Ny fenitra W3C

1. DotMG ( 28/06/2005 07:55)
Ny W3C dia miezaka mametraka fenitra mba hahamora ny asan' ny informatisianina. Efa fantatsika tsara ny fisian' ny fenitra HTML4.0, XHTML1.0, CSS1.0, CSS2.0 sy 3.0 koa angamba. Misy ihany koa ny fenitra izay mamehy ny JavaScript avoakan' ny W3C dia ny DOM (Document Object Model izany).

Ny fenitra HTML sy CSS moa na dia tsy voaaraka aza tsy dia maninona satria hain' ny browser foana ny mamoaka ny votoatin' ny takelaka, fa ny JavaScript kosa dia tena manahirana ny mampiasa azy satria tsy maintsy arahina ny fenitra ampiasain' ny browser tsirairay. Ny MS ohatra manana ny azy manokana. Ny mpianakavin' i Gecko (Mozilla, ...) manana ny azy manokana. Ny Opéra koa tsy dia mitovy loatra amin' ny Gecko.

Ny tian-kahatongavana dia eo amin' ilay script mampiseho saritsiky amin' ity takelaka ity. (function sokafy()). Izy io dia fenitra MS no arahiny fa odiany fanina fotsiny ny W3C (izay tena tokony harahina). Efa napetrako mantsy ilay olana dia tsy noraharahian' ny mpitantana ny sources, nefa tena tsy mandeha io fonction io @ Mozilla Firefox latsaky ny 1.0
Mila mba hajaina ihany ilay ataon' ny teny anglisy hoe "backward compatibility", satria tsy voatery hanana version farany foana ny mpitsidika ny sehatra iray.

Porofon-kevitra: Ho anao manana Firefox, dia azonao jerena foana ilay Outils\Console Javascript fa ao no hahitana ny erreur sy avertissements. Ity ohatra ny avertissement momba ny document.all @ Firefox 1.4:
Avertissement : La propriété non standard « document.all » a été utilisée.
Veuillez utiliser la propriété standard du W3C « document.getElementById() » à la place.

Fichier Source : http://forum.serasera.org/index.php?rub=message&msgid=m42b9711733e92
Ligne : 1116

Mivoaka ihany ilay saritsiky fanampiny, saingy @ version 0.9 izy io dia tsy mivoaka, ary erreur fa tsy avertissement. Ny fanazavana azo omena an' izay angamba dia voatery nanarak' efa ny hadalan' ny MS ny Gecko satria maro loatra ireo sehatra tsy manara-penitra W3C fa tsy mahalala afa-tsy MSIE.

Atsipy ny tady an-tandroky ny omby, ...
répondu par aristar le 28/06/2005 16:34
2. aristar ( 28/06/2005 16:34)
Ny W3C dia miezaka mametraka fenitra mba hahamora ny asan' ny informatisianina.

Tsy te hilalao vorona ratsy tsy fantratso aho, bref je ne vais pas jouer aux oiseaux de mauvaises augures faha ny W3C dia tsy hanamora ny asan' ny informatisianina mihintsy faha ny tia informatika.
Ary tsy fantatro izany fenitra ny W3C faha ny fantatro dia draft aloha ilay izy dia avy eo lasa recommendation ary raha tsy diso aho toa misy teny gasy hoe drafitra na rafitra avy @ teny anglisy.
Hanihany fotsiny io faha ho an'ireo mampiasa Firefox 1.0.4 faha tsy 1.4 sy Windoze (beurk) dia misy extension HTML Validator tsy mila connecté ianao dia hafaka mitady ny hadisoana rehetra. Mila mi-installer ny CSE HTML Validator Lite (free) izay tsy manambola na Standard sy Professional dia izay pejy rehetra eo @ Firefox dia tsindrina fotsiny ilay button eo @ StatusBar misy H ngeza be dia havaokany daholo ny hadisoana rehetra. Ny mahatsikaiky dia rehefa mandeha any @ W3C http://www.w3.org/ dia izao noho mivaoka
? Message The lite edition missed more than 20 errors and 3 warnings that the standard or professional edition would have found.
? Message errors, 0 warnings, 0 messages, 2 comments.

Tsara ilay izy indrindra ho an'ireo tsy manana connection ADSL rehefa te hanoratra tsara code (X)HTML na CSS
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.6523