Ilaina ho mazava tsara ny zavatra soratana anaty politika.

1. Herimiafina ( 23/12/2005 00:23)
Manahirana be ny mamaky ireo zavatra voasoratra any anaty politikan'ny fampandrosoana any amin'ireo tany sasantsasany toa an'i Madagasikara. Ohatra ny DSRP, ny PADR, PDC, PRD, sns.

Ny olana dia be dia be ny zavatra tsy mazava (imprécision), ny asa ho atao tsy fantatra mazava tsara, ny tian'ny mpandrindra hotenenina dia tsy fantatra mazava (Tsy précis). Ary na dia efa politika soratan'ny Commune sy ireo mpanolonkevitra aza dia be voambolana tsy hay (Termes techniques, ésothérique, langage de sourds).

Ohatra: Famatsiana rano any Atsimo (approvisionenment en eau dans le Sud). Inona izao no dikan'io mazava? Iza no hanao an'io ary inona no hatao amin'io?

Ohatr'ireny makany amin'ny dokotera ireny ka miteny aminy hoe voan'ny tazo izaho dokotera, de hoy ilay dokotera hoe: "tsindromina ianao". Tsy mazava, tsy hay hoe tsindromina inona de aiza no tsindromian de rahoviana no tsindromina? tssssss

Resaka ain'olona, resaka fahantrana mihoampampana ve no hodinihina dia atao resaka misavoan-danitra toy izany.

Ny olana manaraka de ilay nanoratar azy ihany no mety mahafantatra tsara ny tiany hotenenina, fa ny olona dia lasa maminavina sy mandika vilana daholo izay mba hany teny voasorany. Ary rehefa miongana eo amin,ny toerany ilay olona nanoratra dia miara-miongana aminy any foan ihany koa ny hevitra nosoratany satria ilay handimby azy tsy hahay hahafantatra izay tiany hatao akory (continuité), hany ka miverina amin'ny voalohany fona ny zava-drehetra ary miha-mahantra hatrany ny firenena.

Natao inona fotsiny ny fianarana amantaonany, sy ny côcô no tsy hahita voambolana mazava tsara entina hanehoana hevitra mazava e?:twisted:
répondu par xxx le 27/02/2006 14:08
2. Herimiafina ( 23/12/2005 00:34)
Ary mbola marihina ihany koa fa na dia efa misy ihany ary ilay kalendary milaza ny vinavina amin'ny ho firindran'ny asa: Approche Cadre Logique sy Chronogramme, dia mbola ilay hevitra tsy mazava ihany no voasoratra eo amin'ilay asa ho tanterahina.
3. GinohBlack ( 23/12/2005 06:33)
G rien compris !!! fa marina ihany aloha ny teniko e ! je t'aimes ma femme !!! et joyeu noel...
4. pika ( 23/12/2005 10:45)
G rien compris !!! fa marina ihany aloha ny teniko e ! je t'aimes ma femme !!! et joyeu noel...
io izao tsy mazava inona ny hifandraisany..;

marina ireo ry herimiafina saingy ??
5. Herimiafina ( 24/12/2005 18:17)
Saingy ahoana ry Pika? Hazavao hoe....:wink:
6. fijo ( 06/01/2006 21:09)
hery an,ny politika dia fahaizana milalao teny sy zavatra hanairana ny olona.noho izany raha atao mazava io,dia hoan'ny mpanao politika sasany eo ianoa.ary tratran'ny tsikera tsy hay hialana,koa mba hialana amin'izany dia io no fomba mora sy tsotra indrindra.midika io fa misy tetika ao,fa tsy voafetra hoe rahoviana no ho vita.
7. yehel ( 10/01/2006 05:42)
Ny politiciens gasy dia tsy manana idéologie POLITIK mihitsy.Miaina sy mihevitra au jour le jour foana.Indrindra fa ny mpanohitra.

Ka noho zany dia ny zavatra atao anaty documents rehetra eto dia tsy hitovy mihitsy @ ACTIONS ary mbola tsy hitovy koa @ ny hevitry ny politisinanina namelabelatra io documents io.
8. xxx ( 27/02/2006 14:08)
Ny mahavoa ny mpanao politika gasy dia tsy nisy nianatra politika hany ka manaonao foana. Ny fianarana politika tsy midika akory hoe hanao copie ny vitan'ireo politicien malaza fa kosa hananana ny concept de base ilaina. Ny mpanao politika rehetra amin'ny firenena mandroso dia nianatra politika avokoa fa tsy mandeha amin'ny "flair" tahaka ny antsika.

Faharoa, tsy miaina ny zava-misy ny mpanao politika gasy. Tsy mahafanatatra ny réalité sur terrain fa manao politika ambony latabatra fotsiny, na ny didin'ny be feo fotsiny.

Anao ny mieritreritra.
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.4832