Moramora

1. booboo ( 02/08/2005 12:35)
Ahoana no fahazoanao an'io fomba fiteny mampalaza ny malagasy io ?
répondu par fijo le 03/08/2005 20:56
2. fasaly ( 02/08/2005 17:12)
booboo:
hihihi! marina izany ny gasy dia tena mbola moramora be mintsy an! eny na efa sarotra aza ny fiainana, de cool cool! eny dia manadankanadana eny, hany ka raha ny gasy avy aty ivelany no mandeha misrana any dia hita avy hatrany ny famindra, fa mirifatra bemintsy ,vitesy be manadala, ny antony dia noho ny fiainana aty ivelany angamba hazakaza-dava, fa any dago angah tsy hazakaza-dava????:lol:::lol:
3. Veloo ( 02/08/2005 20:17)
fasaly, booboo a ka ny gasy anie peuple choisi e... enjy be mihitsy :-D:-D:-D:-D
4. lo ( 03/08/2005 02:16)
mba hazakazadava koa ny aty dago k, fa le we revena milay e, tsy maka lagy fa revena moramora eny iany.
d mety koa we le hanaovana zvtr moramora d mora angalana recul alohan'ny hanapahana hevitra, zay ngamba ny nahatonga le we avadika impito ny lela vo miteny ny gasy
5. kally ( 03/08/2005 07:00)
Ho an'ny olona miasa kosa mba hazakaza-dava koa ny ao Dago e!mifoha maraina @ 4 sasany fa hahandro sakafo maraina sy atoandro, ny koso-trano sy tohatra ary ny fafa tokotany tsy maintsy vita isa-maraina vao mandeha miasa, avy eo mirifatra manenjika taxi be na mandeha tongotra mihazakazaka midina an'iny tohatoha-baton'Ambondrona iny hamonjy birao any Antaninarenina any, sempotra sy sport b mandala isa-maraina, mirava ny hariva dia miantsena sy mirifatra mody haingana hanao sakafo hariva sy hamita ny pasoka tsy vita, tsy mba hazakazaka ve izany?Indrindra moa raha misy taratasy hatao dia aoka fotsiny...
Fa ity moramora ity ange raha isika gasy rehefa sendra misy olona mitratrevatreva fanao zavatra dia hoy isika hoe: e! moramora! na mirifatra loatra ny sôfera dia hoe : e!moramora ihany sôfera a! atao amin'ny antonony sy am-pilaminana ny zavatra fa tsy mitratrevatreva fahatany no dikan'izay e!
6. fasaly ( 03/08/2005 13:53)
aoka re ry kalmmy! toa mampatisahy ny taloha ndriko zany! toa miverina ao andoha daholo izany rehetra izany, marina mintsy ka! pire noho ny aty ivelany aza.
fa ilay moramora dia tsy afaka amin'ny gasy any mada e! manadana be mintsy na miresaka na mamaindra na manao zavatra, tsara aloha izany e! amizay tsy tonga ny stress sy ny deprime.
Any kosa aloha mbola misy ilay olona mitsilanilany eny amy bozaka de mihinana bozaka de tena mistsiriritra be mintsy mahita an'izy ireny hoe tena belle vie zany an!:lol:
7. Veloo ( 03/08/2005 16:33)
=))=)) ao ko rehefa mamaly dia moramora ny famaly =))=)) :-D:-D:-Dndray2 za sosotra kle
8. fasaly ( 03/08/2005 16:52)
ka lay moramora ilay hoe maka tsy taitra anefa tsy tara e!
9. fijo ( 03/08/2005 20:56)
teny tena mahalaza ny toetrantsika io.saingy tato hoato izay dia efa niova izany,satria efa manomboka mirotoroto koa izao ny gasy.
fa izao atao an tsaina e.ny frantsay be resaka sy be faneso hoe "gasy moramora "io anie ,rehefa any US ka ataon'ny olona fiomehezana koa e.vao androany aho no naheno fandaharana frantsay tany US,fa niloabava lery,fa na ny parizianina aza hozy any amerika dia toa ny sifotra,raha hoarina amndry zareo.
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.3709