hafatra soloky

1. zoara ( 31/12/2005 13:08)
salama daholo!
zah ry reto nahazo ireny hafatra mpisoloky ireny zay milaza fa lery hono zanaka mpanakarena any afrika ka mitady ny fanampiako ahazoany ny lovany fa homeny 15 isanjatony aho(afoheziko lay tantarany fa mety ho kobonareo rehetra le fandehany)....
ny fanontaniako de hoe azoko atao ve ny mamaly ilay hafatra @ vali-boraingina @ teny gasy,tsy asiana ompa mavesatra loatra
répondu par sheran555 le 20/03/2006 13:58
2. Fanja1 ( 31/12/2005 15:05)
zoara ... fa maninona raha tsy valiana fa modina fanina fotsiny... atôvy toy ny tsy nisy ilay hafatra... tsikio fotsiny :lol:
3. hery ( 31/12/2005 18:09)
Rehefa valiana sy arahina daholo izay tenenin'izy ireny dia tena tonga tokoa ry zalahy rehefa amin'ny fotoana ifanomezana. Afrikanina tokoa. Dia tsy matahotra mihitsy izy fa dia tonga soa amantsara. Dia rehefa avy eo dia mangataka an'ilay vola nifanarahana.
Tamin'ny fandaharana iray tamin'ny télé taty Italia no nahitako an'io. Nasiandry zareo ramatoa iray natao sorona nanao ny fifanarahana rehetra dia rehefa avy eo dia tena nifanao fotoana tokoa dia tratra teo i leiry :-)
4. fijo ( 04/01/2006 04:38)
voan'ny nataony izany.
5. Vahinala ( 05/01/2006 08:28)
zoara:

salama daholo!
zah ry reto nahazo ireny hafatra mpisoloky ireny zay milaza fa lery hono zanaka mpanakarena any afrika ka mitady ny fanampiako ahazoany ny lovany fa homeny 15 isanjatony aho(afoheziko lay tantarany fa mety ho kobonareo rehetra le fandehany)....
ny fanontaniako de hoe azoko atao ve ny mamaly ilay hafatra @ vali-boraingina @ teny gasy,tsy asiana ompa mavesatra loatra



Wayyyyyyyyy o, za koa efa naharay mail ohatr'izany efa 2 taona lasa zay, angamba talohan'ny nialako kelikely tany dago, d le izy ndray hoe sipa ony izy fa le tantara tena mitovitovy an'io mihitsy hoe maty nisy namaono hono ilay dadany nefa mpanakarena be mintsy,d ny mahagaga hoe ahoana no fomba nahafantarany ilay adresse mail, efa mandroso tokoa angamba ny teknology e, fa za aloha tena tsy namaly mihitsy e, tsy hay na ahoana ireny na ahoana koa, raha za enao ts mamaly fa avelao fotsiny aminizao.
6. fijo ( 05/01/2006 22:03)
valio fa rehefa tena lasa nyresaka dia hialao pa amin'izay.
7. zoara ( 06/01/2006 06:54)
salama daholo!
zay no saika hataoko hoe valiako ataoko masamasaka tsara,de enregistre-ko ny communication-nay,de omeko ny polisy internet,de @zay raisimpotsiny rehefa tonga ny fotoana nifanarahana
8. Vahinala ( 06/01/2006 08:38)
zoara > Mitandrema ihany aza raha izany ko !
9. fijo ( 10/01/2006 22:01)
tsy misy hatahorana izany e.
10. mimiso ( 07/02/2006 17:09)
Mba lalina ko zany an!!:-w:-w
11. sheran555 ( 20/03/2006 13:58)
Salut, ity koa misy toy io, saingy mbola tsy fantatra mazava ilay izy : maharay message e-mail ianao milaza fa voa-tirer au sort ny adresinao, t@ loterie toy izao, mahazo vola ianao hoy izy, ohatra oe : 150 000 euros, dia misy daty farany arosony oe hatramin'ity date ity ihany no ahazoanao azy, sady asaina mandoa vola taxe ianao eo @ 500 euros eo. Koa manontany aho oe, tena marina ve ireny sa fanambakana fotsiny?
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.2164