Zava-baovao

1. Nickovy ( 04/09/2005 11:35)
Aty Sudaf aho izao. Marobe ny fametavetana zaza tsy ampy taona sy ny fanolanana olon-dehibe(na dia efa bebe aza an). Dia nahita fika ry zareo mpikaroka ka manomboka izao dia hampiasa fiharovana ny vehivevy. Zavatra atsofoka ao amin'ny maha vehivavy izy io (toy ireny condom ho an'ny vehivavy ireny) saingy misy karazana lame toy ny rasoir ka raha misy lehilahy mijabaka dia maratrai kotokely na mety ho tapaka mihitsy. Ahoana ny hevitrareo? Tokony hampiasaina ve? Ary raha miteraka olana eo amin'ny mpivady?
répondu par pitchou le 13/09/2005 19:03
2. Hubert ( 04/09/2005 12:37)
Raha mikasika ny fiarovana aloha dia tsara ilay fiarovana e!; fa ny indro kely d'zao, ahoana no mety ho effet secondairen'io @ fahasalaman'ny vehivavy mampiasa azy?
Somary liana kely zany za @ 'le zava-baovao e, ka mino aho fa manana hambara @ namana misimisy kokoa ianao satria any ampotony.
Ohatra: Iaraha-mahalala @'zao vanin'andro iainantsika izao ny firoborobon'ny fahaizan'ny zanak'olombelona; nefa toa vao maika mandrendrika antsika tsikelikely izany, raha tsy hiresaka ny mikasika ny couche d'ozoneBold text fotsiny sy ny fahasimban'ny tontolo iainana fotsiny aloha za.
Tsy hoe sanatria manakiana ny tenako an! fa...ahoana indray no mety ho voka-dratsin'io ao aoriana kely ao!
Fa na izany na tsy izany aloha; hem!!! dadany indray aloha iny e!
Fa hono hoà, efa tsy hita intsony angaha ny SIDA, izay mampihoro-koditra ny be sy ny maro ao Afrika atsimo ao ny loza aterany hein!!!
3. Nickovy ( 04/09/2005 12:45)
Mbola tsy fantatro aloha izay mety ho fiantraikany satria vao herinandro mahery izay no nanambarana azy tamin'ny vaovao. Dia samy miandry isika. Raha ny resaka SIDA indray dia toazary rivotra ihainan'ny tanora ka ny tena mbola vahiny no mihoronkoditra. Nisy fanadihadiana nataonay tamin'ny sekoly iray ohatra ka ny 47 @ mpianatra 52 Tle dia VIH + daholo. Ary ny tena loza dia ny tanora 15 - 35 ans no tena lasibatra. Dia natokana handevenana ny andro Asabotsy ary tsy latsaky ny 20 ny razana alevina @ cimetiere iray. Tsy abobo ireo fa tena zava-misy natrehako an! Hany ka raha fitiavana no resahana dia toa mampatahotra ihany ny fandehan-javatra.
4. fijo ( 04/09/2005 19:57)
ary le sipa ve tsy atahorana haratra amin'izany le? ary raha lela no atao any dia hoana le?????
5. pitchou ( 05/09/2005 01:24)
fijo> d bory kou inn ndray!
nickovy> t@ SAS tany @ tany arabo tany no nahenoako an'io voalohany!

tsara heverina tokoa ny hanaparitahana an'izany aty mada knou! saingy atao ahoana no hampiasa izany @ zazakely? satria aty zaza kely vao amam-bolana d efa vetavetaina, ary tsy d sahaza akory ny sazy "mety" ho azon'izay nahavita izany
6. pika ( 05/09/2005 10:07)
ny blème koa anie dia matetika ny rainy na ny dadatoanay ihany no manao ilay zavatra e dia ahoana
7. jentilisa ( 05/09/2005 10:18)
de ho an'izay azo ametrahana azy koa inona moa. Ary ny vidinymanao ahoana?
8. zandikely ( 06/09/2005 00:26)
Tsy any Africa Atsimo ihany fa na dia any Madagascar koa dia tena mahazo vahana ny fametavetana zaza tsy ampy taona tato ato zay. Vao tsy firy herinandro dia nihafara tamin"ny fahafatesandrazazavavikely. Ireo heno ireo dia sendra ny mba mahatonga fitarainana aminy mpitandro filaminana fa mbola maro lavitra no voan'io fa tsy fantatra satria tsy mahasahy milaza.
Asa na mba manao ahoana ny sazy mba azon"ireny tsy matahotody ireny.
Momba ny resaka Sida: Marina ny voalazany Nickovy io, ny tao Sud Afrique tsy hitako fa tao Namibie, dia tena sarotra ny ahitana fianakaviana tsy misy olona mitondra VIH. Ny olana dia ohatriny tsy vakian"izy ireo loha intsony fa hoe rehefa maty dia maty hono.
Tena aretina mandoza ny Sida.
9. Herimiafina ( 06/09/2005 04:28)
Nickovy:

Mbola tsy fantatro aloha izay mety ho fiantraikany satria vao herinandro mahery izay no nanambarana azy tamin'ny vaovao. Dia samy miandry isika. Raha ny resaka SIDA indray dia toazary rivotra ihainan'ny tanora ka ny tena mbola vahiny no mihoronkoditra. Nisy fanadihadiana nataonay tamin'ny sekoly iray ohatra ka ny 47 @ mpianatra 52 Tle dia VIH + daholo. Ary ny tena loza dia ny tanora 15 - 35 ans no tena lasibatra. Dia natokana handevenana ny andro Asabotsy ary tsy latsaky ny 20 ny razana alevina @ cimetiere iray. Tsy abobo ireo fa tena zava-misy natrehako an! Hany ka raha fitiavana no resahana dia toa mampatahotra ihany ny fandehan-javatra.


Fa maninona kay ry Nickovy no tena betsaka be mihintsy ny viol any aminareo any. Efa tamin'ny 1999 tany aho mantsy no naheno fa Afrique du Sud no loha laharana amin'io resaka io eto antany.

10. Herimiafina ( 06/09/2005 04:33)
(Tohiny) Tsara izany fitaovana vaovao izany saingy tsaratsara kokoa mantsy raha ny fototry ny loza mihintsy no asiana fandinihana.
Apetraho ny fanontaniana:
"Fa nahoana no mirongatra ny viol?"
11. mandrindra ( 06/09/2005 10:39)
Ny fijeriko azy aloha tsy ho nihanitombo betsaka izany ny fanolanana fa zavatra efa nisy hatrizay io. Saingy ankehitriny dradrain'ny fampitambaovao maro samy hafa dia ohatran'ny mody gaga sy talanjona daholo ny rehetra.
12. cocorie ( 06/09/2005 12:42)
:roll: zany ve tsy hakarary
13. pitchou ( 07/09/2005 17:48)
herimiafina> misy zavatra tsy toa d inona loatra ohatra mangalatra zavatr'olona nefa mahavoasazy an-taonany maro, ohatra manao vola sandoka voaheloka hanao asa an-terivozona mandra-pahafaty; ity farany nefa d resaka taratasy! fa raha manolana na mahafaty olona na zaza @ fanolanana d tsy d maninona akory! atao aza ze ahafahany maimai-poana! tsy mbola naheno aho hoe voasazy mafy le olona nahafaty zaza t@ izany! fa raha olona hafa no novonoina ankitsirano ohatra hoe notsatohana antsy d mba mety ho voasazy be ihany!
kou nahoana no hisy fanontaniana hoe fa maninona no mirongatra ny viol? zavatra ankasitrahana kokoa noho ny heloka hafa io!
14. Herimiafina ( 07/09/2005 17:53)
Ny tiako ho fantatra dia iza ary olona toy ny inona no tena manao an'io viol io, sa ny olondrehetra any Afrika Atsimo?

Manana hypothèse aho: vokatry ny appartheid taloha sy ny apartheid miafina amin'izao fotoana izao angamba no mampirongatra ny viol.
"Rehefa nifangaro ny mainty sy ny fotsy, rehefa nambaniana ny mainty, tsy nomena asa, lasa mahantra, tsy ampy loisir, dia manao compensation any amin'ny filan'ny nofo" ka mi-viol.

Marina ve io sa tsia?
15. Veloo ( 07/09/2005 19:08)
o ry Niko a ny zavatra maha variana ahy... tsy ho tataka ao ko ve ny vagin an'ilay kala? Tena tsy azoko an-tsaina ilay methode..
16. jajaf401 ( 07/09/2005 19:35)
Herimiafina:

(Tohiny) Tsara izany fitaovana vaovao izany saingy tsaratsara kokoa mantsy raha ny fototry ny loza mihintsy no asiana fandinihana.
Apetraho ny fanontaniana:
"Fa nahoana no mirongatra ny viol?"


firongo entin'ny fandrosoana jiaby zany eh! oh: ny fomba fitafy (izay mbola mampiavaka ny karana) tsy matotra miteraka ny envie hoan'ny mpanao ratsy, ohatra fotsiny zany fa zv tahak'izany no mety ho fototry ny loza.

17. Herimiafina ( 07/09/2005 20:03)
I Afrique du Sud koa anie mafana ka dia fohifohy fiakanjo aby na somondrara na mpamaraky e.

Sady any amin'ny tany mafana hono dia ari-fomba aloha be ny fitaovana hoy ny mpandinika ny fitaovampananahana.
18. Nickovy ( 09/09/2005 06:28)
Zao indray vao tafiditra eh! Misy fanintsiana kely. Tsy hoe tapaka eo no ho eo i Balita kely fa ny tena fa raha forcena ny manala ilay zavatra no tena gravy. Henoko tamin'ny herinandro fa tsy maintsy mandalo operation hono nykofy tratran'io vao afaka ilay izy ary dia raisim-potsiny avy eo (raisin'ny polisy an)
Mirongatra be ny viole satria antony iray aloha ny habiibana manjaka (tsy ny mainty ihany fa na dia ny fotsy sy ny indiana koa aza saingy mazana no modian-tsy hita ireny ka ny mainty ihany no dradraina fa ratsy fitondran-tena. Mampalahelo!) Ny antony iray mampirongatra ny viole sy ny Sida dia misy finoanoam-poana aty milaza fa raha manao firaisana amin'ny virjiny (zaza na tanora) ianao dia afaka ny SIDA.
19. Herimiafina ( 09/09/2005 21:05)
Gay gay loza amin'atambo zany marina, sady voa viol no voa sida, gay gay.:x:x:x:x

ôtran'ny tontambolavo mihintsy anie izany ny fiasan'ilay zavatra e.
20. pitchou ( 13/09/2005 19:03)
aleo aparitaka zany na aty aza e!
noheveriko hoe efa milamina ny any satria mandende eny an-dalana eny ny tena tsy misy manakana kou! fa sendra nifanena t@ gardiens ny hotely aho ndray maraina zay fa saika tafapetraka! mirongo fiadiana be mihitsy! rony mitraillette rony!
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 1.3966