vary aminanana

1. kinaoly ( 10/03/2005 13:04)
iza manana resety fa samy manana ny fanjahony aza dôly hono
répondu par haingou le 18/03/2005 09:26
2. booboo ( 10/03/2005 14:30)
ny anà ny fanaovako azy :

-manao sôsy voatabia klou. tetehina madinika aby ny karazana anana, arotsaka ao refa avy voasasa. Elaela kely vao tapohana rano kely sy asiana cub'or.
-tetehina en petits cubes ny nofon-kena. Dia endasina atao mendy tsara.
-Andrahoina ny vary. Rehefa akaiky ho masaka iny vao afangaro aminy ny anana sy ilay kitoza kely be dia be. Afangaro tsara. Tapohana rano kely raha maina loatra.

Ny anà ataoko sosoa ridritra foana. Dia zay. Ny moutarde na sakay rehefa hihinana azy tsy hadino.
3. betty ( 10/03/2005 14:58)
booboo > hummm !!!
kinaoly > enarantsika ze resety tsara njinja eo ah .. anaovatsika experiansa =))
4. cutie ( 10/03/2005 16:36)
merci booboo
Efa ela kou za nitady an;io . :*
5. bichette ( 10/03/2005 16:37)
mmmmm !! misaotra booboo an ! anjamana izany
6. iartistika ( 10/03/2005 16:47)
Ny ahy njay le cub'or soloina patsa mena voatoto,milentika mitsy ny vary am anana @ iny.. :miam: :miam:
7. cheboman ( 10/03/2005 18:43)
otran'ny an'i artistika, somary dorana kely @lapoaly maina (tsy asina menaka) aloha lay patsa mena avy eo kosehana, mmmm manitsa an
8. iartistika ( 10/03/2005 19:04)
miainga @ zay ny saosisy mendy tsara!Ambanitsena io,sa pavillon n° firy moa?? mampite hody mitsy legôna ah :( :(
9. booboo ( 11/03/2005 00:08)
betty, cutie, kinaoly, bichette>ary ny anareo aôna ny fahandronareo an'azy ?

iaritisitika>eka ôa lé gaona a !
10. kinaoly ( 11/03/2005 09:24)
booboo> za aleo tsoriko fa tsy tia vary aminana :oops: fa zisteman heverikou fa le fanjahonle ol azy no tsy hitiavako azy de zay no itedavakou resety ngô de mampatsiro azy le anareo. fa le resetinle ol klou tsy haiko :^)
11. betty ( 11/03/2005 09:36)
booboo > le fanaovako azy v? euhhhhhhhhhhhhhh!!!!!! aleo alou zah hitady copier coller kelke part eh :-$ hoihihihih
12. Iriniaina ( 11/03/2005 10:35)
betty > :twisted:
13. majakely ( 11/03/2005 11:19)
Ny ahy koa mitovy amin'ny an'i booboo fa eo amin'ny place-ny hena dia nofona saosisy ataoko bolety majinika kely ,,,dia asiako gingembre kely miaraka aminy;;;; :miam:
14. Rambofrau ( 11/03/2005 12:29)
Ity misy fomba anankiray tena mampatsiro azy tokoa:

endaendasina ny voatabia sy tongolo (be,gasy), sy totokena raha misy, asiana totona sakamalao.

Rehefa mendy dia arotsaka ny anana mifangaro voatetika madinika. Haroharoina ary tampohina ranobe, antsasaky ny vilany.
Rehefa mangotraka dia arotsaka ny vary manta avy nosasana.Saronana dia ketrehina.

Rehefa akaiky ho masamasaka dia arotsaka ny patsa mena.Tampohina rano avy eo raha ritra na izay tiana.

Ny ahy aloha tsy tiako loatra ilay izy ritra be.

Dia aza adino ny kitoza na hena baolina miaraka aminy.Andramo fa tsara ny vary amin'anana gasy
15. rafaby ( 11/03/2005 19:39)
Tsara ve zany vary @ anana zany,tia zava maintsou an
16. booboo ( 11/03/2005 22:36)
rafaby angaha mbola tsy ary nihinana vary amin'anana mitsy ?
17. kinaoly ( 12/03/2005 11:35)
rafaby> hihihi za kou wa tsy tia vary amin'anana :(
refa nivavaka tam-mbola kely de we Andriamanitra o esory reo anana anaty variko reo :^) (mifouna be za )
fa zao za ôtsan'ny te hananjana :twisted:
18. chipie1 ( 12/03/2005 19:42)
kinaoly > ny ana ndray talou oe za tsy hihinana anio fa vary maloto io hihihihi ,
mitovy anilay ataony rambofrau io kou nena ny fanaoko fa tsy asiako patsa , de saosisy no miaraka aminy :miam:
19. haingou ( 18/03/2005 09:26)
Ny ahy indray ny fanaovako azy tsotra fa otrany tsy tiako le be hena reny. Hafanaina ny rano de rehefa mafana² iny dia arotsaka ny vary de rehefa mangotraka dia arotsaka ny anan-drebaka ny ana-tsonga ireo no tena tsara anaovana vary @ ny anana de asiana sira kely na atao amin'izao fotsiny dia hohanina miaraka amin'ny kitoza matavy be avy natono tamin'ny afo charbon
Milay an
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.3292