Dia arahabaina nareo viavy :-)

1. hery ( 08/03/2005 14:52)
Zao vao afaka mi-connecte dia miarahaba anareo vehivavy daholo noho ny 8 marsa e.
Mahagaga ihany ny mbola hitazomana ity fety ity satria ny vehivavy miady mafy hoe tokony hitovy amin'ny lehilahy. Ka raha efa mitovy amin'izao dia tokony tsy hisy intsony ny andro manokana ho an'ny vehivavy... manjary lasanay lehilahy daholo ny andro hafa rehetra :-)

Mandra-pisian'izany aloha dia tratry ny fety.

Aty Roma toa fizarana vonina mimoza no betsaka :-) mampahatsiaro ny any aminay... asa ny any aminareo any.
répondu par pitchou le 17/03/2005 20:35
2. chipie1 ( 08/03/2005 14:53)
ny aty aminay toa tsy misy letia ee!
sotsa any i hery dia miarahaba ny vehivavy :-*
3. sipagasy ( 08/03/2005 15:23)
Ny taty aminay teo @ gara no nisy nizara rose e!!!!!
4. mumu ( 08/03/2005 15:34)
aty paris tsisy nin nin mintsy!
5. bichette ( 08/03/2005 16:38)
aty aminay zao gatô be ho an'ny viavy, manangy, ny ampela, ny neny, ny bebe, ny rafozambavy sns :-D :-D :-D :-D
6. pitchou ( 08/03/2005 19:01)
misaotra an'ihery nahatsiaro e!
ary aza maika ny hanafoana an'io andro io moa fa tena mbola betsaka ny vehivavy ianjadian'ny herisetra (avy @ lehilahy!!!!! )! manomboka @ menavava izany ka hatrany @ efa antitra be! :?
taty aminay d tsy henoko lotra ze tena nanamarihana azy
7. isrine ( 08/03/2005 19:54)
ka tsy maintsy efa hoatr'izay ilay izy ry lehilahy isany o, ny vehivavy no tsy maintsy anaovana fety, ary mahagaag fa tsy mbola naheno fetin'ny lehilahy aho an. na ny fetin'ny ray aza tsy malaza mihitsy . tsy hitovy aminareo mihitsy izahay na dia hiady aza fa kosa ny vehivavy fanaja re e! sa ve hiady toy ny hippocampe indray ianareo, hihihi......
:twisted:
8. maditra ( 08/03/2005 23:18)
Tsy ny vehivavy rehetra no ampijalian'ny lehilahy ary tsy ny lehilahy rehetra mampijaly vady. Misy ary betsaka mihitsy, zah ary te hiteny fa mitovy ny isan'ny vehivavy mampijaly sy ny isan'ny lehilahy mampijaly. Arakaraka olona sy tany fiaviana io. Mbola tsy ela mihitsy zah izao nahita lehilahy nandohalika teo anatrehan'ny sipany satria hono tsy afaka tamin'ny rendez-vous. Izy mandohalika fa zah nahatsiaro nalahelo. Tsy tokony hisy olo hifandongalitra amim-pitiavana izany manko hoy aho. Dia lasa ihany ny eritreritro hoe, inona ihany ary ity fitakian-jo ataon'ny vehivavy ity!
Maditra
9. hery ( 09/03/2005 08:20)
Izay mihitsy ilay olana mantsy... ny [size=14]zo be[/size] efa ananany tsy hitany dia ny [size=8]zo kely[/size] mba ifikiran'ny lehilahy indray no tadiaviny mafy
10. betty ( 09/03/2005 10:52)
hery > kiiiiiiiii inn doly zany ZO BE zany? ary in doly le zo kely lolllllllllll tsy mety hiova mintss reto lelah reto :p
11. pitchou ( 09/03/2005 18:28)
hery> mety ho tsotra kokoa angamba ny fazahoana azy raha toa ka mifamadika toerana mandritra ny 1 volana fotsiny ny lahy sy ny vavy ao an-trano! izay fanaonao ao andavanandro no asaivo ataon-dramatoa dia izay fanaon-dramatoa no ataovinao! dia raha samy miasa moa nareo ka sanatria any @ toerana manavaka ny karaman-dehilahy sy karamam-behivavy ho an'ny asa iray mitovy dia angataho ho atao an'izay koa! raha efa misy ny ankizy ka ohatra we mbola misy kely dia aza adino koa izay! raha toa ka mbola minono le zaza dia ovay biberon mandritra ny 1 volana ary enao irery no manome azy .... raha mpibetroka an'i madama enao d aza adino ny mampatsiahy azy fa tokony hibetroka anao fona koa izy mandritra izay 1 volana izay! tandremo sao be sira loatra ny sakafo ... dia @zay enao mba afaka mankafy mafy izay ZO BE anananan'ny vehivavy izay (tsy 1 andro fa 1 volana) d mba mihafy @ zo kely nao izy mandritra ny 1 volana
12. fijo ( 09/03/2005 21:57)
pitchou an mba efa mifamadika ihany anie indraindray e.
13. maditra ( 09/03/2005 22:36)
Ary raha any ambanivohitra ireny izany dia asaina maka kitay izany ny vehivavy dia asaina miandry omby, mihosy oraka (tanimbary), volan-draiky.
Cool anie izany e! Mety ho fety be mihitsy ho an'ny lehilahy raha izany.
14. pitchou ( 10/03/2005 19:07)
ntssss! misy le tsy ataon'i fijo mihitsy ko!
maditra> aza adino ny fandrahoana sakafo, fatsakana (sady raha eny ambanivohitra d eryyyyyy an-tampo-kavona ny trano d aryyyyyyy ambany an-dohasaha ny fatsakana ! hihihi), fanasana lamba, manetsa, mitaona ketsa, miava ... zahay @io rehefa mandeha miandry omby d matoritory manao bain de soleil fotsiny! hihihi! ny mihosy tanimbary moa tsy asa be satria mandroaka omby no tena atao @iny! ny fakana kitay ry maditra d matetika ny vehivavy no manao an'io satria ilainy andrahoina sakafo, d mba lasa enao maka kitay! ary aza atao tara ny sakafo sao hahazo ny vava fanaonareo @ vehivavy an! le vehivavy io zany avy reraka be niandry omby! d aza adino ny mandroso ny sakafony an!tsy maninn na ampitomboina aza le 1 volana e! @zay maditra mahazo tsirony tsara!
15. fijo ( 10/03/2005 22:27)
tandremo fa izahay tany jangil matsaka an.ary io tsy eo ambody trano le paompy fa ary amin'ny iray kilometatra ary.le mahandro koa mba hay ihany io ka.ny kitay soloina tain'omby ko.
16. pitchou ( 12/03/2005 17:29)
ka i fijo ange hafa e! tsy misy 1 ao anatin'ny iray tapitrisa ny otranao ny lehilahy!
17. chipie1 ( 12/03/2005 19:38)
8) 8)
18. maditra ( 13/03/2005 14:36)
pitchou>samy manana ny azy marina ny society fa any aminay any tsy manao bain de soleil izany ny mpiandry omby(kotsan'oran'andro), ary tsy mora be ohatry ny mihosy fotaka izany ny miasa vary, ary ny vehivavy tsy mba maka kitay izany mihitsy. Ny mahandro sy ny manetsa no mba ataony. Ny miava vary itambarana; ny mitaiza an'ireo boay kely dia ny zokiny rehefa manana zoky, amin'ny voalohany sy faharoan-jaza ihany ny vehivavy no lany andro mitaiza zazakely.
Izay amin'ny ankampobeny fa raha hoe andao hifanakalozana ny asa no lazaina, dia minoa ahy ianareo fa ny vevivavy no tsy hanaiky raha any aminay (ambanivohitr'i ....) any. 8)
19. pitchou ( 14/03/2005 20:32)
maditra> nareo zany tsy mba manome ny zony feno ho an'ny ankizy raha izany ko! ny mpivady v no te-hanao sy te-hiteraka d ny ankizy no faizina mitaiza? :evil: d iza alou no matsaka? d iza no mandroso sakafo??? d iza no mahazo manao be vava rehefa misy zavatra tsy mety? (iny ko mikaonty be an! sao odiana fanina!) le mahandro koa alou afo gazy sa miharitra setroka @ afo kitay hazo? fa misy ordinatera koa izany any aminareo any? d azo entina le ordinatera rehefa hiandry omby? milay b zany ko!
ny fiainana andavanandro no tiako lazaina fa mino aho fa tsy izany no iainanao ka!
20. pitchou ( 14/03/2005 20:34)
maditra> aleo iverenako kely fa adinoko kosa ity iray ity! d nareo koa no mitsindrona na mihinana pillule manao fanabeazana aizana an! =))
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.2384