Karama varimasaka

1. notron ( 27/04/2005 16:17)
Ny vary indray mihinana taloha dia vary maina somary natao maherihery mba hampateza an-kibo azy.
Tsy mba lovia somary fisaka toy fampiasantsika ankehitriny ny taloha fa somary jobo ary mahazaka be.
Ny laoka moa na dia natondraka aza dia ampy tsara ary tsy lany aza miohatra amin'ny vary. Afa-po tsara ianao miala eo.

Amizao fotoana izao, raha miditra Hotely tsotsotra ianao dia 6000fmg (1200Ar) ny iray lovia nefa tsy mahavoky akory.
Raha in-3 isan'andro ianao no mihinana dia 18.000fmg (3600Ar) no laninao.
Ny iray volana zany dia 18.000x30= 540.000Fmg (180.000fmg)

Misy anefa amizao fotoana izao olona mikarama 300.000fmg (60.000Ar) na latsak'izany aza.

Efa amban'ny karama varimasaka zany no iainan'ny olona maro eto amintsika.

"Trafokena ome-mahery, am-bava homana am-po miheritra"
répondu par fijo le 16/05/2005 23:22
2. maditra ( 27/04/2005 16:38)
Marina aloha ny teninao hoe mampieritreritra ihany ny ho avin'ny Malagasy raha izao fiainana izao no dinihina satria mbola misy latsaka izany 60.000a izany ny karaman'olo sasany. Fa tsy voatery hininana amin'ny hotely anie. Mila mihafy. Ny mahagaga koa manko dia ity: amin'ny tanan-dehibe, ny olona tsy te hi-depense zavatra maro no mandeha amin'ny hotely, ary mahamenatra ary raha toa ka fianakaviana no manao izany matetika satria toa tsy mba misy fotoana milamina ho an'ny fianakaviana izany ny dikany. Fa any Mada kosa, na ny mpanankarena ary tsy dia mahantoka izany fihinana amin'ny hotely izany, ireny mpanao voyage ireny no amin'ny ankampobeny, no azo satria voatery. Tsara ihany aloha ity dinidinikao ity notron an!
maditra
3. maditra ( 27/04/2005 16:38)

4. maditra ( 27/04/2005 16:44)

5. pitchou ( 27/04/2005 18:44)
maditra> in-1 ihany r'ise de ampy fa aza averina in-3 an!
Izaho indray aloha d miteny we tsy ny fandehanana any @ hotely no ahafahana mitsitsy e! satria raha mahandro sakafo enao d latsaka an'izany ny laninao! na dia ataoko hoe gaz aza ny fampiasanano fa tsy kitay na charbon! sady mbola mahazo tyombony ianao satria ho ara-pahasalamana kokoa ny sakafonao!

dia mankeny an-jaridaina ny fianakaviana kely @ atoandro manao picnic! :D
6. cheboman ( 27/04/2005 19:09)
pitchou> in-3/andro no mihnana anie r'ise :lol:
7. maditra ( 27/04/2005 19:34)
pitchou> Tsy fanahy iniako io miverina in-telo io. Anontanio Sonwin mikasika an'io! haha!
Samy isany koa moa amin'ny tany rehetra izany mikasika sakafo an-trano sy amin'ny hotely izany. Zah koa kamo mahandro nefa zavatra moramora ihany ny sakafo haingana (fast food) dia izay mahatonga zah tsy mahandro an-trano sady tsy misy fianakaviana koa (hihi). Fa betsaka aloha ny fianakaviana aty,rehefa samy miasa ny roa mivady dia ariva fotsiny no mba mihinana an-trano.
8. naritsimba ( 28/04/2005 05:46)
Iza aminareo ireo no milaza fa mahay mitsitsy indrindra?
Ny karama farany ambany eto Madagasikara dia 250 000 fmg (50 000 Ariary).

Ny fanontaniana apetrako dia hoe:
1-Ahoana no ahafahana mivelona @ io raha olona mpivady manofa trano ary tsy mbola niteraka?
2-Ahoana ny fomba hitsitsiana an'io karama io raha toa ka olona tsy manofa trano nefa niteraka 1 na 2?
3-Mba omeo ny vahaolana avy aminareo @ tena fitsitsiana?

Misaotra tompoko.
9. naritsimba ( 28/04/2005 05:55)

10. ndrena ( 28/04/2005 07:22)
Tsy misy manana ny ampy aloha e!na ireo izay heverina ho be karama anie jereo fa be ny zavatra tsy mahatanteraka azy e!Koa dia izay kely hananana no hahiratra fa raha manao ankoatr'izay dia mitera-doza.Ny inona moa no tsitsin'e?Ny karama @ ity volana ity aza ny an'ny sasany efa tsy ampy handoavana ny lany t@ volana lasa!
11. fijo ( 28/04/2005 22:24)
raha izany 250000fmg izany aloha dia tsy hitako mihintsy hoe ahoana no hiainana amin'izany e.ary tena mahalasa saina ahy hoe asa aiza no mbola mikarama an'izany any.ny mpiasa antrano aza hitako any mandray 350000 fmg
12. ravatorano ( 29/04/2005 12:14)
tena mbola toerana maro no manakarama olona amin io karamama 50 000 ariary io kosa aty madagasikara.
Marina fa tena tsy misy olona afaka miaina amin io fa azoko lazaian dia izao mbola misy ary marobe ny olonamandray vola toa an io nefa mbola velona ihany .Ny fanontaniako koa dia ity fa aoana no fomba hahaveloman dry zareo amin io dia io ilay resaka we misy bizina kely atao any ampiasana eh ! hihihihi!
Marina fa tsy any amin ny fidirana hotely no hahafahana mitsitsy ;ekeko fa sarotra ny miaina amin ny karama isam bolana amin izao ho an ny mpiasa amalagasy mihoatra ny 90% mihitsy .Ny tena mahatonga ny corruption anie ka nyb tsy fahampian ny karama anisan ny antony anakiray eh;izany alohan midika fa mbola tena andalampivoarana ny toekarena eto amitsika eh, mbnola misimsiy ny dia aleha ka alao hery ary ry namana isany ary enga anie ka samy mba handray anjara amin ny fampivoarana an ity gasikara ity isika araky ny tandrifiny azy avokoa.
13. sonwin ( 29/04/2005 13:04)
Ny laojika-kevitra narahin'i aristar no arahiko an:
dia any europe aza..raha miditra restaurant tsotsotra ianao (sinoa io) mandany eo amin'ny 10euro eo ny indray mihinana,tsy voky be akory an, raha in-3 mihinana izany , 30euro isan'andro
iray volana izany 30eurox 30= 900 euro , ny hofan-trano nefa any an..trano efitra kely iray 150euro , efa ambany be aza io...de ts tohizako fa mbola maro ny depense

maro anefa ny olona any europe no mandray vola latsaky ny 900euro,

eo ambanin'ny karama sakafo masaka izany no hianan'ny olona maro any europe any.

Dia hoy aho hoe kay tsy eto Mada ihany no misy ny tsy fahampiana kalé, fa ity planeta tany ity mihitsy izany no efa miara-sahirana
14. pitchou ( 30/04/2005 04:46)
naritsimba> raharaha tedavina kosa aloha izany hoe ny karama aza tsy mahavelona olona iray ko ndeh haka vady! zavatra efa tsy lojika izany!
ravato> mety ho izay tokoa no mahatonga ny corru^tion saingy .... toa hoe ny olona manana na manana toerana ahafahany mametraka izay tiany no afaka manao azy io fa tsy ny olona mahantra? ireny aza no iharany sa ahoana tsara no fandehany?
15. notron ( 30/04/2005 07:44)
Io fanoharana nataoko io dia fanoharana ihany fa tsy vary ihany akory no ilana vola @ fiainana.
Tsy voatery hihinana any @ hotely tokoa nefa raha olon atsy afaka mody atoandro dia tsy maintsy.
Azo atao tokoa ny mahandro ny maraina nefa noho havizanana vokatry ny asa dia mety tsy ho araka foana io.
Tsy tsara koa ange ny mihinana sakafo mifona lava e!
Nefa raha hotely be karibônetra koa dia vao maika loza
16. dadabe ( 30/04/2005 08:10)
ny zavatra mba tsikarotro ihany koa anefa dia ireo olona efa tena faraidiny kou matetika no manao fandaniana be (sigara,mampirevy toaka,miloka,sns...) :cry:
17. pitchou ( 01/05/2005 16:43)
notron> ka io aloha dia fahazarana e! raha manana irony rice cooker irony dia tsotra be! satria azo atokona ny hariva ny laoka dia ny vary raha sendra mitsangana maraina iny d apetraka eo! aza mieritreritra izany mifono lava e! afanaina e! fa tsy latsak'izany akory ny eny @ hotely!
sady ny hafa ve mahavita d enao tsy hahavita fa tssss :D
18. notron ( 14/05/2005 05:33)
pitchou>za mavita ka! hihihihihihihi
Fa tsy za ange no resahako fa tranga iray eo @ fiaraha-monina io e!
19. pitchou ( 16/05/2005 15:44)
eny tsy maintsy misy fôna ange ny tsy mahavita an'itsy na iroa e! fa ny tsirairay tsy maintsy mandamina ny fiainany raha tsy izany tsy tafavoaka
20. fijo ( 16/05/2005 23:22)
sonwin marina fa misy ny mandray latsaky ny 900 euros aty,fa aty anie letia misy ny fanampiana e.izay no tsy mampitovy azy
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.8534