Antony tsy mampaharitra ny fananana iombonana

1. Herimiafina ( 10/09/2005 04:59)
Tsy fantatro fa olona 1 anatin'ny 2 fantatr'i Herimiafina no manana ilay mokondoha hoe ''tsy fananako, tsy an'ny Ray sy Reniko ity ka tsy raharahiako na simbana aza''.
Tsy ananany hasina ny fananan'olona (indrindra ny an'ireo akamany). Maloto be daholo izay toerana handalovany ary ny entan'olona hindraminy very any anaty korontan'entany any.
Maika moa fa ny fananana iombonana, tsy lazaina intsony fa abus tsotra izao, tsy misy entretien sy fanadiovana rehefa avy nampiasaina.

Very maina ny fitaizan'ny RAR sy ny mpampianatra azy, fa lasa dechet de la société izy.




répondu par Herimiafina le 23/09/2005 22:24
2. Chuan ( 10/09/2005 08:11)
Io problema io de marina mihitsy ary anisan`ny antony mbola tsy mahatafa antsika malagasy ka tena mahamenatra . Autodiscipline . Isika amin`ny ankapobeny mbola tena manao sain-jaza be mihitsy . Raha tsy ampitahorina sazy tsy afaka ny ho tonga saina mihitsy . Jereo anie ny toerana maro eto amintsika fa tahaka izao ny soratra hita " Raràna ny manao maloto na manary fako eto fa izay tratra dia vonodina 25000 FMG + Daroka " ; " Tsy azo hipetrapetrahana " ... sns , kanefa dia mbola misy manao ihany amin`izany an ! Fandraràna foana sy sazy no hita . Raha tsy izay ve dia tsy afaka mba hifehy tena mihitsy isika . Tamin`ny andron`ny fanjanahantany mantsy dia mafimafy ny discipline ka mba netinety ny sivisma . Ilay fahaleovantena azo izany no mety ho voadika vilana lasa hoe " fahaleovantena = Fahafahana sy gaboraraka " . Ary io dia tafiditra hatrany amin`ny Fitondra-panjakàna . Ohatra ny detournement de fonds ireny anie ka efa saika lasa fomba fiaina mihitsy teto e ! Raha sendra misy tonga saina dia ianao indray no lazain`ny olona hoe " ty tena adala mihitsy , angaha ianao handova an`io " . Tsy mahagaga raha 45 taona aty aoriana mbola izao ihany ny gasy . Vao maika aza mikorosy . Ary sarotra ny hanova io toe-tsaina io satria ny maro an`isa mihitsy no tsy tonga saina .
3. jentilisa ( 12/09/2005 06:59)
Efa niainako mihitsy ny toe-draharaha tahaka izao. Tezitra mihitsy aho tamin'izay sady nahateny hoe efa izao ve sisa ny gasy? Tsy namelako ity vehivavy iray fa tratrako nangalatra voninkazo teo amin'ny zaridainam-bahoaka. Niantsoako polisy mihitsy. Fa mandra-pahatongan'ny polisy izay vetivety ihany fa nifandrombonan'ny vehivavy nandalo teo aho. Tsy tadidiko intsony moa izay notenenika tamin'izay fotoana izay fa karazna faranteny moa izao. Izaho moa ny hany tadidiko dia ny teniko hoe raha toy izao ataonareo izao dia aza manantena ny firenena handroso mihitsy na iza na iza mitondra eo. Ianareo vehivavy tokony ho tia ny hakanton'ny tanàna indray ve no lasa mpiaro ny mpangalatra toy izao?
Tamin'izay fotoanaizay no nitsiry voalohany tato amiko ny hiova zom-pirenena...
Tena nirehareha amin'ny mahagasy mihitsy aho nandritra ny andro-piainako.
4. Herimiafina ( 14/09/2005 01:16)
Tsara fantarina hoe inona no anton'ilay toe-tsaina tsy manaja ny fananana hitambarana, asa, iza no manana hevitra momba an'izay?
5. miserana ( 14/09/2005 02:11)
Io aloha angamba dia ny toetsaina mihintsy
Raha tsy diso izahay ohatra dia ny Thompson izay goavan indrindra eran-tany amin'ny elekitiraonika dia fananana iombonana an'ny goverinemanta Frantsay. Toa izany koa ny Renault sy ny Air France. Raha nanao ny fitantanam-panjakana ny fitondrana Frantsay nanomboka tamin'ny taona 1985-1986
Nefa dia mandeha tsara ireo izao. Misy aloha taty aoriana ny nomena notantan'olon-tsotra saingy nandeha eh.
Any Sina, Japana na dia Amperora no mitondra dia mandeha daholo ny rehetra na dia fananana iombonana aza.
Tsy ilay fitantanana iombonana izany no tsy mety fa misy fitiavan-tena no tsy mampandeha azy
Ny fasan-drazana raha tsy diso aho dia mbola fananana iombonana daholo ny ankamaroany aty Madagasikara. Saingy tsy dia misy olana. Na dia tsy tena Ankohonana iray aza ny tompony fa fianakaviana saritaka mihintsy
6. Veloo ( 14/09/2005 18:50)
oy i heri oe:
Tsara fantarina hoe inona no anton'ilay toe-tsaina tsy manaja ny fananana hitambarana, asa, iza no manana hevitra momba an'izay?

ny fahafantarako azy dia fialonana, ny gasy tena malaza be mialona mihitsy...sy fitiavan-tena koa ry reto a...
7. Herimiafina ( 14/09/2005 20:19)
Veloo:

ny fahafantarako azy dia fialonana, ny gasy tena malaza be mialona mihitsy...sy fitiavan-tena koa ry reto a...


Ka toetra normaly hananan'ny olombelona rehetra misy hormone io zavatra io anie e. Fa le fomba fanehoana azy sy le maîtrise no tsisy, fa inona no antony?

Mety misy provocation ve ao ambadika?

8. Veloo ( 14/09/2005 20:44)
satria tsy mianatra mi-maitriser azy ka..
9. Herimiafina ( 14/09/2005 21:04)
Zay mihintsy, any le contôle émotionnel mambotry ny afrikana.
10. Veloo ( 15/09/2005 17:12)
hery a ie no sady lasa complexe ilay izy ko any @ ndry-zareo :-D
11. Herimiafina ( 16/09/2005 00:28)
Be fo be, tsy mahay mi-maîtrise de soi mahintsiny dia vao rangitina kely dia miakatrakatra dia mi-agresser dia violon. TSSSS
De lazaina fa manavakavaka foana ny fotsy nefa tsy izay fa izy mihintsy no manana comportement agressif.
Aiza ary le hoe kalama sy trankil sy le hoe peace and love? Mbola hafa ihany ny gasy sasany an.
12. Veloo ( 19/09/2005 19:03)
Heri a izany mihitsy lesy a, tena marina io dia vo mba tratrakely ka tsy hita izay valiana dia oe segregation fona no ao an-tsain-ndry zalahy.
13. Herimiafina ( 19/09/2005 20:28)
Fair play foana e.
14. Veloo ( 19/09/2005 20:45)
ie:wink:
15. Herimiafina ( 19/09/2005 21:28)
Fa ny olana indraindray anie, tellement le fotsy efa toy ny mahita extra-terrestre mahita ireo mainty ka raha iray fotsiny no mibolila dia ny mainty iray manontolo no mahazo tsiny.

Ny mahagaga ahy dia taty indray andro nisy rwandais namono fotsy tany amin'ny High School iray izay. Matsy voatsatok'antsy ilay bandy fotsy.

Dia teo amin'ny fitsarana ilay bandy rwandais amin'izay dia nandeha tany daholo ny communauté afrikana rehetra fa tsy ny havan'ilay bandy kely fotsiny na ireo namany. Inona no dikan'izany.

Tonga dia nandeha tany daholo ny polisy iray manontolo satria atahorana hisy ady tamin'izay fa provocation fotsiny hono no betsaka tao amin'ny tribonaly.
16. Veloo ( 21/09/2005 18:56)
ny an'ireny rehefa itanny fa diso ry zalahy dia afenina @ fandehananan'ny communaute rehetra...Na tsy diso aza izy tokony tsy namono nefa ny sain-njy zareo efa cruel be dia zay
17. Herimiafina ( 22/09/2005 03:42)
Tena le famonona aloha sôvazy be e. De ze tia mamono de sôvazy e. Na fotsy io na mainty, fa le bandy io lou de tena sôvazy e: direkta, tsy mahay manao contrôle emotionnel, tsy manana maîtrise de soi, tsy manana jery lavitra, tsy manana saina handanjalanja.

Fa fo manaonao foana sy mora tezitra sy mora mientanentana mitovy amin'ny an'ny rajako no mba ananany dia tonga de mamono vô misy provocation. Dondrona be tsy mahay mampiasa côcô. Mino aho fa tsy ôtran'izany ianao.
18. Veloo ( 22/09/2005 17:04)
o ry hery a za ve no anontanianao? enao ty dia miredirediredy mihitsy aiza ko no hisy vavy hanao an'izany? tsssssss:twisted::twisted::twisted:
19. Herimiafina ( 22/09/2005 18:07)
Diso enao rahavako, na lahy na vavy, na kely na lehibe dia tia mifamono dôlidôly.
Ny famonoana ne tsy voatery le tsatok'antsy ihany e, mety ho latsa, teny mankarary, frapy karana destriktiva, kritika manimba, fitsartsarana olona tsy nanino-tsy naninona e.
Nefa de reven'ny sasany mintsy le manao izany hany ka be ny olona miady saina amin'ny fiainana. Lasa mataôtsa anlé vavambahoaka be mahintsiny, dia lasa miteny hoe sarotra ny fiainana bnefa le olona tia mitsaratsara azy no mahatonga le fiainany ho sarotra. :-D:-D:-D:-D
20. fijo ( 23/09/2005 20:25)
mifandray tadindokanaga tsara nareo izany an.hummmmmmm
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.1072