Hajao ny finoan'ny hafa <> Tiavo ny hafa

1. LazaRandri ( 27/09/2005 23:34)
Fantatrao sy azonao hazavaina ve ny maha samihafa ireto fehezan-teny roa (2) ireto? Iza no marina dia iza no diso?

1) "Fa toy izao no nitiavan'Andriamanitra izao tontolo izao, nomeny ny zanany lahy tokana mba tsy ho very izay rehetra mino Azy, fa hanana fiainana mandrakizay"

2) Fa toy izao no nanajan'Andriamanitra izao tontolo izao, nomeny ny zanany lahy tokana mba tsy ho very izay rehetra mino Azy, fa hanana fiainana mandrakizay.
répondu par boubounezy le 18/10/2005 21:25
2. pika ( 28/09/2005 05:24)
aza ovaina aloha izay voasoratra e
raha ny hoe tiavo sy ny hajao no tianao resahina de ataovy mazava ny fanontaniana
anisan'ny fitiavana ny fanajana tsy misy faneriterena
hajao ny finoan'ny hafa midika ho fitiavana azy izany
nomena antsika ny tenin'ny soratra masina .... manana safidy malalaka anefa isika na handeha hihankavia na handeha hihankavanana
3. LazaRandri ( 28/09/2005 05:34)
io mazava tsara io ilay fanontaniana dia io valiana. Ny resaka fanajana ny finoan'ny hafa indray http://serasera.org/forum/index.php?rub=message&msgid=m4339dd398b5db&PHPSESSID=5756ec9f417bb32282d1b774cb294b7a
4. radriana ( 28/09/2005 07:32)
Pika / tsy mitombona foana ilay hoe anisan'ny fitiavana ny fanajana araka ny hevitro, ny fanajana mantsy indraindray tsy sitrapo, ex : misy olona tsy tiako mihitsy nefa hajaiko satria lehibe noho izaho.
Rehefa tinao ny olona dia hajainao, fa ny inverse kosa tsy marina foana, tsy voatery hoe satria manaja azy aho dia midika fa tiako izy.Ka ireo phrase nomen'i lazarandri ireo amiko dia samy manana ny heviny. Ary ny fandikana ny hevitry ny baiboly mihitsy no mahatonga ny olona ho samy hafa finoana. Na ny "ka" miova "dia" aza dia mampiova hevitra indraindray
5. bichette ( 28/09/2005 08:20)
LazaRandri ka efa hoe "toy izao no itiavan'iATra" dia aza ovana, ataoko fa misy antony matoa tsy nataony hoe "nanajan"Atra"
rehefa misy anie ny fitiavana dia manaraka ho azy matetika ny zv rehetra e . fanaja satria tia, fiarovana satria tia, tsy manao izay manatafitohina ilay olon-tiana satria tia, manao izay mampifaly ilay olon-tiana satria tia

araka ny voalazani randriana
Pika / tsy mitombona foana ilay hoe anisan'ny fitiavana ny fanajana araka ny hevitro, ny fanajana mantsy indraindray tsy sitrapo, ex : misy olona tsy tiako mihitsy nefa hajaiko satria lehibe noho izaho.
Rehefa tinao ny olona dia hajainao, fa ny inverse kosa tsy marina foana, tsy voatery hoe satria manaja azy aho dia midika fa tiako izy.Ka ireo phrase nomen'i lazarandri ireo amiko dia samy manana ny heviny. Ary ny fandikana ny hevitry ny baiboly mihitsy no mahatonga ny olona ho samy hafa finoana. Na ny "ka" miova "dia" aza dia mampiova hevitra indraindray

raha resaka fanajana dia tsy voatery misy fitiavana, za zao manaja ny prof-ko fa tsy midika izany fa tia azy aho, za zao manaja ny mpampiasa ahy na dia tsy tiko ny toetrany sns , tsy midika izany fa tia azy aho fa manaja azy.
6. LazaRandri ( 28/09/2005 10:48)
misaotra anareo namaly. Hita misongadina tsara eto araka ny fanazavanareo fa ny Fitiavana ambony lavitra noho ny fanajana. Ny "fanajana" dia mety ho endrika ivelany fotsiny ihany toy ny ankoso-bolamena. Mampalahelo anefa fa voizina mafy ery ilay fanajana noho ny fitiavana.

Soa fa tia antsika Andriamanitra, fa tsy hoe "manaja" fotsiny (mety ho tsy tia) :)
7. estine ( 28/09/2005 11:30)
ilay voalohany aloha raha ny Baiboly fampiasako,fany hoe fitiavana =fanjakana no tsy de azoko loatra,marina fa izay tia afaka manjaka,anefa izay anjakana koa mba manana ny heviny,safidiny,indrindra ny fitiavany;araka izany misongadina ny fahendren'Andriamanitra ary mazava izay voasoratra:toyizao......TIAVAN'ANDRIAMANITRA...Tsy manery ny olona hanjakany izany ANDRIAMANITRA fa manome fahalalahana tanteraka izay ho tia Azy sy tia ny Anjakany (raha tianao).Tahaka ny fitian'olon-droa ,ny iray naniry ny hotiana dia namboraka izany,ny ankilany koa tojo ny tiana ka nanaiky ny hotia sy hitia;"ho tafaradalana ve ny roa raha tsy efa nifanaiky" hoy ny sotratra masina.
8. booboo ( 28/09/2005 12:20)
Lazarandria > tsy azoko oe maninn enao miteny oe "mampalahelo fa voizina mafy ny fanajana noho ny fitiavana" ? Omeo ohatra mazava @ zao vanim-potoana ankehitrio zao oe ?
9. sonwin ( 28/09/2005 14:33)
miandry ohatra mazava ihany koa
10. deghany ( 28/09/2005 14:54)
11. Veloo ( 28/09/2005 17:01)
tssssssss aza ovana izay ao @ baiboly eeeeee manaraha an'io dia izay ihany kle
12. LazaRandri ( 28/09/2005 23:52)
Booboo sy Sonwin, http://serasera.org/forum/index.php?rub=message&msgid=m4339d71e16808&PHPSESSID=301e4c85ac17425fc69f29762a13f868#top
13. LazaRandri ( 29/09/2005 00:12)
Booboo sy Sonwin, http://serasera.org/forum/index.php?rub=message&msgid=m4339dd398b5db&PHPSESSID=301e4c85ac17425fc69f29762a13f868 fa nifamadika ilay adiresy etsy ambony.
14. ari.malala ( 29/09/2005 11:17)
LazaRandri, ianao fatrapanome toko sy anadininy d hanontaniako anao kely hoe aiza hoaiza ao anaty Baiboly no misy an'io hoe toy izao no nanajan'Atra.... io? mba omeo kely hoe azafady fa tena niaritory ah nitady an'io hoe nanajanAtra io fa tsay nahita na d nataonao aza hoe aza vakina na fehezanteny izay monja aza, ka mba omeo kely we azafady ny toko sy ny andininy misy an'io... d omeo kely ilay ohatra mazava ivoizana ny fanajana noho ny fitiavana.
15. LazaRandri ( 29/09/2005 14:22)
Ari.malala
Izaho angaha niteny hoe ao anaty Baiboly io? Tsia! Jereo fa raha soratana ilay izy tonga dia fantatrao fa tsy ao anaty Baiboly. Fa rehefa iainana andavan'andro anefa tsy tsikaritra raha tsy dinihina lalina.
Ohatra: http://serasera.org/forum/index.php?rub=message&msgid=m4339dd398b5db&PHPSESSID=301e4c85ac17425fc69f29762a13f868
16. Veloo ( 29/09/2005 16:04)
lazarandria a ka rehefa tsy ao anatin'ny baiboly dia aza mamorona fa ratsy zany. :twisted:
17. LazaRandri ( 29/09/2005 21:34)
Veloo,
izay maha ratsy azy izay mihitsy no tiako aseho eto ho an'izay mahita, mba itandremantsika. Rehefa hitantsika soratra izy tonga dia mivandravandra be, fa rehefa iainana an-davanandro ohatran'ny hoe "tsy mampaninona". Misaotra anao nanamarika.
18. Herimiafina ( 30/09/2005 04:12)
Misy olna be tamin'ny fandikana ny Baiboly amin'ny teny malagasy avy amin'ny teny grika sy hebreo tany ampiandohana. Mety misy AMBIGUITÉ eo amin'ny fandikana azy ka nahatonga olana be dia be izany PERCEPTIONS DES MOTS.

Anisan'ny fitaovana ampiasain'i Satana handrebirebena ny Kristianina sy hamakina ny firaisankinan'izy ireo ny Teny. Ataon'i satana mahita dikanteny samihafa ny olomeblona mino an'i Kristy hany ka miady, misara-monina ary mifanenjika finoana.

Amiko ny samy Kristianina dia tokony hifanaraka amin,ny dikanteny iray hiombonanana.

19. RADOUXE ( 03/10/2005 15:55)
[quote=LazaRandri]
Ra ny oe fanajana sy fitiavana alo de tsy mitovy mitsy e fa le zvt lazainareo no to tsy azoko mitsy le am le oe iza no marina sy diso amiko reo tsisy diso zany fa arakarakle oul resaina oe ty ve izy sa manaja fotsiny iany fa ny fanontaniana tokony apetraka angamba d oe mifandray v ny fitiavana sy ny fanajana
20. boubounezy ( 18/10/2005 21:25)
fa inn no ahasamihafa anizany fa teny ao anaty baiboly kristiana io teny io? ARY INN NO IDIRANY fanajana na tsy fanajana ny hafa na mahadiso sy tsy mahadiso anizany???



LazaRandri:

Fantatrao sy azonao hazavaina ve ny maha samihafa ireto fehezan-teny roa (2) ireto? Iza no marina dia iza no diso?

1) "Fa toy izao no nitiavan'Andriamanitra izao tontolo izao, nomeny ny zanany lahy tokana mba tsy ho very izay rehetra mino Azy, fa hanana fiainana mandrakizay"

2) Fa toy izao no nanajan'Andriamanitra izao tontolo izao, nomeny ny zanany lahy tokana mba tsy ho very izay rehetra mino Azy, fa hanana fiainana mandrakizay.



© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.6123