Fihetsiketsehan'ny MPanohitra

1. Rainimaharavo ( 23/11/2005 16:09)
Miarahaba ny rehetra

Mba misy OLONA tena mahay ve mitondra ny lohan'ny Mpanohitra eto amintsika sa dia fihetsiketsehana fotsiny no betsaka ê!
Toa hoe nisy volabe azo avy any Frantsa hoenti-manana io hetsika saika hatao teto Antananarivo io 22 novembre 2005 nefa toa nanjavona...fa iza no tena lohan'ny Mpisorona ao amin'ny Mpanohitra ê!
Toa tonga amin'ilay teny hoe :MIHAINGO MAMINTANA ireo miseo azy ho mpitarika ny Mpanohitra fitondrana? Asa aloha fa ny ahy dia ny sakafo,sy trano ary asa mamokatra no tokony hatao betsaka dia 'ZAY ZANY! rehefa voky aho dia afaka miasa mikaroka vola amin'ny fomba madio. Nisy anie fangataham-bola tany Frantsa amin'ireo mpifindra monina any hoenti-manana ny 3FN nefa na ny hoe handefasana ilay vola aza tsy voalaza fa natao fotsiny hoe : AMPIO,AMPIO...asa na hanampiana ny handehan-dry zalahy METRO sy TGV angamba na hikarakarana taratasy hahafahana mahazo ilay atao hoe :G.V.T. (GASY VAZAHA TARATASY)
Samia misaina ary tsarà daholo.
répondu par fijo le 02/12/2005 23:48
2. xxx ( 24/11/2005 04:25)
ny ahy ndray aloha de le ataon'ny sasany mintsy no tsy azoko,ny tena izy de ity ZAFY ALBERT ty??? t@n'ny tenany teo @ny fitondrana tsy hita zay natao fa fahafahambaraka no betraka niditra de mbola tsy mahay mipetraka ihany nefa ny toerana misy efa nihembotra ary @n-tsy mahay maka àry,en+tsy mahay manaja tena,tsy hoe maka ny fitondrana misy @izao aho fa raha ilay iny kosa no mbola hoe hitondra eo aleo tsy misy.
3. sizah ( 24/11/2005 06:54)
Teo no niala ireo e ! Raha nahay ve hiala e !
4. Chuan ( 24/11/2005 07:01)
Ny hoe antoko Mpanohitra aloha tena ilaina ary toy izany koa ny tsikera satria anisan`ny antoka iray mampandroso ny firenena ny fisiany toa izay misy any amin`ireo tany vaventy rehetra . Ny olana eto amintsika sy ny any amin`ny tany Afrikana fotsiny dia ilay tsy fahaizana manohitra . Ny an`ny tany mandroso ny fanoherana dia hevitra mafonja mipetrapetraka tsara ary miaraka amin`ny vahaolana mahomby (constructif) ka tsy mahagaga raha maharesy lahatra avy hatrany . Fa ny eto amintsika ve , tsy misy afa-tsy fandravàna izay kely hananana no mahamaika ny mpanohitra , korontana lava sy ady an-trano , ady hevitra bontolo miorina amin`ny fanaratsiana be fahatany fa tsy misy tetika mavesa-danja azo tonga dia ampiharina hampandroso ny firenena , misy aza moa dia tsy menatra akory mandrangaranga adim-poko izay efa nilaozan`ny toetr`andro .Izao indray dia hoe Tetezamita no malaza nefa ny echeance electorale aza tsy mbola tonga . Tsy mahagaga raha tsy asian`ny vahoaka sira intsony ny mpanao politika Mpanohitra gasy . Efa nisy ihany ezaka nataon`ny antoko Leader Fanilo mikasika ny \"ethique politique\" fa toa tsy dia nahitam-bokany firy izany aloha hatramin`izao .
5. xxx ( 24/11/2005 10:05)
ny ahy ndray dia iao no mba hevitro
tsy pro ravaalo izaho f mijery fotsiny hoe iza avy oa ny mpanohitra ireo tsy efa teo daholo v? donc mpanohitra tsy hatsara zavatra ireo fa vomaika han,aratsy ny firenentsika satria zao t@andron'i zafy fotsiny tsy ndrema ihany ve no nanongana azy teo ? amiko zany dia tsy mahazo fahefana eto @ firenena ireo @ zao fotoana izao dia manao botolo be @ zao fotsny fa tsy fitivan-tanindrzana izany samia mijery tsara ny tantaran'i dago isika fa ny fitiavan-tanindrazana tsy misy fa ny vola sy ny voninahitra no tanjona
6. fijo ( 24/11/2005 23:37)
aiza ary ry laza-randria ami'izao resaka izao le.
ny mpanohitra any dago tsy misy,fa ny te ahazo toerana no betsaka
7. cristal ( 25/11/2005 08:27)
:-D Ny mpanohitra marina tsy misy fa ny be mokondoha no betsaka fa tsy de misaina,hanao fihetsiketsehana ry zalahy de tsy manao fangatahana fa atao fanambarana de heveriny fa hanaiky zany ny ben'ny tanana;aleo hanao fa raha tsy zany tsy ahatsiaro tena hoe tsy zany tsony no fomba fanoherana e!
8. fijo ( 25/11/2005 21:13)
ka ny azy anie gidraka no hilainy e.izay no mahazatra azy;izy samy izy aza moa mifanalabaraka ko aiza izany.
raha mandresy eo izany,tsy vao vita ny tolona dia manomboka indray ny tolona vaovao.
9. Rainimaharavo ( 27/11/2005 21:40)
raha mba tolona vaovao moa ka haninona iny fa ny foto-kevitry ny SASANY dia ny hoe hifamela, hifamela...izany hoe tsy miady tsy miady fa ny kibay an-kelika ihany...tsapa izany tamin'ny SASANY nanao fihetsiketsehana tany amin'ny Trocadéro hoe : gadrao daholo ireo, ary mahatantesa valin-kitsaka...
Aiza re izany ê !
Mbola ho ela ISIKA vao ho tafarina hoy ny fiteny raha izao no mitohy.
Tsy misy hafa-tsy ny fihomananareo TANORA MISONDROTRA (25-45 taona) ihany no vaha-olana amin'io. Aza miankina amin'IREO izay milaza azy ho TANORA nefa lasa nandositra any ivelan'i Madagasikara niaraka tamin'ireo mpitondra nanao sesitany ny tenany.
10. lapino ( 27/11/2005 22:02)
fijo:
raha mandresy eo izany,tsy vao vita ny tolona dia manomboka indray ny tolona vaovao.

=))
11. dadabe ( 28/11/2005 16:00)
12. scorpio ( 29/11/2005 08:04)
Miarahaba aloha e,

Ny olana anie ry Rainimaharavo, mahita ny ataon'ireto goaika antitra ny tanora dia mba maka tahaka ihany koa, ary ny ankamaroany dia tena lasa mitovy tsy misy valaka amin'ireo dinosaoro tsy mamely ireo. Asa raha hitanao ny eto amin'ny Tanàna, fa betsaka mihitsy no manana fisainana fa raha vao hoe hanao zavatra kely (taratasy, fitsarana sns) dia ny làlana ambanin'ny tany no tonga ao an-tsain-dry zalahy voalohany. Ary lainga lainga anefany, fa tena raha tsy izay no atao dia sahirana tokoa moa izany
13. scorpion ( 29/11/2005 08:22)
14. Rainimaharavo ( 29/11/2005 14:21)
ajanony any amin'izay hoa ny fandovana avy amin'ny frantsay; misy amin'ireo goaika antitra ara-politika no mihevitra ny tenany ho TSY MATY MANOTA.
fa ny BIANCO ve tsy mahita ny ambadika sa ny goavana ihany no tena tilian-dry zareo ê!
15. fijo ( 02/12/2005 23:48)
marina ny voalazanao
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1554