Tanjombato

1. lallaina ( 19/12/2005 11:45)
Nareo ve efa naheno ilay nalaza be tato ho ato momba ilay ankizy nitsimpona vato kely teny akainina fasana inona marina no tena zava-nitranga e?
répondu par dadabe le 13/01/2006 06:33
2. dadabe ( 19/12/2005 12:25)
fa nisy inona hono teny ?? mba azavao hoe ?? ary ianao angaha mipetraka eny tongarivo tanjombato??
3. ari.malala ( 19/12/2005 13:44)
lallaina, nisy ankizy nitsimpona vatokely teny akaikina fasana aky d narahin-dolo a
4. ravakamalala ( 19/12/2005 13:58)
Mba tantarao hoe ry arimalala fa zay tsy maharaka an izany ndray! fa maninn izy no nolazaina hoa narahin dolo?
5. xxx ( 19/12/2005 14:14)
to tsy nitsimpona vatokely izany indray no henoko fa hoe nanao maloto akaikin'ny alaala kely misy fasana masiaka lolo de tonga de nifindran'ilay lolo ilay sipa kely.
6. dadabe ( 19/12/2005 14:51)
de ahona ??
7. xxx ( 19/12/2005 15:23)
dadabe:

de ahona ??



raha tsy diso aho de tao @ www.wanadoo.mg no nahitako io article io
8. diamondra27 ( 19/12/2005 17:28)
oe nidiran'ny devoly le zaza, sao de mba aretina hafa ary zany fa any dago de lazaina fa voan'ny devoly nefa any @ tany mandroso anarana hafa no ilazana azy. Ohatra izao: voan'ny andro be le olona de aty france atsoina oe: crise d'epilepsie de lazainy gasy sasany fa asandevoly io, misy fihetsika koa ohatra izao ataon'ny olona marary saina aty andafy de refa ny gasy no manao azy de adala le olona na hoe voan'i devoly

de le olona mitel @zao fotoana kou ve tsy ohatran'ny adala miteny irery e!( refa izy mampiasa le oreillette iny
9. taratrakely ( 19/12/2005 19:07)
efa ho 6 taona aho zay tsy nandalo teny tanjombato
ka tsy de aiko loatra ny vaovao any.
za aza gaga naita an'io,nefa za teraka teny..de nionina teny...mbola karoako ndray ny tena marina am'io.
10. Fiffi ( 19/12/2005 20:39)
diamondra: marina mihintsy ny andriko satria isakin'ny misy zavatra mitranga tahak'izao tonga de avy hatrany hoe nidiran'ny devoly foana no lazaina .Fa raha ohatra kosa aloha ka ilay manao pipi eny @ toerana fady mba azoko hinoana hiany fa tsy izay zavatra rehetra miseho tonga dia na ny devoly , na nisy namosavy na zavatra hafa fa misy ny haretina.
11. jennifer2 ( 19/12/2005 23:50)
humm! mampieritreritra ny zava-misy zany!
12. dadabe ( 20/12/2005 01:20)
asio delivrance izy e !!

" MIVOAKA @ ANARAN'I JESOSY NY ASAN-DEVOLY ..."
13. Veloo ( 20/12/2005 01:38)
:D:o:D
14. hesham ( 20/12/2005 01:52)
Misy le olona manao tsinontsinona ny fadin`olona fa le izy tsy azo lalaovina na atao tsinontsinona , raha tsy mino dia mangina fotsiny fa tsy manao vava sy manota fady fa dia zao ny vokany . Tsy hoe mandatsa akory sanatria .
15. Fiffi ( 20/12/2005 05:31)
hesham: marina ny anao , tsy misy hoe fandatsana na tsy fanaovana tsinotsinona ny fadin'ny olona , fa mba misy kosa zavatra tokony hanokafana tsara ny maso sy ny heritreritra fa tsy tonga dia manome valiny fa mba dinihana tsara aloha hoe fa naninona ?
Ny an'i dadabe no mety , tona dia hasiana ny fihantsoina ny Tompo
16. ari.malala ( 20/12/2005 05:41)
ravakamalala, raha ny filazan'ny vaovao alo aky d we nitsimpona vatokely teo akaikin'le fasana le ankizivavy, d ny harivan'iny andro iny d lasa hafahafa b zany izy, le miridana entin-javatra ireny ts mahatsiaro tena fa le miakapokapoka b reny e, d toa hoe nifindra angaha hoe ilay fanahy ratsy, satria izay olona nitazona an'ilay ankizivavy (Rova ny anarany rah ats diso za) d nifindrany daolo ( d olona 5 mirahavavy no tratra, d na ny dadan'le Rova aza toa naratra satria hoe nandeha nirifatra nankany amoron-drano hamono tena ilay ankizy d nosamborin'ny dadany, d toa hoe nivonto koa angaha hoe ny tongotr'le dadany. D ny novakiako t@ gazety Malaza t@ 13/12 ndray d we tokony nanaovana sorona angaha hoe zany teo @ le toerana satria zany no tokony hatao, d le zavatra tokony naterina vola madinika d tantely d toaka, fa toa hoe ts nety angaha hoe ilay Rovakely fa niteny hoe aza misahirana fa efa fantatray hoe rahoviana no hofaty izahay, satria toa miresaka aminy angaha hoe ilay fanahy ratsy d refa miresaka aminy ony le fanahy ratsy d miteny @ teny ts fantatra izy sady miakapokapoka b, nefa ts mandre marary akory refaveo. Raha ny hitako tao anatin'le gazety ihany d toa we misy fagnagny milevina angaha hoe ao anatin'le fasana ka ny iray izany no tena masia-dolo, dia mety ho nanota fady ilay kalakely, fa refa tena mihetsika ny aretiny (raha izay no azo ilazana azy) dia tena ahodin'le lolo mihintsy hono io lohany io. Tsindriako tsara mintsy alo hoe hono, satria tatitra t@ vaovao sy ny gazety no hitak ofa tsy nanatri-maso aho.

17. rrh102 ( 20/12/2005 09:26)
saly an !
tamin'ny gazety iray mivoaka isan'andro no nisy anio, fa ny marina tsy fantatra, fa zay nipetraka ao tongarivo no mahalala an'izany, za mantsy manana fasana ao tongarivo ao nefa mbola tsy naheno an'izany ko
Izay aloha fa veloma i Ari-malala tsy hita intsony

18. lallaina ( 20/12/2005 13:32)
Zay ry dadabe tsy mipetraka eny Tanjombato fa nandalo taty Tana de nahita le vaovao tamin'ny TV, efa aty tamatave izahay zao, tsy maharaka an'zany resaka zany mitsy ny aty,
Ari malala a! refa misy tohiny de mba ilazao ihany e, ianao zao ry taratrakely no andrasana tena hitondra ny vaovao avy eny ampotony a! merci daholo e
19. ravakamalala ( 20/12/2005 21:45)
mampatahatsa!
20. APOKY ( 13/01/2006 05:47)
sssss! zavatra tsisy dikany izany e.ilay mpanao gazety mihitsy no ohatry ny adala.afak omaly koa izao dia nisy an izany hoe faty mitsangana azo baikoina izany.
Ilay mpanoratra ary tsy nahita maso akory fa olona mitantara taminy hono no soratany ao.dia inona izao no dikan'izany?Inona izany no mahasamy hafa ny gazety @ tsaho sy ny mihaino resaka eny am_panasan-damba raha samy tsy marim-pototra toy izany ihany.
Izaho kosa aloha milaza hoe ireo mpanao gazety ireo tokony hosaziana mafy mihitsy indray² fa tena efa trop ny ataon'ny sasany indray².
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.3971