hitako izay maharatsy azy.
4. xxx
(
21/01/2006 23:43)
Raha ny hevitro dia tokony efa manomboka manao montage-na appareils na pieces detachees aloha isika izao, tsy maintsy avy any ivelany no iavian'izany investissement izany satria any no anondranana azy rehefa avy eo. fa tsy mianona @ textile. ny tourisme dia arme à double tranchant, nefa tsy maintsy trandrahana ihany koa. Jereo ny zavatra miseho any Bengladesh. tsy haka ohatra an'i Chine sy Inde satria efa lasa lavitra @ technologie ireo firenena ireo, no tsy mitovy ny contexte sy ny fahaizana. izao mbola mihevitra fa i Ra8 ihany no mety ahavita ireo zavatra ireo fa ny an'ny sasany resaka ambony vavahady fotsiny.
5. lapino
(
22/01/2006 01:16)
vancleef:
Manana teknolojia sy macine-outil ve anefa intsika hanaovan'io en quantité industrielle
Tiko izao dia ohatra iray indostria lehibe malagasy (tsy resaka pôlitika ady seza ity an!). Niainga avy tamina zavatra tsotra izy io tamin'ny voalohany. Raha halaina ohatra ny tiko, tsy tokony ho toy izao ve ilay fanontaniana: "Manana teknolojia sy machine-outils ve isika hanaovana an'io de manière rentable?".
Raha ny teknolojia manana azo ampiasaina isika. Fa misy farafahakeliny étude mila atao raha hanao tetik'asa momba an'izany, indrindra mbola tetik'asa somary "pionnier" ihany ilay izy. Ny olana indrindra dia eo amin'ny resaka vidin'ny vokatra farany, izay tsy maintsy mahatsindry ny vidin'ny vokatra efa misy mifaninana aminy.
Raha mijery ny herin'aratra izao, asa raha efa nisy nanao kajy nampitovy ny vidin'ny avy amin'ny rivotra sy masoandro tamin'ny vidin'ny an'ny Jirama. Amortissement-na fitaovana no tena mavesatra amin'io (famokarana + fitahirizana, fitaterana), sy ny riska noho ny fiankinana amin'ny meteo.
Eo amin'ilay resaka lasantsy indray, asa ohatrinona ny litatra amin'ny toaka gasy, fa raha kajy boribory atao x2,5 izay dia ampiana ny sandan'ny fanamainana, dia izay mahazo ny vidin'ny ethanol 1 litatra.
Raha ny menaka indray, dia mivonona aloha fa hifaninana amin'ny mpanao lakozia ny mpitondra fiara. Ny menaka hatao amin'izay izany tsy maintsy sady mora noho ny gasoil no mora noho ny menaka fanendasana. Asa raha ho possible.
Avy eo koa anefa, mety hitovy ve ny tanjaky ny fiara mandeha amin'ny solika bio sy amin'ny solitany?
Ireo mpandraharaha vahiny koa ange be vola noho ny mpandraharaha teratany. Afaka miditra kokoa amina "économie d'échelle" izy, izany hoe tonga dia manao zavatra ngezabe dia mihena kokoa ny masonkarenany. Dia isan'ny mahasarika ny fanjakana izay zavatra ngezabe izay satria mampandroso haingana ny tanàna.
Amin'ny resaka angovo koa, olana iray mipetraka voalohany ny fameran'ny lalàna ny monopole-n'i Jirama. Asa raha mbola mipetraka io amin'izao.
Tsy pessimiste ireo resaka ireo fa zavatra tandremana fotsiny. Za dia mamporisika hatrany raha misy afaka mirotsaka amina afera ohatra an'izany. Mila kajy matotra kokoa kosa anefa aloha, ka raha misy marge azo antenaina dia tairo!!! Aoriana kely tsy maintsy hitodika any ny rehetra, fa raha efa misy tsena dieny izao ilay izy, inona fa ny tanora mamboly hazo aza miandry fahanterana vao hialoka amin'iny!
6. Herimiafina
(
22/01/2006 01:58)
jentilisa:
Amin'izao fotoana izao dia tadiavin'ny mpitondra fanjakana fatratra ny hisian'ny mpandraharaha vahiny mba hampiasa ny volany eto. Gaga ihany aho hoe tsy maintsy izay ve no lalana? Maninona raha mitodika amin'ireo mpandraharaha eto an-toerana aloha? Sao dia diso paika ny fanjakana?
Raha jerena ny angovo izay mbola olana aloha eto: tsy tsara ve raha miainga amin'ny zavatra kelikely tsaratsara antonona ny sarambaben'ny vahoaka manerana an'i Madagasikara (fa tsy Antananarivo fotsiny). Angamba kosa tonga ny fotoana mba mitodika amin'ny angovo azo avy amin'ny rivotra na ny masoandro isika fa tsy hionona amin'ny solika izay tsy maintsy afarana avy any ivelany hatrany.
Eo koa ny famokarana fary azo anaovana ethanol mba hahasolo ny lasantsy eo ampelatanan'ny any ivelany isika. Eo ihany koa ny famokarana menaka mahabibo izay mahasolo ny gazoaly ihany koa.
Sao mba misy amintsika ato no mahay ny momba ireo iaraha-manao fa mey vonona koa izahay...
Ka izay no paramètre ekonomika entina mi-analyzy ny toekarena any amintsika de izay no imatimatesanaklé. Voatery moa izany fa tsy hoe safidin'ny fanjakana fotsiny e!
Efa misy ihany anie ny acteurs locaux afaka manao zavatra lehibe e, fa tsy any ny olana fa ny environnement politika sy sosialy misy any dago, vokatry ny fanjanahantany.
Ny olana ara-ekonomika dia vokatry ny karazana toetoetra aratsosialy misy (structures sociales), ny politika entina hamehezana ny toekarena dia tsy miady amin'ny zava-misy any Dago ary mitongilana ho an'ny mponina andrenivohitra avokoa,nefa raha jerena ny iosa dia 31% fotsiny ny mponina any andrenivohitra rehetra manerana ny Nosy. Ny atao hoe malagasy angaha ny avy any andrenivohitra ihany.
Tokony hofoanana ny antsoina hoe cooperation au developpement, ny developpement rural ary soloina auto-développement.
7. jentilisa
(
23/01/2006 12:14)
Mahafinaritra ny fomba famalinareo rehetra! hita fa manana fisainana sy fieritreretana momba ny toe-karena tokoa isika.
Momba ny menaka mahabibo ohatra, nisy nahatafavoaka tamin'ny herintaona fa 500 ariary ny litatra ny masonkarenany izay latsaky ny atsasany amin'ny vidin'ny solintany amin'izao fotoana izao.
Ny olana: rha te-hiverina any an-tsaha dia heverina ho toy ny mivarina izay! ny fahasalamana mbola olana be rehefa mivangongo ao Antananarivo ny olona rehetra! (na mitomany ho ao avokoa).
Manaraka izany tsy nanoratra ity aho raha tsy efa nahita tamin'ny vaovao an-tsary ny mahamety ireo zavatra ireo amin'izao fotoana izao. Ny olana mibahana tanteraka dia ny toe-tsaina mbola ananan'ny maro amin'izao fotoana izao.
inona no hita vokatr'izay? Vahiny avokoa no mibahana ny sehatra rehetra eto Madagasikara satria ireo ihany no manana faharisihana...moa izy ireo ihany koa no hany crédible eo anatrehan'ny banky sy manana antoka...

8. pitchou
(
23/01/2006 18:57)
lava be loatra le hafatra ataonareo d tsy voavaky! mba fintino moa e!
9. lapino
(
24/01/2006 09:28)
pitchou: tsy dia lava io raha vakiana ka. Raha ilay noresahako dia hoe: "Manana ny teknolojia ilaina isika, fa mila manao etude de rentabilité, ny tombon'ny vahiny, ary famporisihana an'izay mikasa".
10. lapino
(
24/01/2006 09:42)
>>> Momba ny menaka mahabibo ohatra, nisy nahatafavoaka tamin'ny herintaona fa 500 ariary ny litatra ny masonkarenany izay latsaky ny atsasany amin'ny vidin'ny solintany amin'izao fotoana izao.
Menaka tonga dia azo ampiasaina amin'ny motera ve ilay izy amin'io? Ilay vidin'ny solitany mitaha aminy io ve vidiny any am-potony sa eny amin'ny paompy? Fa raha izany aloha dia mahaliana ihany.
Ilay resaka toe-tsaina indray, vola no maha-ova an'io raha ny eritreritro.

11. vancleef
(
24/01/2006 17:48)
Tsy mandeha @ motera rehetra ny menaka faha motera diesel ihany ary motera diesel tranainy. Raha asiana menaka ny motera diesel ankehitriny misy injection sy système anti-pollution dia simba dia ny vidin\'ny fanamboaran\'aza tokony hatao ao koa. Sady ilay fiarakodia maimbo raikina avy eo.
Zavatra hafa ny manao menaka iray barika sy ny manao menaka 100.000 litatra isan\'andro satria tsy hatao indray mandeha fotsiny ilay izy faha aman\'taonany maro.
Raha misy maharezaka hanao menaka hatao @ motera diesel dia mazotoa faha rehefa tsy mandeha ilay izy dia aza mitaraina hoe hadisoan\'ireo mpajanatany

12. jentilisa
(
25/01/2006 06:32)
Misy hevitra mivoaka ary io. Menaka no ilazana azy fa essence ihany ilay izy! sa andeha ataoko hoe huille essentiel e! Ny antony tsy nanaovana azy taloha anie araka ny fiheverako izany dia noho izy mbola lafo noho ny solika tamin'izany fotoana izany e! fa amin'izao fotoana izao efa tsy miala lavitra ny 70$ ny baril efa hafa indray ny resaka.
ilay vidiny nolazaiko teo aloha dia vidiny vita fa tsy mbola eny @ paompy e!
manaraka izany ny amin'ny ethanol ohatra. Ianareo any an-toerana no manamarina na mandiso satria tsy afa-manaporofo aho. RE fa any Brésil dia efa ethanol izao no solika ampiasaina any hialana amin'ny fividianana solika izay mandany ny volam-pirenena, RE fa ny ankamaroan'ny mpamboly dia efa mifototra amin'ny fambolena fary ahazoana io ethanol io satria vola haingana koa ilay izy. Izay any no manamarina na mandiso fa atoraka ilay re.
Noho izay ohatra hita izay no nibanjinan'ny fanjakana malagasy koa hitodika amin'ity ethanol ity indrindra fa mety ambolena azy tsara ny faritra malalaka be any amin'ny faritanin'ny Mahajanga. Ary mandrapahavokatry ny fary ahazoana ity ethanol ity dia hanafatra 3 tapitrisa taonina any Inda aloha isika! asa izany raha zavatra kely na zavatra be aloha amintsika.

13. lapino
(
25/01/2006 06:46)
Ny menaka mahabibo ve atao lasantsy fa tsy gasoil? Izany ve tsy ho saro-devonina ho an'ny motera essence?
Ny amin'ny ethanol, hitako tamina reportage io resaka Brésil io. Any misy karazana fiara misy motera "flex" izay afaka mihodina tanteraka amin'ny lasantsy na ethanol na fangaron'ireo, izay proportion tsy maninona. Fiara namboarina ho an'i Bresil manokana mihitsy ireo.
Mbola Brésil irery izao no firenena manamboatra alcool carburant ohatra an'izany, satria afaka mamokatra fary betsaka izy. Ary efa hatramin'ny ela mihitsy io zavatra io tany.
Ary avy any Inde indray izany no anafarana ethanol? Fa ohatra ny mahafinaritra ihany aloha raha ny fanjakana no efa mitodika amin'ilay resaka biocarburants e! Izay firenena ho avotra atsy ho atsy manko izao dia izay manana velaran-tany azo ambolena betsaka. Fa toa betsaka ihany ilay 3 tapitrisa taonina ko!

15. xxx
(
27/02/2006 14:03)
Tsy voatery avy any ivelany ka. Miantomboka amin'ny toe-tsaina aloha ny fanovana.
Tsy hoe be morale za fa jereo anie ny sinoa e: tsy mampiasa afa-tsy fitaovana sinoa izy ireo na aiza misy azy na aiza.
Amboarina ny sain'ny rehetra aloha hitia ny Vitagasy (menaka gasy,whisky gasy,.....) ary ny mpanamboatra ihany koa tsy hanao tandrametaka izay vao afaka mampiroborobo sy manitatra. Tonga ho azy ny investissement rehefa hita fa mandroso ny eo an-toerana

16. botity
(
14/04/2006 12:52)
ny vahiny mahasahy mi risque, isika mitady tany malemy hanorenampankady ka atao akory aza... lany amin ny 4x4 sy ny produits de luxe sy lazain ny vazaha "haute technologie" ny vola
inona ary ny ataon ny mpandraharaha eto antoerana kosa e ?
lay menaka mahabibo sns raha ny vidiny diso hevitra raha masonkarenany no hijerena ny vidiny fa raha mbola kely ny vokarina dia ny vidin ny hafarana no mitondra azy, raha mamokatra be indray moa de mila investissement be ka noho izany ny avy any ivelany ny fond ka ireo tsy hivarotra mora ilay izy izany!