Famadihana?????

1. Nickovy ( 23/10/2005 09:41)
Dia lasa ny saina ry zareo hoe avy aiza marina ny fiandohan'ny famadihana? Toa samy manaja Razana daholo nyankamaroan'ny Afrikanina saingy toa isika Malagasy ihany no mamadika (indrindra ny fomba ao Imerina sy Betsileo). Mba misy afaka manazava ny fiandohan'io Fombandrazana io ve?
répondu par Herimiafina le 24/10/2005 16:10
2. jefra ( 23/10/2005 10:14)
Ny fahalalako azy toa tsy lova avy @ Afrika le izy fa avy any atsinana. Mamadika koa ry zareo. Fa tsy misy hiragasy aloha le reportage hitako e!
3. xxx ( 23/10/2005 11:05)
aiza angaha izany antsinanana izany???
4. jajaf401 ( 23/10/2005 13:43)
toa ilaina anefa ilay mba hamantarana fa tsy nisy ny ratsy nifanaovana tamin'ilay razana klé! sady mba analana azy miaraka amin'ny fianakams eh, :-D:-D
5. Lalakely ( 23/10/2005 13:43)
tsotra ihany ry nickovy a. hano ny vary be menaka dia hazava aminao hoe avy aiza io lanonana io. fitiavana te hanao fety maresaka be io.
6. pissoa ( 23/10/2005 13:45)
xxx> any am'izay hipoitran'ny masoandro amin'ny maraina re ah :-D

jefra> marina ve izany? izaho nihevitra foana hoe ny malagasy ihany no manao famadihana.
7. jefra ( 23/10/2005 14:06)
Izaho koa nieritreritra ela be hoe ny gasy ihany. Fa gaga be aho nahita ilay reportage. Tsy tena tadidiko ilay toerana mazava fa manodidina an'i Borneo/Java iny.
8. fasaly ( 23/10/2005 17:44)
izaho kou de gaga fa da avadika mankaiza foana aza izy io e! tsy avela mandry ampiadanana eo le razana fa lalovina ihany isantaona izao,???!!!!!
9. Nickovy ( 23/10/2005 19:46)
Lalakely:

tsotra ihany ry nickovy a. hano ny vary be menaka dia hazava aminao hoe avy aiza io lanonana io. fitiavana te hanao fety maresaka be io.


Ka ny loza anieh dia izaho tsy tia tavinkena eh! Vao mahita ireo olona misolitiky ny menaka dia mandoha. Fa ilay mandihy aloha tena reveko eh! Indrindra moa ka mahazohazo kely amin'ilay gasilahy iny. glouglouglou.............!
10. jefra ( 23/10/2005 20:12)
Ny lafiny ifankalalan'ny mpianakavy koa no tena zava-dehibe. Satria eo @ fomba gasy tsy lovaina ny anarana fa very anarana indray aza rehefa avy nampita aina, dia ny famadihana no ifankalalan'ny rehetra. Raha razam-be no avadika dia vory eo daholo ny taranaka mivantana sy ny havan-tetezina rehetra. Tsy mahalala fety equivalent @ fomba tandrefana aho.
Havazina eo daholo ny hoe avy aiza sy aiza daholo ny niforonana, dia iza sy iza no andry sisa nitondra ny filamatra... Ary dia efa voapetraka mazava daholo ny toeran'ny tsirairay.
11. fasaly ( 24/10/2005 06:13)
izay angaha, de tsy maintsy fongarina zany le razana mba hifankahalalan'ny znaka amanjafy rehetra!!!!!
izaho aloha tsy mamadika ka tsy haiko e!
12. pika ( 24/10/2005 07:11)
noho ireo niavian'ny gasy maro samihafa dia an'isan'ny fomba nolovainy t@ malezianina sy ny indonesianina ny famadihina
dia samy manana ny fanaony koa anefa na samy gasy aza
oh any @faritra atsinanan'ny nosy dia ny taolana iny mihitsy no sasana sy ampandroana .....
raha atao hikarakaraina fotsiny izy toy ny nataon'ireo vhv ny fatin'i jesoa dia tsy maninona fa tsy natao hivavahana akory
13. Herimiafina ( 24/10/2005 07:13)
Fifankatiavana ao anatin'ny peace and love, woodstock be, hehehehe:-D:-D
14. Levy ( 24/10/2005 10:52)
Amin'izao fotoana izao manko ilay lafiny ratsy @famadihana no misongadina, fa raha tena halalinina sy dinihana dia hita ny fototra sy ny antony ary ny maha-zava-dehibe azy. Raha tena mifenerasera @ Afrikana (Black- s.Sahara) dia gaga ry zareo @ resaka Famadihana ataon-tsika io. Ary rehefa manazava @ zareo any an-dakilasy io zavatra io, dia mba tonga saina koa ny tena ny lanjany sy ny antony...
15. Lalakely ( 24/10/2005 11:54)
fa tsy voatery tavikena ry Nickovy a, hainao moa hoe misy ny atao maharitrafo amin'ireny famadiana ireny, ilay olona mpizara hena iny izany, mangataka aminy ianao hoe mba ataovy nofonofony valy dia efa milay.
fa probleme tsy voavaha eto kosa aloha raha hoe tena sarodiky be toy izany nareo e! aleo tsy lazaiko eto fa... le fikarakarana ny kaly io tiko hambara io. sao dia midegoba eo i Nickovy.
16. pika ( 24/10/2005 14:16)
zahay avy any ambanivolo be lavitra aloha tsy mba tonga any ambanivohitra raha tsy isaky ny 9 taona mamadika e na misy maty eo vao mba hita doly ny valala mpiandry fasana
vokatry ny fitadiavana jiaby izany
17. kiali ( 24/10/2005 15:51)
nenah rangah tsy rarahiko na avy aiza na avy aiza fa refa misy le vary be menaka sy le bal famadianana fotsiny de be sipa de efa milay an!!!
18. Herimiafina ( 24/10/2005 16:10)
Milay mihintsy, tsisy kianina, vary be menaka saosy fangaro hen'omby sy kisoa, miampy bal maské, sy twista kely eny antanimbary. Love.(l)
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.206