fisavana tsy mety! tena famandriham-bahoaka!

1. jentilisa ( 16/12/2005 08:59)
Asa raha mba fantatrareo fa misy moa izao ny fisavana isan-trano indrindra ho an'izay mampiasa ny jiro. Dia nandalo tao aminay tokoa ary ny mpiasan'ny jirama mba hisava ny kaontera indrindra indrindra. Noesorina ny plomb izay nipetraka teo amin'ny kaonteranay, nosavainy ny tao...avy eo dia navelany teo fotsiny tsy nasiany na inona na inona ilay kaontera. Tsy nisy plomb niverina intsony mazava loatra.
Manaraka izany dia tsy mba nisy taratasy fanamarinana fa efa nisava teo ry zareo; tsy nisy koa mba karazana kahie soniavina avy eo fa dia lasa fotsiny ry zalahy.

Koa raha misy indray ary ny olona milaza fa hisava indray ka tsy mahita ilay plomb...tsy ho ambarany avy hatrany ve izahay fa mitirafika io kaontera io?
na dia androany ihany aza dia efa mety hisy ny fisavana!

Sao dia tsy mety kosa ny fanaon'ny jirama tahaka izany? Tsy mandà ny fisavana izahay fa aiza ny fomba hiarovan'ny olona efa voasava ny tenany raha avelany hibanabana tahaka izao ny kaonteranay?
répondu par jentilisa le 22/12/2005 14:52
2. sonwin ( 16/12/2005 09:10)
satria izy miditra ny trano, dia asaivo mampiseho ny karatra maha-mpiasan'ny jirama aloha fa zonao izany, manaraka aza avela hiala raha tsy miverina amin'ny laoniny ny nataony, ary aza mety savaina raha tsy misy taratsy soniavina refa vita izay ataony..tandremo fa mety hararaotin'ny mpisoloky io resaka fisavana io.Soso-kevitra sendra nandalo ny ahy iny.
3. pissoa ( 16/12/2005 09:48)
marina ny tenin'i sonwin, angataho ny carte ...

fa ny tsy azoko avy eo dia hoe inona moa izany no tanjon'ilay mpisoloky raha mpisoloky? toa tsy hitako mivantana mantsy izay zavatra azony rehefa miala eo izy.
4. sonwin ( 16/12/2005 10:32)
ny tombony ve raha mpisoloky?
- mangalatra compteur
- mahita ny trou sy ati-trano
- hiverina izy amin'ny manaraka hoe izaho ilay mpiasan'ny jirama fa.....
- etc...
tsy kely lalana ny ratsy e
5. pissoa ( 16/12/2005 11:23)
marina kay zany, mitady lalana, tssss :(
6. ari.malala ( 16/12/2005 11:27)
za koa vao naika hiteny, refa misy olona milaza hisava trano erny d ny karatra maha mpiasa anazy alo no tokony hasehony voalohany, na rat s mampiseho izy d takio! d ra isy zavatr akitihany d ataovy averiny @ toerany alo ko, ra zao anie zany no misy tena mpiasan'ny JIRAMA ry Jentilisa hisava tena hisava d hovoasingosongotra foana @ tsinapany @zany e!! satri tena saropady io resaka plomb @ compteur io! sady tena marina mints io we mijery taratra io, sady ny andro zao akaiky fety, fotoana tena fanararaotan'ny mpanao ratsy mints zao, mila mailo foana e
7. Ralay ( 16/12/2005 12:29)
Tratran'ny mpisoloky ianao ry jentilisa satria raha mpiasan'ny jirama marina ireo dia au contraire tsy nanala ny plomb izy fa nijery fotsiny hoe mbola tena tsy nisy nikitika ve ilay plomb. Manarak'izay dia marina ireo voalazan'ny namana ireo fa haniraka olona hafa eo izy handrahona anao mody hilaza hoe tsy aradalàna ity compteur-nao ity fa tsy eo intsony ny plomb ka mandoa amende x ariary enao sinon alefanay tribonaly ny afera.Ny zavatra tokony ataonao dia manantona ny biraon'ny jirama avy hatrany manazava io nahazo anao io ary mametraka plainte any @ polisy raha toa ka tsy mpiasan'ny jirama marina ireo olona ireo.
8. jentilisa ( 16/12/2005 14:32)
Dia miala tsiny aho miteny aminareo fa izy telo mirahalahy dia samy mpiasan'ny jirama avokoa sady manana ny taratasy mazava hisavana ny compteur! dia ahoana ary ny amin'izay?

Ny compteur indray dia ivelan'ny trano ka tsy hahitany na inona na inona mihitsy raha miseho mitarataratra ety ivelany ety!
9. lapino ( 16/12/2005 14:43)
Ilay mpiasan'ny jirama koa ange izany no tsy malina mihitsy, fa ohatra ny manome anareo alalana mba hangalatra.

Raha ohatra an'izany daholo no ataony amin'ny tranon'olona, tsy hiakatra indray ny vidin-jiro hanampenana ny manque à gagner?
10. Ralay ( 16/12/2005 14:49)
Raha nanana ttasy mazava fazahoana misava izy dia tokony no-exigé-nao ny nametrahany plomb vao² t@ilay compteur rehefa avy novahany fa tsy navelanao nandeha
11. Samoana ( 16/12/2005 14:54)
Io le antsoin'ny vazà hoe " abus de pouvoir ". Mety ilay "sônegaly nahazo baiko" koa anefa, tsy manam-pahaizana hamerina @ laoniny fa ny hamotika fotsiny ny an-dohany .
Mangalà torohevitra eny @ paositry ny paolisy akaiky indrindra araky ny voalazan'i Ralay Rajentl a !

Dia manaova koa taratasy fitarainana any @ lehibem-pokontany sy ny tompon'andraikitra JIRAMA ( ataovy rekômande avec accusé de réception raha mety ). Ataovy photocopies ireo ttsy ireo alohan'ny handefasana azy mba porofo kely mijanona.
12. dadabe ( 19/12/2005 15:09)
sao dia mba hanaovany tapody fohy ao ianao ra jentilisa d izay vao ny anao no be indrindra !! izany hoe hisy mpiasa namany hafa mody hisava ao ,nefa efa hifanarahandry zalahy d ,mety hoee hanao arrangement aminao d mba omeo kely e sns....sitran'ny ahay hanaovana fety faran'ny taona hummmm ,:roll:
13. diamondra27 ( 19/12/2005 17:30)
tsy mazava zany mpiasa zany e! refa miasa de tsy maintsy misy compte rendu foana de manao sonia oe zao no natao comme travail effectué, koa andana marina manao plainte e!
14. dadabe ( 20/12/2005 01:22)
Zay mihitsy , sola ao ny volanao ra jentl fa tanjemo a
15. jentilisa ( 22/12/2005 14:52)
misaotra amin'ny hevitra e!
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.5686