Fanazavana ny teny sasany ao amin'ny baiboly

1. hery ( 20/05/2005 09:15)
Betsaka ny teny gasy sarotra azo ao amin'ny baiboly koa ireto misy fanazavana vitsivitsy. Raha ohatra ka mbola tsy ao anie ilay teny dia mba apetraho ho hitan'ny hafa.

http://mg.wiktionary.org/wiki/Tompo
http://mg.wiktionary.org/wiki/Fifanekena
http://mg.wiktionary.org/wiki/Afobe
http://mg.wiktionary.org/wiki/Sambo_fiara
http://mg.wiktionary.org/wiki/Fiaran'ny fanekena
http://mg.wiktionary.org/wiki/Anjely
http://mg.wiktionary.org/wiki/Fiangonana

Hitanareo angamba ny fomba fametrahana teny hafa... asiana hoe http://mg.wiktionary.org/wiki/ fotsiny eo alohan'ilay teny tiana hazavaina.
répondu par marozevo le 27/05/2005 00:18
2. pitchou ( 20/05/2005 20:42)
ary hono hoa: sao dia tokony hadika @ teny fampiasa andavanandro ny baiboly? satria manko toa tsy gasy no nandika azy io @ teny gasy dia lasa sarotra be! moa ny fomba fiteny koa mivoatra! ny eritreritro @ izay dia ny mba hahafahan'ny gasy maro kokoa mahazo izay lazaina ao
3. marozevo ( 21/05/2005 00:43)
pitchou > Marina ny filazanao fa tokony hadika amin'ny fiteny andavan'andro ny baiboly. Taoko fampiasa andavan'andro ny teny gasy eh !!.. Tena misy teny tsy azonao ve ny teny Malagasy ao amin'ny Baiboly? Tsarovy anefa fa anisan'ny antoky ny firaisam-pirenena koa ny baiboly. Soa aza fa io no teny ao aminy. Tsy resaka Politika mihitsy ny ahy, fa azo porofoina io.
ka na iza na iza nandika azy, ka mazava ny voalazany.. tsy dia olana amiko loatra.
4. Narilala ( 21/05/2005 06:24)
pitchou! tena taraiky be indray anie ianao izany t@ ity indray mandeha ity e. Efa tena misy io ary efa taona maromaro ihany izay, indrindra ny Testamenta Vaovao. Raha tsy diso aho dia efa natsidik'i Hery teto ihany ny fahavitan'ny fandikana ny Baiboly @ Dikan-teny Iombonana na atao koa hoe DIEM Dikan-teny Iombonana Eto Madagasikara, izay azo lazaina fa tena mifanaraka @ teny Malagasy ankehitriny no natao ho an'ny Kristianina tsy ankanavaka satria izay no maha dikan-teny iombonana azy. Ny Testamenta Vaovao aza dia efa an-taonany maro no vita fa ny Baiboly iray manontolo io vao tsy ela io.
Ankoatra ny maha dikan-teny iombonana azy io ny mampiavaka azy koa @ Baiboly katolika na protestanta dia ny fisian'ny fampidirana na fanazavana mialoha isaky ny boky tsirairay avy, toy ny hoe ny mombamomba ny mpanoratra, ny fotoana nanoratana azy, ny vontoatin'ny boky sy ny karazana fizarana misy ao, ary koa ahitana reférences maro samihafa mifanandrify @ izay an-dalana tianao hovakiana. Ohatra: raha miresaka momba an'i Jesoa nifidy ny Mpianatra ao Lk 6, 12-16 dia ataony eo akaiky eo koa ny boky hafa mety hahitana izany Mt 10,1-4 sy Mk 3,13-19. Ary any @ takelaka faramparan'ny Baiboly dia misy fanazavana ireo teny sasantsasany mety ho sarotra ny mahazo ny heviny,toy ny hoe Fariseo, Mpanoradalàna, Paska, Pantekosta sns...
5. Mifenty ( 21/05/2005 10:45)


efa misy koa aza ilay baiboly ho an'ny ankizy kou

Fa na izany aza dia tena mbola lafo ny vidiny ka tsy dia takatry ny rehetra akory.

am teny gasy doly reo a
6. douhdouh ( 21/05/2005 12:05)
Raha ny marina ny teny hoe "FIFANEKENA " ao amin'ny Baiboly dia Andriamanitra mihitsy no nanao fifanekena tamin'ny zanak'olombelona na ny zanak'Israely angaha no marimarina kokoa araka ny teniny hoe "ny fanekeko taminy dia FIAIANANA SY FIADANANA " , ary ny fanekena dia toy ny tady mampifamarotra amin'Andriamanitra sy ny olona ,ary mampifamatotra amin'ny olona samy olona ihany koa ohatra hoe mpivady manao fifanekena mba hahamafy orina ny fifankatiavany ; dia toy izany koa ny hoe fifanekena amin'Andrimanitra eo amin'Andriamanitra sy ny olona iray nanolo-tena ho tia sy hanompo Azy , dia mitandrina izay fifanekena izay ,mba hampaharitra ny fifandraisana amin'Andriamanitra
7. dadabe ( 21/05/2005 15:17)
amen !
8. zefalah ( 22/05/2005 23:58)
tsara ny olombelona manana finoana.
na de mahanitra tahaka ana aza.
fa ny finoana no maha olona ny olona.
mampirisika asika mba andalina ny finoana.
9. zefalah ( 22/05/2005 23:59)
tsara ny olombelona manana finoana.
na de mahanitra tahaka ana aza.
fa ny finoana no maha olona ny olona.
mampirisika asika mba andalina ny finoana.
10. pitchou ( 23/05/2005 19:17)
dia tena taraiky aho izany sa ve ny tao @ mpampiely baiboly no nivarotra baiboly lany andro tamiko? fa tena betsaka voambolana tsy dia fiteny loatra ankehitriny ao d tsy azo ny antsasak'izay vakina!
Ilay baiboly ho an'ny ankizy aloha tsara saingy tsy iny no vakina rehefa ao am-piangonana ko!
11. marozevo ( 24/05/2005 23:24)
pitchou > Tsy misy baiboly lany andro izany aky ah ! Manana ny maha izy azy foana iny na dia efa taloha be aza. Aza matahotra fa marina foana ny Tenin'Andriamanitra ao anatiny ao.
Mazotoa mamaky eh!
12. pitchou ( 26/05/2005 20:28)
marozevo> ka le teny gasy ao mihitsy no sarotra be amiko le famakiana azy ko! d ho voatery hamaky @ teny vahiny foana ve? lasa otran'ny hoe tsy mety raha ny tenin'ny tena le izy! asa aloha e!
13. marozevo ( 27/05/2005 00:18)
pitchou > diso ve aho raha mangataka zavatra iray aminao ? Mba anoraty fehezan-teny roa na telo avy amin'ilay Baibolinao eto hoe hojerena ilay teny sarotra tsy azonao. Mety mba ho afaka mitondra fanazavana manko ny hafa raha tena tsy azonao tokoa ilay izy.
Miala tsiny manome fahasahiranana e.
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.2288