Jacques Sylla: tena praiministra sa.....?

1. Bocassa ( 03/01/2006 12:38)
Raha nodinihana ny asa vitan'ny governemanta nandritra izay 3 taona izay dia toa mbola tsy misy fahatsarany. Mazava ho azy fa ny praiministra no tsy mamely! Toa mizesta fotsiny fa tsy misy apôka. Tsy misy oul ankoatra an' io rangah io angah?
Rehefa tsy milay ange ny 1er ministre de tsy milay kou ny président e! Tokony hiheritreritra ihany i Ra8 fa tsy lasa zao. Ovay ny paika raha mbola te ho lany amin' ny fifidianana manaraka. Tsy mbola tara zao. Ovay ny 1er ministre fa izay ihany no fanafodiny. Sa....?
répondu par fijo le 04/01/2006 18:51
2. lapino ( 03/01/2006 13:22)
Inona no tena zavatra tsy mety raha ny fahitan'i Bocassa azy? Inona no lesoka amin'i J.Sylla? Sao dia arakaraka an'izay no hijerevana an'izay olona hisolo azy raha ilaina, izay olona azo antoka fa hahavita tsaratsara kokoa noho izy.

Raha ny zava-bita aloha dia ity no hitako, toa misy zavatra mandeha ihany: http://www.madanight.com/viewarticle_671.htm . Fa raha misy tsy mety anefa dia ataoko fa tsara foana raha lazaina mazava hoe inona ilay tsy mety exactement.

Raha ny eritreritro anefa aloha, aleo aza tsy misolosolo isaky ny mihetsika ny governemanta raha misy mandeha ny asa, fa sao manjary mampiadana ny asa miova tanana.
3. chic ( 03/01/2006 16:32)
O ry Bocassa a! Angaha ianao mahita PM ankoatran'azy aloha eto izao no mametraka an'io fanontaniana io? Tsy efa ho vita ve ny mandat-ny voalohany izao ka raha misy mety ho tsaratsara any dia asaivo milatsaka hofidiana ho Président hitondra PM hafa .ary inona ny paika hovaina alefa ny hevitra fa sao dia mpankahala fa tsy mpanohitra?
4. Stone ( 03/01/2006 20:23)
O ry zalahy, raha toa ka mahita olona mety havita azy ianareo dia arosoy hojerena fa mety hotohananay @ fifidianana. Anefa kosa andraso aloha ny fifidiana izay tsy ho ela, fa aza maika hanakorontana. Izay angamba no tena democratie amiko.
5. fijo ( 03/01/2006 20:38)
hevitra iny ka raisina,fa efa fotoana kely io ve ,tsy aleo aloha ho vita ny fifidianana dia ho hita eo e
6. Bocassa ( 04/01/2006 07:56)
chic:

O ry Bocassa a! Angaha ianao mahita PM ankoatran'azy aloha eto izao no mametraka an'io fanontaniana io? Tsy efa ho vita ve ny mandat-ny voalohany izao ka raha misy mety ho tsaratsara any dia asaivo milatsaka hofidiana ho Président hitondra PM hafa .ary inona ny paika hovaina alefa ny hevitra fa sao dia mpankahala fa tsy mpanohitra?


Tokony i J. Sylla mintsy no nesorina fa tsy i Zaza Ramandimbiarison ( vice-PM ). Tamin' fotôna niasan' i Zaza mantsy de nadroso be mintsy ny raharaham-pirenena, bedebe ny infrastructures vita, voavaha dôly ny problème retraretra. Mbola io rangah io ihany no namaha ny olana momban' ny frais. Fa maninona izy no nesorina? Ho an' ny Pm Sylla: "rehefa tsy mahavita enao dia manaova démission fa aza ny oul mahavita no esorina". Mialona an' i Zaza kou ange ra-Sylla e! Tsy aleo manao démission toy izay miandry esorina! Izay no fahendrena.
Ampitahao tsara ny raharaham-pirenena amzao sy tamin'ny andron' ny vice-PM Zaza Ramandimbiarison. Anao ny mieritreritra....
7. fijo ( 04/01/2006 18:51)
mba izay angaha ka azo hiadiana hevitra raboka
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0824