AO AORIAN'NY FISONDROTRY NY LASANTSY

1. johns ( 04/08/2005 11:55)
Araka ny toe-tsain'ny vahoaka malagasy dia, izao no zavatra hitranga:
- Fisondrotry ny vidin'ny entana tao amin'ny stockn'ny mpivarotra. Na dia mbola tsy nanondrotra aza ny mpamatsy sy ny mpitatitra. Ary na dia mbola tsy naka entana vaovao aza izy.
Ka raha dinihina dia ny vahoaka no mampahantra ny mala sy mifampijaly fa tsy ny fitondrana.
répondu par fijo le 08/08/2005 21:38
2. kally ( 04/08/2005 14:04)
Andraikitry ny fanjakana no mametraka mpanara-maso hitsinjovana ny mpanjifa @ tarehin-javatra ohatr'itony satria tsy ny vahoaka ireo fa olom-bitsy.
3. fijo ( 04/08/2005 21:22)
tsy araky ny fanjakana izany ry kally an.ny vahoaka mihintsy no tsy manao ezaka,fa mila atao toa ny omby lava izao.
4. Lejim ( 04/08/2005 23:28)
Satria tsy misy mampianatra azy ny tokony sy ny tsy tokony ataony, ny zony sy ny tsy zony ny mety sy ny tsy mety. Izay mba tokony ho moramora aminy ho azo sy ianarana efa simba (dia ny fahendrena maha-Malagasy izany). Ilana ezaka avy amin'ny manampahefana ny ampahalala izany. Mety misy olana avy amin'ny vahoaka izany fa mbola tsy afa-miala ny fitondrana sy ny olona manam-pahaizana.
5. kally ( 05/08/2005 15:21)
Nahoana moa hoy i Fijo no tsy ho arany? Maka anankiray homena sazy mafy hatao ho ohatra indray mandeha dia mifitsaka.Sa vahoaka iza ity lazain'i FIjo?
6. lilbon ( 06/08/2005 05:14)
tssssssssssss!
tsy ny vahoaka no mampahantra ny malagasy fa ny mpitondra foana e!
ny lasantsy ve !normale raha hiakatra satria vente exclusive io eto amintsika fa tsiss concurence!
ary io de misy relation amy commerce rehetra
ITY NO ZAVA-DEHIBE
voafehin'ny lalànan'ny tolotra sy ny tinady ny varotra rehetra
7. lilbon ( 06/08/2005 05:15)
lanja miakatra rizareo ny fiainana a!
ny zavatra tokon'ny hataon'ny fanjakana de :
ny fomba hampiakarana ny fahefa-mividy an'ny MALAGASY
mba ahafahany manaraka ny fiakaran'ny vidim-piainana
8. lilbon ( 06/08/2005 05:20)
E.D ANDRIAMALALA (iLAY VOHITRY NY NOFY)
^^aza variana manonofy we ny hafa no hanao izay hiakaranao amin'ny amboni2 kokoa ka hitsinjo ny tombotsoanao manokana .:?::?:
AMPIAKARO NY KARAMAN'NY MPIASA ahafahany manaraka ny fisondrotry ny vidim-piainana
9. fijo ( 08/08/2005 21:38)
kally an,mba misy efa voasazy ihany,hitako,fa jereo fotsiny ny mpivarotra eny analakely e.efa henjehana isanandro,fa tsy mahasakana azy izany.
lilbon,misy andraikitry ny fitondrana io,ekeko mihintsy,fa ny vahoaka koa tokony handray andraikitra.
jereo,fa raha vao nanomboka nanadio ny teny analakely nyfitondrana,dia lasa ny hoe "didijadona io" aiza ny vahoaka?sns.izany hoe,tsy vonona ny hiova mihintsy fa le higrevy fotsiny.sy himenomenona
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1308